Antso Ho an'ny Fikambanana Iraisampirenena Mba Hirotsaka An-tsehatra Ao Gambia Noho Ny Fanagadrana Mpanohitra

Voampanga tanteraka amin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ny Filoha Gambiana Yahya Jammeh teo amin'ny fitondrana nanomboka tamin'ny taona 1994. Sary azon'ny rehetra ampiasaina avy amin'ny White House izay navoakan'lay mpisera Wikipedia Alifazal.
Tamin'ny 20 Jolay 2016, nosazian’ny Fitsarana Avo Gambiana telo taona an-tranomaizina ny lohandohan'ny mpitarika ny Antoko Demokratika Mitambatra (UDP) (ao amin'ny mpanohitra amin'izao fotoana izao), Ousainou Darboe sy mpanohitra mpikatroka 18 hafa noho ny fandraisana anjara tamin'ny fihetsiketsehana tsy nahazo fahazoan-dalana, ankoatra ny fiampangana hafa. Nosamborina tamin'ny 19 Aprily tao an-drenivohitra, Banjul izy ireo.
Nampangain'ny mpanohitra ny fitsarana, raha nanamarika kosa ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona Amnesty International fa manohy ny fiharatsian'ny zon'olombelona ao Gambia ireo sazy an-tranomaizina ho an'ny mpitarika ny mpanohitra ireo.
Anisan'ireo voaheloka i Fanta Darboe Jawara – efa olom-pirenena Amerikana, raha nitsidika ny firenena ary nandray anjara tamin'ny hetsi-panoherana notarihin'ny dadatoany. Nahasarika ny saina tao Etazonia ny didim-pitsarana, raha naneho ny hatezerany tamin'ny fiampangana ireo mpikambana efatra ao amin'ny kaongresy ao Maryland.
Tamin'ny Aprily 2016, nanatri-maso andianà fihetsiketsehana tsy mbola nisy toy izany ny firenena izay nanomboka tamin'ny fihetsiketsehana milamina mitaky fanitsiana lalàm-pifidianana atao alohan'ny fifidianana amin'ny volana Desambra 2016 ao amin'ny firenena. Notarihan'i Ebrima Solo Sandeng, tanora lohan'ny antoko mpanohitra lehibe indrindra, UDP ny fihetsiketsehana. Maro ireo mpanao politika mpanohitra no nihevitra fa manome tombotsoa ho an'ny filoha am-perinasa Yahya Jammeh ny lalàm-pifidianana misy, ary te-hahita izany hiova izy ireo. Araka ny zava-misy, sarotra ny hihaika azy – takiana amin'ny tsirairay ny fandoavana vola 500.000 Dalasi Gambiana (eo amin'ny 11.280 dolara Amerikana) rehefa misoratana anarana antoko politika na mirotsaka hofidiana filoham-pirenena ao Gambia.
Tamin'ny fiafaran'ny fihetsiketsehana, nihodidina ny mpitandro filaminana ary notanan'izy ireo i Sandeng sy ny mpanohana hafa an'ny UDP. Namoy ny ainy nandritra ny fihazonan'ny polisy azy ireo tao anatin'ny 48 ora nisamborana azy ireo i Sandeng sy ny mpikambana roa hafa ao amin'ny UDP. Nitarika fihetsiketsehana hafa, notarihin'i Darboe izany, izay nitaky ny famotsorana ireo mpanao hetsi-panoherana ambiny.
Tsy nihatsahatra niantso ny governemanta mba hanaja ny zon'olom-pirenena hanao fihetsiketsehana milamina i Etazonia, ny Firenena Mikambana sy ireo fikambanana iraisampirenena hafa. Voatsikera tanteraka noho ny fampijaliana mpanao gazety, sy ny mpikambana ao amin'ny mpanohitra ary ireo mpikambana ao amin'ny fiarahamonina LGBT ny Filoha Jammeh, izay teo amin'ny fitondrana hatramin'ny 1994.
