- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nanapa-kevitra Manokana  Ny Hanohitra Ny Fanavakavahana Ara-poko Ny Tompon'ny Fandraharahana Iray Ao Singapaoro

Sokajy: Azia Atsinanana, Singapaoro, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna
Take the pledge. 'Regardless of Race' campaign. Photo from 99.co [1]

Raiso ny antoka. Fanentanana ‘Tsy mijery foko’ . Sary: 99.co

Nanao fanentanana manohitra ny “fanavakavahana ara-poko amin'ny fanofana trano” ny mpandraharaha iray ao amin'ny aterineto ao Singapaoro rehefa nolavin'ny tompon-trano sasany izy satria Indiana ny vadiny.

Nanoratra [2] i Darius Cheung, mpanorina ny tranonkala mandahatra filazana fananan-trano  99.co, tamin'ny fomba nikarohany trano nahatonga azy hahatsapa ny fihanaky ny fanavakavahana ao Singapaoro. Mitantara ny fomba tsy niraharahian'ireo mpanera sy ireo tompon-trano sasany nifandray taminy izy rehefa nandre ireo fa avy any India ny vadiny izay bevohoka .

Nanambady an'ilay Indiana-Singaporeana Roshni Mahtani, mpandraharaha iray izay nanorina ny tranonkala fitaizana theAsianparent [3], izy,  .

Gaga  i Darius tamin'ny voalohany raha tsy namaly ny fangatahany ny mpanera sasany . Nanome valinteny tsy mazava tsara ny mpanera iray hoe: ” Tsy mifanandrify amin'ny olona tadiavina”. Nahazo valinteny toy izao izy rehefa avy nangata-panazavana tamin'ilay mpanera :

Sorry your wife is Indian, landlord won’t rent to you. Next time please indicate earlier, so we both don’t waste time.

Miala tsiny fa Indiana ny vadinao, tsy mampanofa ho anareo ny tompon-trano.  Milazà mialoha amin'ny manaraka azafady, mba tsy ho samy lany fotoana isika.

Nanamafy ny zava-nitranga tamin'ny fisian'ny fanavakavahana ao Singapaoro i Darius  :

I understand the idea of discrimination intellectually and recognise that it exists, but it was not until this moment that I caught a glimpse of what it actually means to be discriminated against.

Azoko tsara ilay hevitra fanavakavahana ara-tsaina ary manaiky aho fa misy izany, fa tsy vao izao aho no nahafantatra ny hevitry ny tena dikan'ny hoe iharan'ny fanavakavahana.

Manana mponina teratany samihafa i Singapaoro ary mirehareha amin'ny fananana governemanta izay mampiroborobo ny firindrana ara-poko. Na izany aza,  nihamafy ny fihenjanana ara-poko [4] tato anatin'ny taona vitsy, izay nomen'ny vondrona ultranationalist sasany tsiny tamin'ny fahatongavan'ny [5] ny mpiasa vahiny.

Miahiahy momba ny hoavin'ny zanany i Darius  ary nivoady hiady amin'ny fanavakavahana ara-poko . Namoaka fomba fiasa vaovao ny orinasany [6] ao amin'ny tranonkala antsoina hoe “Tonga soa ny firazanana rehetra “, izay manome ireo mpanera sy ny tompon-trano fandrisihana raha maneho fa misokatra ho an'ny rehetra ny filazana fanofana “na inona na inona firazanana” :

Agents and landlords can now positively indicate that their rental listings can be listed to be open for all, regardless of their ethnicity, background or nationality. These listings will then be prominently featured on the 99.co homepage to prospective renters. The idea is to give renters peace of mind during their home search journey – reducing instances of rude comments and unpleasant experiences while enquiring about listings.

Afaka maneho tsara ireo mpanera sy ny tompon-trano fa misokatra ho an'ny rehetra ny filazana fanofana, na inona na inona foko, fiaviana na firenena, hita misongadina ao amin'ny pejy fandraisana  99.co ireo lisitra ho an'ireo izay te hanofa . Ny hanome ireo mpanofa filaminan-tsaina mandritra ny andro hikarohany trano no tanjona – mampihena ohatra ny fanehoan-kevitra tsy mahalala fomba sy ny fanorisorenana rehefa manontany momba ilay filazana izany.

Manantena  i Darius fa hanome aingam-panahy bebe kokoa ho an'ireo olona mba haka antoka [1] manohitra ny fanavakavaham-bolonkoditra ny fanentanana nataony.

Nampahatsiahy ny tompon'ny fananana ihany koa izy fa “tsy mahavelona ara-toekarena” ny fanaovana fanavakavahana ara-poko :

Our hope is that as more and more agents put up ‘All-races-welcome’ listings, it will build momentum to create a more inclusive rental market and landlords will start to realise that it is not just socially unacceptable to discriminate, but also economically unviable.

Ny fanantenanay dia ny mba hisian'ny mpanera bebe kokoa hametraka ireo filazana ‘Tonga soa ny firazanana rehetra’ , hanome vahana ireo mampandray anjara mavitrika kokoa ny amin'ny tsenan'ny fampanofana  izany ary  hanomboka hahatsapa ireo tompon-trano fa tsy ara-tsosialy fotsiny ihany no tsy azo ekena ny fanavakavahana fa tsy mahaveloona ara-toekarena ihany koa izany.

Nandray ny dingana voalohany nataon'ny orinasan'i Darius ny mpanoratra, mpikatroka sady mpiara-miasa  ato amin'ny Global Voices [7] Kirsten Han . Nampahatsiahiviny ihany koa ireo mpandray fanapahan-kevitra ara-politika fa ilaina ny lalàna miady amin'ny fanavakavahana amin'ny ankapobeny:

“Tena” mila lalàna feno manohitra ny fanavakavahana izahay, kanefa ny fankatoavana avy amin'ny tranonkala fanofana no hanombohana izany.