- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manohy Ny Famoriam-bahoaka Ireo Mpanohitra Ao Maldiva Na Dia Teo Aza Ny Fanakanana Nataon'ny Governemanta

Sokajy: Azia Atsimo, Maldiva, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna, Zon'olombelona
Maldives Police blocked May Day 2016 march organized by Maldivian civil society. Image from Flickr by Dying Regime. CC BY 2.0 [1]

Polisy Maldiva nanakana ny diabe nokarakarain'ny fiaraha-monina sivily Maldiviana tamin'ny andro Fetin'ny Asa. Sary avy amin'ny Dying Regime ao amin'ny Flickr . CC BY 2.0

Nanao famoriam-bahoaka voalohany [2] tamin'ny 21 Jolay 2016 ny sehatra fanoherana vaovao vao natsangana tao Maldiva, ao an- drenivohitr'i Male, na dia teo aza ny fandavan'ny governemanta [3] tamin'ny fanomezan-dàlana.

An'arivony no tonga tamin'ny fivorian'ny Firaisan'ny Mpanohitra ao Maldiva na Maldives United Opposition (MUO) [4], izay nahitana ny mpanohitra mpitarika niteny sy ny mpitarika avy any an-tsesitany sasany nanatevin- daharana tamin'ny alàlan'ny fitaovana fifandraisan-davitra.

Efa nanan-kery tamin'ny Novambra lasa teo ny fandraràna ny hetsi-panoherana an-dalambe tao an-drenivohitra Male izay nisian'ny famoretan'ny polisy tamin'ny hetsi-panoherana naharitra telo andro [5] nomanin'ny antoko mpanohitra antsoina hoe ny Antoko Demokratika Maldiviana. Nanomboka tamin'izay no nanakana ny hetsi-panoheran'ny mpanohitra maro ireo polisy ary nanenjika ireo mpanao gazety [6] [mg] sy ny fampahalalam-baovao nitatitra ny fihetsiketsehana.

Maka ny sora-baventy milaza ny famoriam-bahoaka ataon'ny mpanohitra ny polisin'i #Maldives [7]. Tokony alalahana ny sehatra. Teo amin'ny rindrina .

Tamin'ny 1 Jona 2016, nanomboka ny sehatra  MUO [11] ireo antoko mpanohitra Maldiviana maro sy ireo mpanao politika malaza, mitaky ny famerenana amin'ny laoniny ny asan'ny demokrasia ao amin'ny firenena anatin'ny Ranomasimbe Indianina. Ny Dr. Mohamed Jameel Ahmed [12], filoha lefitra teo aloha an'ny Maldiva izay monina any an-tsesitany ankehitriny any amin'ny Fanjakana Britanika no mitarika ny sehatra; i Ali Waheed no lefitra manampy azy, izay filohan'ny Antoko Demokratika  Maldiviana.

Ahitana mpitarika matanjaka ireo mpanolo-tsaina toa an'i Mohamed Nasheed, mpitarika voafidy tamin'ny fomba demokratika voalohany tao Maldiva izay nomena fialokalofana ara-politika any amin'ny Fanjakana Britanika ihany koa; ny Sheikh Imran Abdulla, mpitarika ny Antoko Adhaalath; sy ny Kolonely Mohamed Nazim, minisitry ny fiarovam-pirenena teo aloha amin'ny governemanta Maldiviana ankehitriny.

Nikasa ny hanao famoriam-bahoaka voalohany ny MOU tamin'ny 14 Jolay, kanefa voatery nahemotra [13] ny 21 Jolay izany noho ny faharatsian'ny andro. Nanome toky ny hanao ny hetsika izy ireo na dia teo aza ny fanafoanana [14] ny fahazoan-dàlana tamin'ny minitra farany nataon'ny minisiteran'ny fampialofana

Ho lazaina tsy ho ela ny daty satria nofoanana noho ny haratsian'ny andro ny famoriam-bahoaka MUO androany hariva .pic.twitter.com/AVRZHAZh1a [15]

Ny hanala ny filoha Abdulla Yameen Abdul Gayoom amin'ny alàlan'ny fomba ara-dalàna no paikan'ny MOU ary hitsara azy noho ny famotsiam-bola [17]. Mitady ny “fiarovana ny zon'ny olona 1700 eo an-dalam-pitsarana, fanadihadiana ary fisamborana” ihany koa ny sehatra .

Lasa  filoha ny Filoha Yameen, rahalahin'ny filoha teo aloha Maumoon Abdul Gayoom, tamin'ny 2013 rehefa resiny ny mpitarika ny Antoko Demokratika Maldiviana Nasheed tamin'ny fifidianana filoham-pirenena 2013.  Nitsikera ny vokatra ireo mpanao politika mpanohitra.

Niala ho filoha i Nasheed herintaona taloha tamin'ny 7 Febroary 2012 nandritra ny hetsi-panoherana manohitra ny governemantany. Maro an'isa ny  miaramila sy mpitandro filaminana tamin'ireo mpandray anjara. Nilaza ny zava-nitranga ho toy ny fanonganam-panjakana i Nasheed tatỳ aoriana ary nilaza fa voatery nametra-pialàna izy tamin'ny fanambanana basy azy, kanefa nampanontany tena ny fanazavany .

