Manohy Ny Famoriam-bahoaka Ireo Mpanohitra Ao Maldiva Na Dia Teo Aza Ny Fanakanana Nataon'ny Governemanta

Maldives Police blocked May Day 2016 march organized by Maldivian civil society. Image from Flickr by Dying Regime. CC BY 2.0

Polisy Maldiva nanakana ny diabe nokarakarain'ny fiaraha-monina sivily Maldiviana tamin'ny andro Fetin'ny Asa. Sary avy amin'ny Dying Regime ao amin'ny Flickr . CC BY 2.0

Nanao famoriam-bahoaka voalohany tamin'ny 21 Jolay 2016 ny sehatra fanoherana vaovao vao natsangana tao Maldiva, ao an- drenivohitr'i Male, na dia teo aza ny fandavan'ny governemanta tamin'ny fanomezan-dàlana.

An'arivony no tonga tamin'ny fivorian'ny Firaisan'ny Mpanohitra ao Maldiva na Maldives United Opposition (MUO), izay nahitana ny mpanohitra mpitarika niteny sy ny mpitarika avy any an-tsesitany sasany nanatevin- daharana tamin'ny alàlan'ny fitaovana fifandraisan-davitra.

Efa nanan-kery tamin'ny Novambra lasa teo ny fandraràna ny hetsi-panoherana an-dalambe tao an-drenivohitra Male izay nisian'ny famoretan'ny polisy tamin'ny hetsi-panoherana naharitra telo andro nomanin'ny antoko mpanohitra antsoina hoe ny Antoko Demokratika Maldiviana. Nanomboka tamin'izay no nanakana ny hetsi-panoheran'ny mpanohitra maro ireo polisy ary nanenjika ireo mpanao gazety [mg] sy ny fampahalalam-baovao nitatitra ny fihetsiketsehana.

Maka ny sora-baventy milaza ny famoriam-bahoaka ataon'ny mpanohitra ny polisin'i #Maldives. Tokony alalahana ny sehatra. Teo amin'ny rindrina .

Tamin'ny 1 Jona 2016, nanomboka ny sehatra  MUO ireo antoko mpanohitra Maldiviana maro sy ireo mpanao politika malaza, mitaky ny famerenana amin'ny laoniny ny asan'ny demokrasia ao amin'ny firenena anatin'ny Ranomasimbe Indianina. Ny Dr. Mohamed Jameel Ahmed, filoha lefitra teo aloha an'ny Maldiva izay monina any an-tsesitany ankehitriny any amin'ny Fanjakana Britanika no mitarika ny sehatra; i Ali Waheed no lefitra manampy azy, izay filohan'ny Antoko Demokratika  Maldiviana.

Ahitana mpitarika matanjaka ireo mpanolo-tsaina toa an'i Mohamed Nasheed, mpitarika voafidy tamin'ny fomba demokratika voalohany tao Maldiva izay nomena fialokalofana ara-politika any amin'ny Fanjakana Britanika ihany koa; ny Sheikh Imran Abdulla, mpitarika ny Antoko Adhaalath; sy ny Kolonely Mohamed Nazim, minisitry ny fiarovam-pirenena teo aloha amin'ny governemanta Maldiviana ankehitriny.

Nikasa ny hanao famoriam-bahoaka voalohany ny MOU tamin'ny 14 Jolay, kanefa voatery nahemotra ny 21 Jolay izany noho ny faharatsian'ny andro. Nanome toky ny hanao ny hetsika izy ireo na dia teo aza ny fanafoanana ny fahazoan-dàlana tamin'ny minitra farany nataon'ny minisiteran'ny fampialofana

Ho lazaina tsy ho ela ny daty satria nofoanana noho ny haratsian'ny andro ny famoriam-bahoaka MUO androany hariva .pic.twitter.com/AVRZHAZh1a

Ny hanala ny filoha Abdulla Yameen Abdul Gayoom amin'ny alàlan'ny fomba ara-dalàna no paikan'ny MOU ary hitsara azy noho ny famotsiam-bola. Mitady ny “fiarovana ny zon'ny olona 1700 eo an-dalam-pitsarana, fanadihadiana ary fisamborana” ihany koa ny sehatra .

Lasa  filoha ny Filoha Yameen, rahalahin'ny filoha teo aloha Maumoon Abdul Gayoom, tamin'ny 2013 rehefa resiny ny mpitarika ny Antoko Demokratika Maldiviana Nasheed tamin'ny fifidianana filoham-pirenena 2013.  Nitsikera ny vokatra ireo mpanao politika mpanohitra.

Niala ho filoha i Nasheed herintaona taloha tamin'ny 7 Febroary 2012 nandritra ny hetsi-panoherana manohitra ny governemantany. Maro an'isa ny  miaramila sy mpitandro filaminana tamin'ireo mpandray anjara. Nilaza ny zava-nitranga ho toy ny fanonganam-panjakana i Nasheed tatỳ aoriana ary nilaza fa voatery nametra-pialàna izy tamin'ny fanambanana basy azy, kanefa nampanontany tena ny fanazavany .

