- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Atleta Rosiana Voamarika ho “Mpamadika” Noho Ny Fandraisany Anjara Amin'ny Lalao Olaimpika Any Rio

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fanatanjahantena, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Akon'ny RuNet, Lalao Olaimpika
Darya Klishina. Photo: Jens-Olaf Walter / Flickr / CC 2.0 [1]

Darya Klishina. Sary: Jens-Olaf Walter/Flickr/CC 2.0     Darya Klishina. Photo: Jens-Olaf Walter / Flickr / CC 2.0

Ifarimbonan'ny mpisera aterineto any Rosia gidragidraina ilay mpanao vikindava Darya Klishina noho ny fanekeny handray anjara eo ambany faneva tsy miandany amin'ny lalao olaimpika fahavaratra any Rio. Betsaka ny ao amin'ny RuNet no nihevitra ny fanapahan-kevitry ny atleta ho tsy misy fitiavan-tanindrazana.

Nanambara ny Federasiona Iraisampirenen'ny Atletisma (IAAF) tamin'ny alahady (heriny) fa saika notsipahiny avokoa ny fangatahan'ny atleta Rosiana handray anjara amin'ny lalao olaimpika any Rio, izany no fizaran-tantara farany amin'ireo andiam-panafintohinana lava dia lava manodidina ny fandraisana fanafody mampatanjaka ao amin'ny fanatanjahatena rosiana. Misy iray amin'izy ireo anefa navahana : Darya Klishina, izay monina sy manazatra teny any Etazonia ary tokony ho afaka mandray anjara any Rio eo ambany faneva tsy misy lokom-pirenena, dia ny saina olaimpika.

Niteraka adihevitra mafana tao amin'ny aterineto rosiana sy tamin'ny fampitam-baovao miompana amin'ny fanontaniana hoe “mamadika” sa tsia ny fireneny nahaterahany ve i Klishina izay fanambarana izany. Ny tena niteraka tsikera indrindra dia ny fisaoran'i [2] Klishina ny Federasionan'ny Atletisma  Iraisampirenena (izay nitsipaka ireo atleta rosiana hafa rehetra) tao amin'ny sata Facebook iray ny fandraisany anjara amin'ny Olaimpika.

Haingana ny nanatsongan'ny [3] famoahana iray Pro-Kremlin Life (Life News teo aloha) ireo fanehoan-kevitra tao amin'ny lahatsoratr'i Klishina. Na dia maro kokoa amin'ireo fanehoan-kevitra aza no mirona kokoa ho amin'ny fanohanana, nifidy ny hanasongadina ireo mitsikera indrindra ilay atleta kosa ny Life, izay misy mpisera iray manontany hoe nahoana no olona iray miaina any Etazonia “mihevitra ny tenany ho atleta rosiana.”

Nivoaka haingana tamin'ny fahenoan-kevitra Facebook, anefa, ny adihevitra. Misy sary irao ao amin'ny Twitter nozarain'ny mpanao gazety iray tia fanaitairana avy ao amin'ny Komsomolskaya Pravda nampitaha an'i Klishina tamin'ireo miaramila rosiana niady ho an'i Alemaina nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, niely haingana ary efa nisy nampita nihoatra ny in-600 tamin'ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra amin'ny teny anglisy.

“Ry miaramila rosiana! any amin'ny figadrana alemana no ahitanareo sakafo mafana, fialantsasatra ary fikarakarana ara-pahasalamana”

Ao anaty sangisangin-taratasy propagandy nalatsaky ny Alemana tany amin'ny vava ady sovietika nandritra ny ady lehibe faharoa, no ahitana fiangaviana ny atleta rosiana “hanara-dia an'i Darya Klishina, mpiray tanindrazana aminareo” sy “hihemotra amin'ny sainam-pirenena rosiana mahamenatra.” Mba hampazava bebe kokoa ny raharaha dia nampian'i Dmitri Smirnov, ilay mpanao gazety hoe: “Ry miaramila rosiana! Sakafo mafana, fialantsasatra ary fikarakarana ara-pahasalamana no miandry anao any am-ponja alemana!” (Jereo etsy ambony.)

Nitsikera ny fanapahan-kevitr'i Klishina ihany koa i Eduard Limonov, mpanoratra nasionalista hiringiriny sady politisiana nanohitra an'i Vladimir Putin fa efa manohana azy kosa ankehitriny, ao amin'ny Twitter, milaza fa tokony nolaviny ny fandraisany anjara amin'ny Lalaon'i Rio.