Tamin'ny Martsa 2015, voaheloka teo ambanin'ny lalàna Manohitra ny Asa Fampihorohoroana tao Maldiva i Nasheed ary voaheloka higadra 13 taona an-tranomaizina. Nataon'ny Amnesty International hoe ” fanodikodinana ny rariny [18] ” ilay fitsarana .

Niampanga ny governemantan'ny Filoha Yameen ny mpanohitra tamin'ny fanapenam-bava ny fampitam-baovao  sy ny fanamelohana ny tsy fitovian-kevitra ara- politika. Nandroaka ny filoha lefitr'i Yameen, [19] Mohamed Jameel Ahmed, ny parlemanta tamin'ny taon-dasa, izay voampanga ho mpamadika taorian'ny tsy fitovian-kevitra tao anatin'ny volana maromaro teo amin'ny roa tonta;  anisan'ny mpikambana ao amin'ny MOU i Jameel Ahmed ankehitriny.

Nanome soso-kevitra ny hanavao ny fitantanam-panjakana i Yameen izay mety hanome fandaminana ity fitondran-tena ity. Hoy ilay bilaogera mpila ravinahitra Maldiviana Azra Naseem tao amin'ny Dhivehi Sitee [20] momba ilay fanavaozana :

Under the plan for reform, Yameen is making criticism a crime, is removing all opposition through legal and other means, wants to establish a one party system, and will engineer the electoral system or the voting system in such a way that he will remain in power for a long time to come.

Manao ny tsikera ho heloka bevava, manaisotra ny endri-panoherana rehetra amin'ny alalan'ny lalàna sy ny fomba hafa, ary te-hametraka rafitra antoko tokana i Yameen ao anatin'ilay drafitra fanavaozana ary hanangana rafi-pifidianana na rafitra fandrotsaham-bato amin'ny fomba hitoerany eo amin'ny fahefana mandritra ny fotoana maro.

Raha natao ihany tamin'ny farany ny famoriam-bahoaka MOU, voatazona nandritra ny fotoana fohy [21] tamin'ny 16 Jolay ny mpikambana ao amin'ny Parlemanta Ahmed Mahloof, ilay mpitondratenin'ny MOU, sy mpikambana telo hafa rehefa nanentana ny famoriam-bahoaka tamin'ny 21 Jona. Nitatitra ny mpanao gazety Mohamed Junayd :

Mihazona ny tsiambaratelon'ny didim-pitsarana ho an'ny MP @AhmedMahloof [22] mikatom-baravarana noho ny antony fiarovam-pirenena ny Fitsarana Heloka Bevava ao #Maldives [7].

Tsy mamela ny fisamborana hanimba ny sainy i Mahloof ;

Afaka isika ary tonga ny fotoana ho an'ny Masburi Riha # 21Jolay [24] #MavesDhaanan [25] 🙂

Tsy noraharahian'ny zoro fampitam-baovaon'ny governemanta maro ilay famoriam-bahoaka, fa namoaka tamin'ny media sosialy kosa ireo antoko politika nandray anjara sy ireo  fikambanam-baovao tsy miankina ary ireo olom-pirenena :

Taorian'ny Fetin'ny Asa tamin'ny taon-dasa, nisy ny fandraisana anjara goavana tamin'ny fihetsiketsehana manohitra ny governemanta tao #Maldiva [7] raha nanao ny famoriam-bahoaka voalohany ny mpanohitra

Mitranga amin'izao fotoana izao famoriam-bahoaka faobe manohitra ny didy jadona sy ny tsy rariny ataon'ny governemanta . Nahavory olona 1000 .#Maldiva [7] @BBCWorld [33] @CNN [34] @ndtv [35] pic.twitter.com/AymD8X0I01 [36]

Nivory faobe tao Male ny ankamaroan'ny mpanohitra’, #Maldives [7] niantso hanangana governemanta tetezamita. pic.twitter.com/MXaxwpvBpt [38]

#InthiqaaleeMagahRaajje [40] Jalsa #LivePics [41] akaikin'i MDP Haruge Harahahdhu#MUO [32]pic.twitter.com/V4t4HgUXxG [42]

Nifarana tamin'ny vavaka ny famoriam-bahoaka voalohany nataon'ny Fiombonan'ny mpanohitra tao Maldiva pic.twitter.com/7TRs3rZbp0 [44]

MIVANTANA ao amin'ny #Periscope [46]: Miseho izao: famoriam-bahoakan'ny Mpanohitra ao MALDIVA #InthiqaaleeMagahRaajje [40] #MUO [32] Saabahey 💪🏾👏 https://t.co/rToGF66gm9 [47]

Nisy ihany koa ny sarin'ireo famoriam-bahoaka [49] navoaka tao amin'ny Facebook . Ho hita eo raha hisy vokany ara-politika tsy ho ela ao Maldiva ilay sehatra vaovao .