Tamin'ny fampahafantarana 2014 tamin'ny Fanadihadiana Ara-Potoana Manerantany(UPR) tao Gambia, nanamarika ny Amnesty International fa: “Nanomboka ny Fanadihadiana Ara-potoana Manerantany (UPR) tao Gambia tamin'ny taona 2010, niharatsy ny zon'olombelona tao amin'ny firenena. Manohy manakana ny fahalalahana maneho hevitra sy manitsakitsaka ny zon'olombelona hafa amin'ny fomba tsimatimanota ny fanjakana. “
Niditra Facebook sy Twitter ny Gambiana sy ny mpiserasera ao amin'ny firenena mba hanameloka ny fiampangana.
Miantso ny fikambanana iraisampirenena mba hiditra an-tsehatra, nizara sary torohay mampiseho ny fanararaotana ataon'ny fitondran'i Jammeh nandritra ny taona maro ny Media Foundation ao Afrika Andrefana*:
Here's why ECOWAS, AU and the international community need to call President Yahya Jammeh to Order @saineymkmarenah pic.twitter.com/4fyYcDjZPz
— Media Foundation-WA (@TheMFWA) July 22, 2016
Ity no antony mahatonga ny CEDEAO, ny Vondrona Afrikana ary ny fikambanana iraisam-pirenena tokony handray fepetra amin'ny Filoha Yahya Jammeh.
Niantso ny fikambanana iraisampirenena mba handray fepetra ihany koa i Niamina Nko:
#GambiaRising #Gambia # shut down all Gambian embassies around the world
— Freedom 4 all (@NiaminaNko) July 21, 2016
akatony ny masoivoho Gambiana rehetra manerantany.
Naneho ny zava-misy kosa i Oumie Andrews fa natao teo anatrehan'ny mpitsara tsy Gambiana ny fotoam-pitsarana :
#GambiaRising #FreeFanta #GambiaStateOfEmergency stop #NigerianMercenaryJudges illegally jailing innocent Gambians pic.twitter.com/3wpzsT8uGw
— Oumie Andrews (@OumieAndrews) July 21, 2016
Ajanony ny Mpitsara Mersenera (mpikarama an'ady) Nizeriana managadra tsy ara-dalàna ireo Gambiana tsy manan-tsiny
Manana politika fandraisana mpitsara sy mpanapaka Nizeriana ny fitondran'i Jammeh; nampahafantatra ny heviny momba izany fomba fanao izany ny Gambiana any Angletera:
#GambiaRising: In UK, Gambians protest, deliver petition at Nigr HC urging halt to #Jammeh use of mercenary judges pic.twitter.com/c0Mx2uABPO
— Sanna Camara (@maimuhyai) July 22, 2016
Ao amin'ny Fanjakana Mitambatra, manao fihetsiketsehana ny Gambiana, manao fanangonan-tsonia ao amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HC) NiGr mandrisika an'i #Jammeh mba tsy hampiasa mpitsara mpikarama an'ady.
Nitaraina ny mpisera iray mampiasa ny famantarana ‘YesWe Can’ (Eny Vitantsika io):
The sentencing of #LAWYERDARBO and his executives is a travesty… but then all we're going to do is NOTHING. #GambiaRising #Gambia #Africa
— YesWe Can (@YesWeCan_Gambia) July 20, 2016
Fahadisoana ny fanomezan-tsazy an'ny #LAWYERDARBO sy ny mpitantana azy….ary avy eo TSY MISY DIKANY ny zavatra rehetra ataontsika
Toa milaza ny gazety gambiana an-tserasera iray fa vola no nahamay ireo mpitsara nisahana ny fotoam-pitsarana fa tsy zavatra hafa:
#Gambiarising: when money becomes everything to judges, justice becomes the first casualty @NigeriaNewsdesk #Gambia pic.twitter.com/usoinOqlld
— Gainako Editor (@dbaldeh) July 21, 2016
Manjary misy dikany ho an'ny mpitsara ny vola, lasa lasibatra voalohany ny rariny.