Tokony nolavin'i Klishina ny fandraisana anjara amin'ny Olampika ho firaisankina amin'ny Atleta [Rosiana] izay notsipahina. Henatra ho azy raha tsy nanao izany izy!

Tamin'ny antsafa [7] iray tao amin'ny tranonkala ofisialin'ny Federasionan'ny Atletisma Rosiana, no niarovan'i Klishina tena, tamin'ny filazany fa efa nizatra tena tao Etazonia telo taona izy izao. “Tsy mety, araka ny fiheverako, ny manopa ahy sy ny miantso ahy ho mpamadika,” hoy izy.

Tsy miiba avokoa tsy akory ny setriny: nilaza i Tatyana Lebedeva, atleta teo aloha sady mipetraka ao amin'ny Vaomieran'ny Federasionan'ny atletisma fa manonana tanteraka ny fanapahan-kevitr'i Klishina, araka ny famoaham-baovao rosiana Sport Express [8]. “Raha mandray anjara eo ambany faneva tsy miloko izy dia manana ny zo hanao izany,” hoy i Lebedeva, ary nampiany hoe “fantatsika rehetra fa Rosiana i Dasha.” tamin'ny  fitsapan-kevitra tsy mahasolotena iray [9], navoakan'ny famoaham-baovao rosiana Gazeta.ru sy novalian'olona mihoatra ny 8000, 66% tamin'ny namaly no nilaza fa “tsy mpamadika” i Darya Klishina.”

Efa mpiverimberina ao Rosia ny fifandresen-dahatra momba ny lazaina ho tsy fahampiam-pitiavan-tanindrazana eo amin'ny atleta na olo-malaza rosiana, indrindra taorian'ny nanjanahana an'i Krimea sy ny ady tao Okraina Atsinanana izay nanomboka tamin'ny taona 2014.

Niteraka fanangonan-tsonia [10] handravana ny ekipa ny faharesen'ny ekipam-pirenena amin'ny baolina fandaka nandritra ny fiadiana ny Euro 2016, roa taona mialoha ny Mondialy izay hotontosaina ao Rosia. Niantsafa [11] tamin'ny mpanangana ny fanangona-tsonia (izay efa nahangona sonia mihoatra ny 800.000) ny Gazeta.ru, tao no nandrenesana fa tokony horavana ny ekipa satria nampiseho “tsy fahampiana fitiavan-tanindrazana” ny mpilalao.

Ohatra iray vao haingana ihany koa ny tantaran'ireo mozisiana rosiana izay nandray anjara tamin'ny fetiben'ny mozika tany Letonia. Niteraka tadion-tserasera ny fandraisan'izy ireo anjara rehefa niampanga azy ireo ho “mpamadika i Ilya Reznik, Sovietika 78 taona sady poeta Rosiana. “Io tsy fananana fotokevitra sy fitiavan-kahazo vola io no mitarika ireny “famadihana madinidinika” ireny”, hoy i Reznik tamin'ny seha-baovao Life [12]. Tao amin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny Komsomolskaya Pravda no nanavazavany ny heviny [13]:

Латвия сейчас – это НАТО и базы. Там живут наши русские неграждане. Их не могут сделать гражданами. Они [власти] сносят российские памятники. И я считаю, что это [поездка на фестиваль в Юрмалу] просто беспринципно.

Efa misy tobi-tafiky ny OTAN ao Letonia amin'izao fotoana izao. Ao no iainan'ny tsi-olompirenena Rosiana, tsy afaka ny ho olom-pirenena izy ireo. Nesorin-dry zareo ireo mari-pahatsiarovana Rosiana. Ary noho izany dia izao no eritreritro hoe midika tsy fananana fotokevitra [ny mandeha any amin'ny fetibe Yurmala].

Ny fanatanjahatena rosiana [irery] ihany anefa no ahitana ny fifanenjanana. Nanambara [14] ny mpitondratenin'i Kremlin, Dmitry Peskov, fa tsy hanao ankivy ny lalao olaimpika i Rosia, saingy nampirisihany koa ny atleta “hampiasa ny fitaovana ara-dalàna rehetra eo am-pelatanany” hiadiana amin'ilay didy fandrarana.

Kasaina hanomboka amin'ny 5 aogositra 2016 ao Rio de Janeiro, Brezila ny lalao olaimpika andro mafana 2016.