- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nahazo ny Tambajotram-pifandraisan-davitra Azy Ireo Manokana Ihany Ny Vondrom-piarahamonina Indizeny ao Meksika

Sokajy: Meksika, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Teratany, Vaovao Tsara, Zon'olombelona, Rising Voices
Telefono-usuario

Mpikambana ao amin'ny Rhizomatica mampiseho ny fomba fampiasana finday iombonana. Sary avy amin'ny Rhizomatica Wiki, [1] Lisansa Creative Commons.

Hahazo tambajotra finday azy ireo manokana tsy ho ela ny mponina ao Mixe, Mixteco, ary Zapoteco izay hahafahan'ireo kaominina 356 farafahakeliny ao amin'ny Fanjakana Chiapas, Guerrero, Oaxaca, Puebla ary Veracruz hiditra amin'ny tolotra finday sy aterineto .

Ireo servisy vaovao dia vokatry ny vahaolana ampahibemaso noraisin'ny Instituto Federal de Telecomunicaciones [2] na IFT (Ivo-toerana Federaly misahana ny Fifandraisandavitra) tamin'ny 5 Jolay ny tolotra vaovao, izay sambany teo amin'ny tantaran'i Meksika no nanome fahazoan-dalana ara-pifandraisandavitra roa ho fampiasan'ny vazimba teratany ara-piarahamonina ho an'ny fikambanana tsy mitady tombontsoa Telecomunicaciones indígenas Comunitarias AC (TIC A.C.) (Fifandraisan-davitry ny Fiarahamonina Indizeny).

Tamin'izany lohahevitra izany, nilaza [3] ny Ivon-toerana Federaly ho an'ny Fifandraisandavitra hoe:

Con estas concesiones se habilitará a su titular [TIC A.C.] a prestar servicios de telecomunicaciones para la promoción, desarrollo y preservación de sus lenguas, su cultura, sus conocimientos, promoviendo sus tradiciones, normas internas y bajo principios que respeten la igualdad de género, permitan la integración de mujeres indígenas en la participación de los objetivos para los cuales fue solicitadas las concesiones y demás elementos que constituyen las culturas e identidades indígenas.

Ireo fahazoan-dalana roa ireo dia ahafahan'ny Fifandraisandavitry ny Fiarahamonina Indizeny  hanome tolotra fifandraisandavitra ho fampiroboroboana, fampandrosoana, sy fiarovana ny fiteny, ny kolontsaina, ny fahalalan'izy ireo, ary mampiroborobo ny fombandrazana sy ny fenitra mifototra amin'ny fitsipika manaja ny fitovian-jo ary mamela ny fampidirana ny vehivavy vazimba teratany handray anjara amin'ny tanjona izay antony nangatahana ireo lisansa ireo miaraka amin'ireo singa hafa mandrafitra ny mari-panondroana ny kolontsaina indizeny.

Araka ny filazan'ny  Redes por la Diversidad, Equidad y Sustentabilidad, A.C. [4] (Tambajotra ho an'ny Fahasamihafana, ny Fitoviana, ary ny Faharetan'ny Fikambanana tsy mitady tombontsoa), ny tambajotra Telefonía Celular Comunitaria [5] (Finday iombonana) (izay efa azo, notantanina, ary velomin'ny vondrom-piarahamonina Villa Talea de Castro [6] ao amin'ny tandavan-tendrombohitra avaratr'i Oaxaca hatramin'ny 2013) no tompon'andraikitra mivantana amin'ity ezaka fanomezana fifandraisana ho an'ny vondrom-piarahamonina vazimba teratany ity amin'ny vidiny mora.

Talea de Castro

Sary nalaina tao amin'ny Villa Talea de Castro, avy amin'i Daniela Parra, nahazoan-dalana, REDES AC [7].

Araka ny efa nohazavain'ny [8]Global Voices teo aloha, talohan'ny 2013, niantehitra tamin'ny tranohazo fanaovana antso finday lafo vidy ireo mponina 2500 tao Villa Talea de Castro. Rehefa nandà hatrany tsy hanome ny tolotra ho azy ireo ny orinasa lehibe misahana ny finday, dia nitambatra ny vondrom-piarahamonina ka noho ny fanampiana ara-teknika sy araka ny lalàna avy amin'ny fikambanana tsy miankina Rhizomatica [9] – dia nahavita nametraka ny tambajotra finday [5]ho azy ireo manokana ao an-toerana izy ireo, ahafahan'ny vondrom-piarahamonina manao “antso sy fandefasan-kafatra tsy manam-petra ao an-toerana, sy antso lavitra sy iraisampirenena amin'ny vidiny hatramin'ny 98 isanjato latsaka [noho izay] omen'ny tolotra finday hafa. “

Raha vao nandeha ny tambajotra finday, nanomboka nitrandraka fomba vaovao hampiroboroboana ny asa fanaovan-gazety an'olo-tsotra sy ny fifandraisan'ny vondrom-piarahamonina ny onjam-peo eo an-toerana (“Dizha Kieru,” na “Nuestra Voz” amin'ny fiteny Zapotec) sy ny Rhizomatica. Notohanan'ny Rising Voices [10] tamin'ny vatsy ara-bola kely ity tetikasa ity tamin'ny 2013, araka ny fanambarana [11]ireo mpandresy tamin'izany taona izany:

La estación de radio, junto con la organización Rhizomatica, formará a los residentes locales para convertirlos en recolectores de noticias comunitarias a través del reportaje en persona o a través de mensajería de texto o llamadas de los ciudadanos. El equipo de Dizha Kieru, que administra tanto la radio como la estación GSM reunirá, sintetizará, editará y enviará los reportes noticiosos a los residentes dos veces al día a través de mensajes de texto masivos […]

Hampiofana ny mponina eo an-toerana ny onjam-peo sy ny fikambanana Rhizomatica hahatonga ny mponina ho fiarahamonina mpanangom-baovao amin'ny alalan'ny fahatongavan'olon-tsotra mitati-baovao manokana na amin'ny alalan'ny SMS na antso an-telefonina avy amin'olom-pirenena. Ny ekipa Dizha Kieru, izay mitantana ny radio sy ny onjam-peo mifototra amin'ny GSM no hanangona, hamolavola, hanome endrika, sy handefa ireo tati-baovao indroa isan'andro any amin'ny mponina amin'ny alalan'ny SMS faobe […]

Niasa toy ny tetikasa fitaratra ity tambajotra finday voalohany eo an-toerana ity ary narahan'ny vondrom-piarahamonina hafa. Mitantara ireo dingana voalohany tamin'ny tetkasa ity lahatsary manaraka ity:

Araka ny fanambarana [12] navoakan'ny Tambajotra ho an'ny Fahasamihafana, Fitoviana, ary ny Faharetana, dia anisan'ny mandrafitra izany tambajotra finday ho an'ny fokonolona izany ireo vondrom-piarahamonina ambanivohitra sy indizeny miisa 16, niara-nifamory tamin'ny Rhizomatica ary nanangana ny Telecomunicaciones indígenas Comunitarias, A.C. (fikambanana tsy mitady tombontsoa Fiarahamonim-Pifandraisandavitra Teratany) hidirana amin'ny dingana manaraka hahazoana lisansa avy amin'ny IFT ary mampandeha tambajotra fifandraisandavitra ho ampiasan'ny fiarahamonina vazimba teratany, izay nahazo alalana vao tsy ela akory.

Nanamarika ny fahazoan-dalana tamin'ny sioka fankalazana ny Rhizomatica [9]:

Azo ihany! Vao avy nahazo ny fahazoan-dalana GSM ho an'ny fiarahamonina vazimba teratany voalohany manerantany avy amin'ny @IFT_MX [13] eto Meksika ny fikambanantsika tsy ara-barotra TIC AC

Niaiky [15] ny tolona lavitr'ezaka nataon'ny tanàna sy ny fokonolona indizeny hahazoana, hitantanana ary hampiasana ny tambajotran'izy ireo manokana i Erick Huerta [16], mpanolo-tsainan'ny TIC A.C. sady mpikambana ao amin'ny Vaomiera Mpanolo-tsainan'ny IFK:

Este hecho histórico es sólo un pequeño paso de un sueño que empezó a realizarse hace muchos años y que se construye día a día en las comunidades indígenas de nuestro país quienes, bajo sus propios principios, generan formas de atender sus necesidades con sus recursos, en esquemas de colaboración y apoyo mutuo, invirtiendo la lógica de dependencia por la de autonomía.

Vao dingana kely iray mankany amin'ny nofy izay nanomboka taona maro lasa izay ary naorina isan'andro tao amin'ny vondrom-piarahamonina indizeny ato amin'ny firenentsika ity zava-bita manan-tantara ity, ka noho ny fotokevitr'izy ireo manokana, dia niteraka fomba hiatrehana ny filàn'izy ireo avy amin'ny fananan'izy ireo, ao anatin'ny rafitra fiarahamiasa sy fifanohanana, mampifanakalo ny lojikan'ny fiankinana amin'ny fizakantena.

Izany no fomba nahatonga ny Tambajotra Fifandraisandavitra ho an'ny Fokonolona Indizeny ho mpanome tolotra fifandraisandavitra vaovao tantanin'ny fokonolona indizeny. Amin'izany, antenaina fa raha tokony hitady tombony ara-toekarena, ny tanjona dia ny hanompo vahoaka, mandrisika ny fokonolona hiditra aterineto, manohana ny fahavitrihana, ny fanao, ary ny fampiasana feno ny zon'izy ireo. Tambajotra iray, tsy azo isalasalana fa mihoatra noho ny teknolojia.

Raha mila vaovao fanampiny, tsidiho ny tranonkalan'ny Tambajotra ho an'ny Fahasamihafana, Fitovian-jo, ary ny Faharetanate raha hamaky momba ny tambajotra findain'ny vondrom-piarahamonina [5] sy ny pejy Wikipedia Whizomatica. [17]