- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitokona Manerana ny Firenena Ireo Mpamily Kamiao ao Kolombia

Sokajy: Amerika Latina, Kolombia, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna
Paro de camioneros en Colombia. Foto de Pixabay.

Fitokonan'ny Mpanamory kamiao ao Kolombia. Sary avy amin'ny Pixabay / Azon'ny rehetra ampiasaina

Nitokona nanomboka tamin'ny voalohan'ny herinandron'ny volana Jiona 2016 ny sendikàn'ny mpitondra kamiao sy ny mpitatitra entana ao Kolombia, niteraka vesatra goavana ho an'ny toekarem-pirenena izany. Milaza ny tombatomban'ny kaonservativa fa nitondra fahavoazana teo amin'ny 1,3 miliara [1] pesos Kolombiana (eo amin'ny 444 tapitrisa dolara Amerikana*) ny fiatoana asa . Manaraka ny fitokonana mitovy aminy izay nataon'ny mpitondra kamiao dimy taona lasa, tamin'ny taona 2011 [2] izany rehetra izany.

Vokatry ny olana maromaro tsy voavaha [3].ny fitokonana. Mitaky amin'ny governemanta mba handray ireto dingana manaraka ireto ny sendikà:

Na dia efa nisy aza ny fifampiraharahana teo amin'ny mpitantana ny orinasa sy ny solontenam-panjakana, mbola tsy maintsy mitady vahaolana ifanekena izy ireo. [4]Mandritra izany, miatrika tsy fahampian'ny [5]vokatra fototra ireo tanàna tahaka an'i Medellin. Tapaka antenantenany hatrany ny fifampiraharahana. Tamin'ny 13 Jolay, nanomboka ny ezaka farany nataon-dry zareo hamerenana indray ny fifampiresahan'ny manampahefana sy ny solontenan'ny sendikà.

Nomena baiko hiambina ireo orinasan'ny fitaterana tsy mandray anjara amin'ny fitokonana ny tafika Kolombiana :

.@COL_EJERCITO [6] [Tafika Kolombiana] nanaraka ny valalamanjohy manavatsava an'i La Union-El Carmen [tanàna Kolombiana]. Fitokonan'ny Mpanamory kamiao pic.twitter.com/SxncDIvdv8 [8]

Mandritra izany, mitaraina noho ny herisetran'ny polisy ireo mpitondra kamiao.

#ParoCamionero [7] ESMAD [the Colombian National Police] is attacking them in various regions. If the persecution doesn’t stop, they won’t be open to a discussion @MinTransporteCo [10] pic.twitter.com/vR1H0rKgfa [11]

Loharanom-pifandirana, mitarika fifanojoan'ny fitohanana sy ny fihetsiketsehana ny sakàn-dalana manerana ny firenena.

Tao Bogota tamin'ny 4:40 hariva #ParoCamionero [7] [Fitokonan'ny Mpitondra Kamiao], MITOMBO NY FITOKONANA. @atccomunicacion [13] @JorgeERojasG [14] @ACCnoti [15] pic.twitter.com/vlp8rpgAJG [16]

Nisy ihany koa ny tatitra fa nihantsy ireo hafa tsy nandray anjara tamin'ny fitokonanana ny mpanao fihetsiketsehana sasany.

#LoMásVistoDeLaSemana [18] [NyTenaBeMpijeryTamin'ityHerinandroIty] Hetsika fandrobàna nandritra ny Fitokonan'ny Mpanamory kamiao pic.twitter.com/mJMjOg7NGQ [19]

Satria mitombo ny fahasarotan'ny toe-draharaha, voatery nanary ireo entana efa lany andro ny mpitondra fiara, noho ny tsy fahafahana mamita ny fanaterana entana.

Tao La Ceja, narian'izy ireo ny sakafo tsy afaka taterina an-tsambo noho ny fitokonana. Sary mampisafoaka pic.twitter.com/w62Iqx2KPR [23]

Ao anatin'ny toe-java-sarotra, naneho [25]ny andraikitra bitika toa raisin'ny manampahefam-panjakana ilay mpisera Twitter Juan David Escobar :

Ao amin'ny firenena mifanohitra tsy misy firaisam-pirenena, manimba ireo mpanao politika ny 35 andron'ny Fitokonan'ny Mpitondra Kamiao. Saingy mangina kosa ireo manampahefam-panjakana mpanao kolikoly eto.

Mba hanaovana dokambarotra ho an'ny fanentanana, nampiasa ny tenirohy #ParoCamioneroSiExiste [27] (Misy ny Fitokonan'ny Mpitondra Kamiao) ireo mpisera Twitter:

Androany tamin'ny 8:30 hariva., Tena misy ny Fitokonan'ny Mpamily Kamiao pic.twitter.com/BsLFpLvkqz [33]

Nanararaotra naneho ny hevitr'izy ireo mikasika ny zava-misy ihany koa ny mpiserasera:

Misy ny fitokonan'ny Mpitondra Kamiao. Manatevin-daharana ny herintaonan'ny fitokonana sy ny fifanandrinana amin'ny rafitra sy ny politika mpanafay ireo mpitondra kamiao. Ho ela velona ny fitokonan'ny mpitondra kamiao

Tsy nivarotra orinasam-pirenena hampiasana vola amin'ny fotodrafitrasan'ny lalana ve izy ireo? Nahoana no hampitomboana avy eo ny haban-dalana sy ny hetra? Misy ny Fitokonan'ny Mpanamory Kamiao

Manomboka matahotra ny maro, na izany aza, satria mety ahodin'ny hafa ny hetsi-panoherana.

Tsy avy amin'ny [senatera Alvaro] Uribe na ny Foibe Demokratika ny Fitokonan'ny Mpitondra Kamiao, niezaka nampiseho izy ireo fa azy ny fitokonana ary mangalatra ny hetsika amin'ny fisehosehoana ry zareo

Tena misy ny Fitokonan'ny Mpitondra Kamiao pic.twitter.com/XfZ9jIpYWU [39]

@JuanManSantos [41] Satria laharam-pahamehanao ny Hery Tafika Revolisionera misahana ny Rongony-Fampihorohoroana Ho fitandroana Filaminana Amerikana Atsimo ao Kolombia. ITY HAFATRA HO ANAO… Misy ny Fitokonan'ny Mpitondra Kamiao. Isika, no mendrika tsara kokoa.  pic.twitter.com/U3Y2VYwHla [44]

Ao amin'ny sary: “Nanakalo Ford Mod 60 tamin'ny basy aho amin'izay hanome antoka tsara kokoa ho ahy Atoa FARC Santos [Filoha Kolombiana Juan Manuel Santos].

Midika izany teny ao amin'ny Fitokonan'ny Mpitondra Kamiao izany fa ny filoha teo aloha, izay efa senatera amin'izao fotoana izao dia manana tantara maloto tamin'ny resaka kolikoly.

Noho ny tsy fisian'ny fifanarahana sy ny mety hihamafisan'ny fihetsiketsehana, nanome baiko handefasana miaramila [48] eny amin'ny lalana rehetra ny fanjakana. Mihahenjana ny toe-draharaha ankehitriny, miaraka amin'ny fitokonana hafa ao amin'ny orinasan'ny fitrandrahana labiera izay vao mainka hampitombo ny fihenjanana amin'izao fotoana izao.

* 1 USD = 2,927.28 Peso Kolombiana (tsenam-pifanakalozana tamin'ny 21 jolay 2016)