Tamin'ny Martsa 2015, voaheloka teo ambanin'ny lalàna Manohitra ny Asa Fampihorohoroana tao Maldiva i Nasheed ary voaheloka higadra 13 taona an-tranomaizina. Nataon'ny Amnesty International hoe ” fanodikodinana ny rariny ” ilay fitsarana .

Niampanga ny governemantan'ny Filoha Yameen ny mpanohitra tamin'ny fanapenam-bava ny fampitam-baovao  sy ny fanamelohana ny tsy fitovian-kevitra ara- politika. Nandroaka ny filoha lefitr'i Yameen, Mohamed Jameel Ahmed, ny parlemanta tamin'ny taon-dasa, izay voampanga ho mpamadika taorian'ny tsy fitovian-kevitra tao anatin'ny volana maromaro teo amin'ny roa tonta;  anisan'ny mpikambana ao amin'ny MOU i Jameel Ahmed ankehitriny.

Nanome soso-kevitra ny hanavao ny fitantanam-panjakana i Yameen izay mety hanome fandaminana ity fitondran-tena ity. Hoy ilay bilaogera mpila ravinahitra Maldiviana Azra Naseem tao amin'ny Dhivehi Sitee momba ilay fanavaozana :

Under the plan for reform, Yameen is making criticism a crime, is removing all opposition through legal and other means, wants to establish a one party system, and will engineer the electoral system or the voting system in such a way that he will remain in power for a long time to come.

Manao ny tsikera ho heloka bevava, manaisotra ny endri-panoherana rehetra amin'ny alalan'ny lalàna sy ny fomba hafa, ary te-hametraka rafitra antoko tokana i Yameen ao anatin'ilay drafitra fanavaozana ary hanangana rafi-pifidianana na rafitra fandrotsaham-bato amin'ny fomba hitoerany eo amin'ny fahefana mandritra ny fotoana maro.

Raha natao ihany tamin'ny farany ny famoriam-bahoaka MOU, voatazona nandritra ny fotoana fohy tamin'ny 16 Jolay ny mpikambana ao amin'ny Parlemanta Ahmed Mahloof, ilay mpitondratenin'ny MOU, sy mpikambana telo hafa rehefa nanentana ny famoriam-bahoaka tamin'ny 21 Jona. Nitatitra ny mpanao gazety Mohamed Junayd :

Mihazona ny tsiambaratelon'ny didim-pitsarana ho an'ny MP @AhmedMahloof mikatom-baravarana noho ny antony fiarovam-pirenena ny Fitsarana Heloka Bevava ao #Maldives.

Tsy mamela ny fisamborana hanimba ny sainy i Mahloof ;

Afaka isika ary tonga ny fotoana ho an'ny Masburi Riha # 21Jolay #MavesDhaanan 🙂

Tsy noraharahian'ny zoro fampitam-baovaon'ny governemanta maro ilay famoriam-bahoaka, fa namoaka tamin'ny media sosialy kosa ireo antoko politika nandray anjara sy ireo  fikambanam-baovao tsy miankina ary ireo olom-pirenena :

Taorian'ny Fetin'ny Asa tamin'ny taon-dasa, nisy ny fandraisana anjara goavana tamin'ny fihetsiketsehana manohitra ny governemanta tao #Maldiva raha nanao ny famoriam-bahoaka voalohany ny mpanohitra

Mitranga amin'izao fotoana izao famoriam-bahoaka faobe manohitra ny didy jadona sy ny tsy rariny ataon'ny governemanta . Nahavory olona 1000 .#Maldiva @BBCWorld @CNN @ndtv pic.twitter.com/AymD8X0I01

Nivory faobe tao Male ny ankamaroan'ny mpanohitra’, #Maldives niantso hanangana governemanta tetezamita. pic.twitter.com/MXaxwpvBpt

#InthiqaaleeMagahRaajje Jalsa #LivePics akaikin'i MDP Haruge Harahahdhu#MUOpic.twitter.com/V4t4HgUXxG

Nifarana tamin'ny vavaka ny famoriam-bahoaka voalohany nataon'ny Fiombonan'ny mpanohitra tao Maldiva pic.twitter.com/7TRs3rZbp0

MIVANTANA ao amin'ny #Periscope: Miseho izao: famoriam-bahoakan'ny Mpanohitra ao MALDIVA #InthiqaaleeMagahRaajje #MUO Saabahey 💪🏾👏 https://t.co/rToGF66gm9

Nisy ihany koa ny sarin'ireo famoriam-bahoaka navoaka tao amin'ny Facebook . Ho hita eo raha hisy vokany ara-politika tsy ho ela ao Maldiva ilay sehatra vaovao .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.