- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nahatonga Korontana Tao Sodana Atsimo Ny Fifandirana Ara-Politika, Nahafatesana Olona An-jatony

Sokajy: Afrika Mainty, Sodàna Atsimo, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona
Salva Kiir, president of South Sudan, waits to receive Omar al Bashir on his visit to the southern capital Juba. Photo by Al Jazeera English via Flickr (CC BY-SA 2.0) [1]

Salva Kiir, filohan'ny Sodana Atsimo, miandry ny fitsidihan'i Omar al Bashir ao atsimon'ny renivohitr'i Juba. Sary avy amin'ny  Al Jazeera teny Anglisy ao amin'ny  Flickr (CC BY-SA 2.0)

Vetivety dia nahatonga fifandirana mitam-piadiana nandritra ny andro maromaro ary nahafatesana olona an-jatony ny fifampihenjanana teo amin'ny antsoina hoe governemanta “tetezamita” ao Sodàna Atsimo, izay niforona tamin'ny 29 Aprily ary nangotrakakotraka tamin'ny fiandohan'ity volana ity rehefa nisy ny fifamaliana teo amin'ny Filoha Salva Kiir sy ny Filoha Lefitra Riek Machar, izay efa ela no mpifanandrina ara-politika.

Nilaza toy izao manaraka izao tamin'ny Global Voices ny mpanao gazety Sodaney Tatsimo ao Juba fa nihidy tao amin'ny efitra fandroana izy, nandritra ny fotoana ratsy indrindra nisian'ny herisetra mitam-piadiana

Wa wa wa it was terrible this morning, now I can hear guns cracking a big gun far. It is a game of wait and see. Right now I'm in the bathroom cos the bedroom is full of windows. It is a déjà vu.

Wa Wa Wa tena nampatahotra io maraina io, henoko ny poa-basy avy amin'ny basy lehibe avy any lavitra any izao. Toy ny lalao ankiafina sy mifampitady izany. Amin'izao fotoana izao aho ato amin'ny efitrano fandroana satria feno varavarankely ny efitra fatoriana. Efa nitranga ny toy izany.

Efa nahita herisetra mitovy amin'izany ny ankamaroan'ny olona, ny fipoahana tampoka miverimberina  mahatonga ny olona hihidy any an-tranony, na manery azy ireo handositra faingana. Maro no nampitaha azy ity tamin'ny nitranga Desambra 2013, izay nanamarika ny fiandohan'ny vanim-potoana vaovao teo amin'ny  tantaran'ny fikorontanana ara-politika tao Sodana Atsimo na dia teo aza ny fiainana nilamina hatramin'ny nanaovana sonia ny Fifanarahana Marimaritra Iraisana Ara-pilaminana  teo amin'ny Sodana sy Sodana Atsimo tamin'ny 2005.

Nosamborin'ny mpitandro filaminan'ny National Security Service (NSS) na Sampam-Piarovana Nasionaly ao Sodana Atsimo tamin'ny 16 Jolay ny mpampita vaovao ela nihetezana Sodaney Tatsimo Alfred Taban izay  solontenan'ny BBC teo aloha sady lehiben'ny toniam-panoratana ao amin'ny Juba Monitor [2] amin'izao fotoana izao taorian'ilay fipoahan'ny herisetra vao haingana, .

Namoaka lahatsoratra mitaky ny fanesorana ny filoha roa tonta Salava Kiir sy i Riek Machar i Taban fotoana fohy talohan'ny nisamborana azy. Mbola tao am-ponja i Taban ny 26 Jolay teo ary mbola tsy misy vesatra iampangana azy.

Mitaky ny famoahana azy ireo mpiaro ny zon'ny fampitam-baovao ao an-toerana:

Manan-jo hiteny ny ao an'eritreriny ny olona raha mandray fanapahan-kevitra misy fiantraikany amin'ny fiainan'ny olona ianareo #FreeAlfredTaban

“Aoka ho be herim-po sy hifikitra hatrany amin'ny fahamarinana ” hoy ilay torohevitra mahazatra an'i Alfred Taban  ho an'ireo mpanao gazety Sodaney Tatsimo #FreeAlfredTaban [3]

Tahaka ny mpitranga rehefa misy ny ady toy izao, dia sarotra ny mahazo vaovao azo antoka sy feno momba ny zava-mitranga any amin'ny faritra samihafa ao amin'ny firenena amin'ny tati-baovao mitsipotipotika amin'ny toe-javatra manokana. Mitatitra [7] tsy tapaka momba ny niafaran'ny olona [7] nosamborina sy notànana tao amin'ny foiben'ny NSS ny Radio Tamazuj, izay miorina ao amin'ny faritry ny tendrombohitra Jebel Kujur any amin'ny manodidina an'i Juba.

