Naninona i Google No Nanova Anaran-tanàna Tamin'ny Sarintanin'i Krimea—Ary Maninona No Averina Amin'ny Laoniny Indray

As if by magic, Google Maps changed some town names in Crimea overnight. Images edited by Tetyana Lokot.

Tahaka ny mazia fa novain'ny Google Maps indray alina monja ny anara-tanàna sasany ao Krimea. Sary namboarin'i Tetyana Lokot.

Novain'ny goavan'ny aterineto Google tamin'ny 27 jolay ny tanandehibe, tanàna kely ary toby maro tao Krimea—saikanosy iray ao Okraina izay eo ambany fifehezana rosiana hatramin'ny fanombohan'ny taona 2014—fanovana natao tao amin'ny tolotra Google Maps. Tonga izao fanovana izao rehefa nanova anaran-toerana jeografika miisa 70 izay mifanaraka amin'ny fanentanana “decommunization” (fanesorana ny anarana komonista) tamin'ny May 2016.

Nahita ny fahasamihafana avy hatrany ireo mpiseran'ny Google Maps Rosiana sy Okrainiana. Ohatra, araka ny  tatitra nataon'ny tranonkalambaovao Meduza, ny tanànan'i Krasnoperekopsk lasa “Yany Kapu,” Sovetskoe niova ho “Ichki,” ary Kirovskoe nivadika ho “Islyam-Terek.” Maro amin'ireo anaram-baovao ireo no manana fihaviana Tatar Krimeana na fototra ara-tantara, manolo ny anarany tamin'ny vaninandro sovietika.

Niteraka setriny maherivaika avy hatrany avy amin'ny manampahefana Rosiana sy Krimeana izany fiovana tao amin'ny Google Maps izany. Sergey Aksyonov, filohan'ny Krimea voazanaka miampanga ny Google ao amin'ny lahatsoratra Facebook ho “mamoaka vokatra propagandy” sy “mitady hamorona ny zavamisiny.” Nanatevin-daharana izany tsikera izany ihany koa ny minisitry ny fifandraisana rosiana Nikolay Nikiforov, tamin'ny filazana fa raha tsy mifikitra amin'ny lalàna rosiana sy ny anarana rosiana amin'ny tanàna sy tanànakely (ao Krimea) ny Google, dia mety “hisoroka tsy hanaovan'ny orinasa fandraharahana mahomby ao Rosia [ny minisitera].”

Namaly ny setriny maherivaika tao amin'ny Twitter ny minisitry ny raharaham-bahiny Okrainiana Pavlo Klimkin, tamin'ny fanononan'i Okraina ny fananiham-bohitra tsy ara-dalàna ataon'i Rosia amin'i Krimea :

[Toy ny] trano vita amin'ny karatra ny manome anarana vaovao izay nangalarina: voalahatra hirodana raha vao vesaran'ny marina.

Tamin'ny 28 Jolay, nilaza tamin'ny tranonkalam-baovao RBC ny mpitondratenin'i Google fa fantatry ry zareo ny fanovana natao mifanaraka amin'ny lalànan'ny “decommunization” (fanesorana ny anarana komonista) ao Okraina sy ny tsy fankasitrahan'i Rosia izany. Nilaza tamin'ny RBC ny Google fa “eo ampiasana mavitrika amin'ny famerenana indray ny anarana teo aloha amin'ny endrika rosianan'ny Google Maps ry zareo.”

Votsotra teo amin'ny fifehezan'ny governemanta Okrainiana ny saikanosy Krimeana nandritra ny lohataonan'ny taona 2014, nanaraka ilay referendum nifandirana tamin'ny fisintahana tamin'i Okraina sy nanatevin-daharana ny Federasiona Rosiana. Tsy nankatò ny fampitambaran'i Rosia ny zaratanin'i Krimea ho eo anatiny ny ankamaroan'izao tontolo izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.