- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

 Nivoaka Niaraka Tamin'ny Tebiteby Sy Fientanam-po tao Japana Ihany Ny Pokémon Go

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Tanora, Teknolojia, Zavakanto & Kolontsaina
Pokemon Go in Japan

Milalao  Pokémon Go sady mitondra fiara ao Japana. Fanazavana: “MALAZA — Nandravarava ny vondronosy Japoney niaraka tamin'ny zava-manahirana ny Pokémon Go ny herinandro voalohany taorian'ny nivoahany . Pikantsary avy amin'ny ANN fantsona YouTube ofisialy [1].

Taorian'ny famoahana nalaza be tany Etazonia sy tany amin'ny faritra maro eran ‘izao tontolo izao, nanomboka tao Japana izay toerana nahaterahan'ny anaran'ny sarimiaina Pokémon ihany ny farany ny Pokémon Go lalao amin'ny finday mifanakaiky amin'ny lalao tena izy : .

Niteraka fientanentanana goavana  tamin'ny mpilalao sy ireo orinasa sasany tao Japana ary niteraka tebiteby ho an'ny hafa tamin'ny fahatahorana fa  hanakorontana ny fiainany ny lalao izay namafisin'ny Apple ho nanamontsana ny fitrohana betsaka indrindra tamin'ny Lahatahiry App [2]  ny herinandro voalohany nivoahany.

Nisy fahatarana dimy andro [3] ny fivoahan'ny lalao raha araky ny fandaharam-potoana tao Japana [3] ny zoma 22 Jolay 2016. Raha ny voalaza [4],  ny tahotra no nahatonga ny fahatarana fa mety tsy ampy hahazaka ny  fiatrehana ny tinady ny lohamilina Pokémon Go Japoney, taorian'ny nisian'ny mailaka tafaporitsaka izay nanambara ny toerana handefasana an'i Pokémon .

Lalaovina maimaim-poana ny Pokémon Go [5], ilay lalao mifototra amin'ny zavamisy eo an-toerana nampiana kely izay natomboka voalohany tany amin'ny toerana maro eran'izao tontolo izao tamin'ny 6 Jolay 2016. Novolavolain'ny Niantic Labs [6], mila mampiasa finday ireo mpilalao ary mifandray amin'ny aterineto mba hitady sy hisambotra an'ireo mpandray anjara Pokémon amin'ny endrin-toerana tena izy.

Noforonon'ilay mpamorona lalao video Japoney Satoshi Tajiri tamin'ny 1995 ny raharaham-barotra Pokémon . Mifototra amin'ny fampitana Pokémon sarimiaina sy lalao video maherisetra isankarazany [7] ny Pokémon Go izay lasa nalaza voalohany tamin'ny faramparan'ny taona 1990, tsy maintsy mahita, misambotra ary miady amin'ny zavaboary noforonin'ny eritreritra antsoina hoe Pokémon ilay olona milalao, izay fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe ‘Monster Balls’ (baolina bibidia) ao Japana.

Nahatonga  fahalianana niely patrana avy hatrany manerana ny firenena ny fivoahany tao Japana ny Zoma 22 Jolay.

Reko fa azo samborina ao amin'ny Zaridainam-Pirenena Shinjuku Gyoen i Pikachu [zaridaina malaza ao afovoan'i Tokyo], fa feno olona beee dia beee eto.

Vetivety dia feno olona ny toerana iray rehefa lasa fantatra ho toerana mafana ahitana ny mpandray anjara Pokémon tsy fahita firy sy tadiavina fatratra.

Tsy mampino ny habetsahan'ny olona ao amin'ny zaridaina ao andrefan'ny garan'ny Ikebukuro [ao afovoan'i Tokyo].

Nanararaotra ny zava-nisy ihany koa ireo mpanao raharaham-barotra teo amin'ny manodidina  :

Taorian'ny Zaridaina Maizuru ao Nagoya izay nampiroborobo ny lazan'ny “tany masin” ‘ny Pokémon Go, nirohotra nakany amin'ny toeram-pivarotana ny olona,  nanadio ny talantalana ara-bakiteny.

Hita na aiza na aiza amin'ny toerana misy famantarana GPS ireo mpandray anjara Pokémon noho ny natioran'ny lalao amin'ny finday miparitaka hatraiza hatraiza.

Maka ny lamasinina tahaka antsika ihany koa i  “Casey” [17].

Nahatsikaritra ireo mpilalao PoGo hafa ao Japana fa misy faha-samihafana lehibe ny fomba mety ahafahana misambotra ireo mpandray anjara maro arakaraky ny toerana hilalaovanao ny lalao;

Milalao Pokemon Go dika Shibuya any ambanivohitra  . pic.twitter.com/PB2QRJg7Mu [18]

Nozaraina betsaka tao Japana ihany koa hatramin'ny niatombohan'ny lalao tamin'ny Zoma ireo sary malaza be an'ilay mpanakanto Syriana @KhaledAkil [20]  izay nampiasa ny sarin'ny Pokémon Go tamin'ny volana Jolay mba hanairana ny fisian'ny ady ao Syria .

Namorona asakanto Pokémon ny mpanankato Syriana @KhaledAkil [20] ho fampahatsiahivana antsika ny amin'ny voina misy ao #Syria [22] #PokemonGO [23]

Toy ny any amin'ny firenena hafa manerana izao tontolo izao, dia misy ny olona sasany izay mijery ny laza goavan'ny Pokémon Go miaraka amin'ny fanairana. Nandrara ny lalao ohatra i Tranom-Panasinana Izumo [26] ao Japana.

Etsy andanin'izany,  toa mamorona toe-javatra tsy mitombina ao amin'ny tranonkalam-pivavahana sasany hafa ny Pokémon Go.  Nahatsikaritra  karazana Pokémon tena hafahafa hita ao amin'ny Toera-Masina Fivavahana Yasukuni ny mpilalao iray, izay natokana ho fahatsiarovana an'ireo maty tamin'ny Ady Lehibe Faharoa tao  Japana :

Ny pokemon antsoina hoe “Ho Ela Velona i Shina” no mitarika ny toerana fanaovana fanatanjahantena Toera-Pivavahana Yasukuni, Tsy nanampo ny fahatongavan'izany!

Maka paikady maivana kokoa ny orinasa sasany handrisihina ny fomba filalaovana mety sy ny tompon'andraikitra amin'ny filalaovana.

Misorata anarana ao amin'ny Imayo Tsukasa mba hahazo labiera, Niigata : aza misambotra an'i Pokemon ato;  iankinan'ny ain-dehibe ny dingana famokarana labiera .