Taorian'ny tantara feno herisetra indrindra tao Malakal , tsy nahatana intsony ny tebitebiny ny Pastora Eveka Racco Taban, lohan'ny diosezin'i Malakal ary niteny ity  hafatra manaraka [8] ity izy tany am-piandohan'ny volana Jolay :

We are ruled really by monkeys. We are ruled by monkeys. We have to be very clear: We are ruled by monkeys… Devils! These are devils! We are ruled by devils. And we are very sorry for them.

Marina raha tsy ny rajako no mitondra antsika. Entin'ny rajako isika. Tokony hazava tsara ny tenintsika: ny rajako no mitondra antsika … Devoly ! Devoly ireo ! Ny demonia no mpitondra antsika. Ary malahelo azy ireo indrindra izahay.

Nitatitra ny Amnesty International tamin'ny 22 Jolay fa olona iray no maty tao amin'ny fonjan'ny NSS. Voalaza ihany koa fa navotsotra ny roa ary olona 30 mbola “notànana tsy ara-drariny ao amin'ny foiben-toeran'ny NSS.” Araka ny Amnesty International [9]:

The NSS Act of 2014 grants the NSS sweeping powers to arrest and detain, without ensuring adequate judicial oversight or safeguards against abuse of these powers. The Act does not specify that detainees may only be held in official places of detention or guarantee basic due process rights, such as the right to counsel or to be tried within a reasonable period of time. The law effectively gives a carte blanche to the NSS to continue and extend its longstanding pattern of arbitrary detention, with total impunity.

Manome fahefana ny NSS hisambotra sy hanagadra olona ny lalàna NSS nivoaka tamin'ny 2014, nefa tsy misy fiantohana ara-pitsarana sahaza na arofanina amin'ny fihoaram-pahefana avy amin'izany. Tsy milaza ny lalàna fa any amin'ny toerana famonjana ofisialy ihany no itazonana ireo gadra, na voaantoka ny zo fototra amin'ny dingana ara-pitsarana, toy ny zo hanana mpisolovava , na ny zo handalo fitsarana ao anatin'ny fe-potoana ara-dalàna. Manome carte blanche ho an'ny NSS ny lalàna hanohizany sy hanitarany araka izay tiany, amin'ny fomba tsimatimanota tanteraka, ny fanagadrana izay voatondro molotra.

Raha mitohy ny korontana, dia maro ny manontany tena raha toa ka tena mendrika niadiana ny fahaleovantena izay nisitrahan'i Sodàna Atsimo hatramin'ny taona 2009.

Bebe kokoa mombamomba an'i Sodàna Atsimo

Lasa firenena Afrikana faha 55—sady vao haingana indrindra eto amin'izao tontolo izao—ny Repoblikan'i Sodàna Atsimo tamin'ny 9 Jolay 2011, taorian'ny fisintahany tamin'i Sodàna am-pilaminana tamin'ny alàlan'ny fitsapan-kevibahoaka tamin'ny Janoary 2011. Na izany aza, nipoaka ny ady an-trano tamin'ny Desambra 2013, ary niatrika fihemorana lehibe ho an'ny fampandrosoana ny firenena izany. Nanao sonia Fifanarahana Marimaritra Iraisana Am-pilaminana ireo mpifanandrina roa tonta tamin'ny 27 Aogositra 2015, izay nilona sy narahana olana ny fametrahana azy.

Nipoaka mafy indray ny herisetra tao an-drenivohitra Juba tamin'ny 8 Jolay 2016. Marefo ny toe-draharaha ara-politika na dia nilamina aza ny ady dimy andro taty aoriana, miaraka amin'ny fanantenana kely isian'ny marimaritra iraisana eo amin'ireo antoko mpifanohitra. Niteraka fitomboan'ny fifindra-monina anaty ny toe-draharaha, ary nisy koa ny fandosiran'ireo mpitsoa-ponenana tany amin'ireo firenena manodidina.