Tao amin'ny Facebook, mpisera iray mampiasa anarana ‘Che Guevaara’ nitaraina momba ny fihatsaram-belatsihin'ny Vondrona Afrikanina (AU):
The AU does not condemn a Dictator when he is oppressing his people but it will condemn when the Dictator is overthrown.
Tsy miampanga ny Mpanao didy jadona ny Vondrona Afrikanina raha mampijaly ny mponiny izy saingy hiampanga kosa izy raha ny Mpanao didy jadona no voahongana
Nandanjalanja ny toe-draharaha ihany koa ireo mpaneho hevitra avy amin'ny firenena Afrikanina hafa. Adomati Robert avy ao Ogandà nanamarika fa tsy voahaja ara-drariny ny antoko mpanohitra ao amin'ny firenena Afrikanina amin'ny ankapobeny – fa tsy ao Gambia ihany:
I'm a Ugandan but I see no difference in political crisis with that of Gambia and other politically oppressed African nations where opposition parties are seen as a threat to the political security of the ruling government. This is a way of defending selfish interests of the greedy leaders. When the rich robs the poor, it's called ‘defense’ and when the poor fights back it's called ‘offense’.
Ogandey aho saingy tsy mahita fahasamihafàna amin'ny krizy ara-politika ao Gambia sy ny firenena Afrikanina hafa mijaly ara-politika izay hita ho fandrahonana ho an'ny fiarovana ny politikan'ny fitondram-panjakana ny antoko mpanohitra. Fomba hiarovana ny tombontsoa fitiavan-tenan'ireo mpitarika matim-bola izany. Raha mandroba ny mahantra ny mpanankarena, antsoina hoe ‘fiarovana’ izany ary raha mitolona kosa ny mahantra dia antsoina hoe ‘fandikandalàna’ izany
Mpaneho hevitra avy ao Zambia, Eugine Mwambila, nilaza fa mitranga ao amin'ny fireneny ihany koa ny fampijaliana mpanao politika mpanohitra :
african leaders dont want to be opposed,our african democracy is a sham,Uganda,Egypt,Zimbabwe,Angola and the same is happening in my country Zambila the opposition is being threatened with jail terms,there is need for Amnesty and other international Ngo z (sic) to help this man,
Tsy te hotoherina ny mpitondra Afrikanina, mahamenatra ny demokrasia Afrikanina antsika, Oganda, Ejipta, Zimbaboe, Angola ary mitranga ao amin'ny fireneko Zambia ny mitovy amin'izany izay rahonana sazy an-tranomaizina ny mpanohitra, ilaina ny Amnesty sy ny fikambanana iraisam-pirenena tsy miankina mba hamonjy ity lehilahy ity,
Na izany aza, nivoaka niaro ny filoha Jammeh i Cheikh Bamba, manondro azy – miaraka amin'ny teny hentitra – tahaka ny “ity mpanao didy jadona ity”:
This so-called opposition called UDP is a group of disgruntled figures with ties to the former super corrupt regime and hardcore tribalists
This dictator out perform the previous 30 years corrupt government and the colonial system combined
The real farce is the daily fabricated stories regarding the Gambian situation
Ity lazaina fa mpanohitra antsoina hoe UDP ity dia vondrona ahitana ireo olo-malaza tsy faly ary manana fifandraisana amin'ny fitondrana mpanao kolikoly teo aloha sy mpanavakavaka ara-poko hiringiriny.
Ity mpanao didy ity no nahavita tsara noho ny fitondrana mpanao kolikoly 30 taona lasa sy ny rafitra fanjanahantany.
Ny tena vazivazy ratsy dia ny tanara namboamboarina isan'andro mikasika ny toe-draharaha Gambiana.
Sokajy

Tantaran'ny Afrika Mainty farany
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 7 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...