- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fantaro Ireo Vehivavy Amerikana Latina Roa Mifaninana Ho Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana.

Sokajy: Amerika Latina, Arzantina, Costa Rica, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta
De UNclimatechange from Bonn, Germany - flickr: DSC_1485, CC BY 2.0, https://commons.wikimedia.org/w/index.php?curid=17651754

Christiana Figueres nandritra ny Fihaonambe momba ny Fiovaovan'ny Toetr'andro tao Bonn, Alemaina tamin'ny taona 2013. Sary nalaina tao amin'ny Wikimedia Commons [1] (CC BY 2.0).

Anankiroa ankehitriny ireo vehivavy Amerikana Latina mifaninana hofidiana ho sekretera jeneralin'ny Firenena Mikambana.

Notendren'ny governemanta tao amin'ny fireneny, Costa Rica, tamin'ny voalohandohan'ny volana Jolay i Christiana Figueres [2]. Notendrena tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny volana Mey kosa ilay Arzantiniana Susana Malcorra [3]

Amin'izao fotoana izao, 11 ireo mpifaninana te handimby ilay Koreana Ban Ki-moon [4], sekretera jeneralin'ny Firenena Mikambana ankehitriny, izay hifarana amin'ny 1 Janoary 2017 ny fe-potoam-piasany.

Mbola tsy nanana sekretera jeneraly vehivavy nandritra ny 70-taonan'ny tantarany ny Firenena Mikambana, ary milaza ny sasany fa fotoana tokony hitondran'ny vehivavv indray izao [5]. Tsy i Figueres sy Malcorra ihany no vehivavy voatendry [6]. Eo am-pandinihana kosa ny fanendrena ilay mpanao politika Kroaty Vesna Pusic, ny Tale Jeneralin'ny UNESCO Irina Bokova ao Bolgaria, ny Chanceliere teo aloha tao Moldavia Natalia Gherman, ary ny Praiminisitra teo aloha tao New Zealand sady mpitantana ny Fandaharan'asam-pandrosoan'ny Firenena Mikambana ankehitriny, Helen Clark.

‘Raha tsy misy fijerena ny lafiny tsara…tsy afaka hanomboka handroso isika’

Ilay Kosta Rikàna mpahay toekarena sady mpandalina Christiana Figueres [2] kosa dia zanakavavin'i José Figueres Ferrer [7], izay efa filohan'i Kosta Rikà in-telo.

Amin'izao fotoana izao, sekretera mpanatanteraka ao amin'ny Fivoriambe momba ny Fiovaovan'ny Toetrandro ao amin'ny Firenena Mikambana [8] (UNFCCC) i Figueres ary nandray anjara tamin'ny resaka tamin'izany fivoriambe izany ary ny Arifenitr'i Kyoto [9]. Nampitandrina [10] momba ny fiovaovan'ny toetr'andro i Figueres tamin'ny taona 2015:

[…] que la lucha contra el cambio climático es un proceso y que la necesaria transformación de la economía mundial no se decidirá en una conferencia o en un acuerdo, [sino que es] “probablemente la tarea más difícil a la nos hemos encomendado, que es transformar intencionalmente el modelo de desarrollo económico por primera vez en la historia humana”.

[…] Dingana ny ady amin'ny fiovaovan'ny toetrandro ary tsy ny fivoriana na fifanarahana iraisampirenena no hanapahana ny fanovana tsy maintsy atao amin'ny toekarena manerantany, [fa] izany angamba no asa mafy indrindra iantsorohantsika, dia ny hanova an-tsitrapo ny modely fampandrosoana ara-toekarena, izay sambany eo amin'ny tantaran'ny olombelona.

Nanontaniana izy raha mihevitra fa manohana ny fanendrena azy i Amerika Latina, hoy izy namaly: [11]

[…] las candidaturas a la secretaría general de la ONU “no deben ser entendidas como candidaturas subregionales o regionales. Deben entenderse como candidaturas globales”.

[…] Ny fanendrena ho Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana dia “tsy tokony ho raisina toy ny fanendrena zana-paritra na isam-paritra. Fa tokony ho raisina toy ny fanendrena manerantany.”

Tamin'ny andro nanendrena azy, nilaza i Figueres tamin'ny lahateniny fa manana asa goavana [12] amin'ny “fanomezana fanantenana indray ho an'izao tontolo izao” izy. Nomarihiny fa ny laharam-pahamehana aminy dia ny hahatongavana amin'ny vahaolana milamina sy hanamafisana orina ny fandraisana andraikitry ny fikambanana mandritra ny krizy – izany rehetra izany dia atao ao anatin'ny fijerena miabo tompon'andraikitra sy manam-paharetana:

Sin optimismo, sin la firme convicción de que nosotros los humanos sí somos capaces de solventar los problemas, no podemos ni empezar a avanzar.

Raha tsy misy ny fijery miabo, raha tsy misy ny faharesen-dahatra lehibe fa mahavita mamaha olana isika olombelona, dia tsy ho afaka ny handroso mihitsy isika.

Nanohana ny fanendrena azy ny mpisera sasany tao amin'ny Twitter:

Manantena tanteraka aho fa ho lasa Sekreteran'ny Firenena Mikambana i Christiana Figuere. Efa nahavita asa goavana tao amin'ny UNFCCC izy

Mientanentana fa anisan'ny hofidiana ho Sekretera Jeneraly manaraka i @CFigueres [13]. Zava-bita tsy mampino ny fifanarahan'i Paris.

De Elza Fiuza/Agência Brasil - http://agenciabrasil.ebc.com.br/geral/foto/2015-12/entrevista-do-presidente-eleito-da-argentina-mauricio-macri, CC BY 3.0 br, https://commons.wikimedia.org/w/index.php?curid=45440652

Susana Malcorra. Sary nalain'i Elza Fiuza – [19] Agencia Brasil [20] (CC BY 3.0).

Fanendrena mampiadihevitra an'i ‘Dr No’

Injenieran'ny herinaratra ilay kandidà Amerikana Latina hafa, Susana Malcorra [21], ary efa tale mpanatanteraky ny Fandaharan'asa Ara-tsakafo Manerantany. Teo anelanelan'ny taona 2008 sy 2012, efa sekretera jeneraly lefitra tao amin'ny Firenena Mikambana ao amin'ny sehatra Fanohanana  izy.

Na izany aza, tsy nilaozan'ny adihevitra ny fanendrena azy.

Tamin'izy mbola sekretera jeneraly lefitra, nandray anjara tamin'ny fanafenana ny tatitra momba ny fanararaotana ara-nofo [22] nataon'ny Tafika misatro-manga mpitandro ny filaminan'ny Firenena Mikambana tamin'ny zaza tsy ampy taona nandritra ny iraka tao Afrika izy. Nandritra ny fe-potoam-piasany izany no nitranga ary nantsoin'i Ban Ki-moon tenany mihitsy izy hoe “Doctor No [23]” noho ny valin-teniny mitsipaka hatrany.

Nanamafy indray [24] ny minisitry ny raharaham-bahiny ao Arzantina, Malcorra vao tsy ela fa handray vondrona mpitsoa-ponenana Syriana ny governemanta, ary nilaza izy fa azo ekena ihany koa ny vondrona hafa ahitana olona nafindra toerana avy ao Amerika Afovoany:

Ao Arzantina, vonona handray mpitsoa-ponenana izahay ao anatin'ny hevitra fa tsy maintsy mahita vahaolana ny firenena tsirairay.

Ho ambara amin'ny faramparan'ny volana Novambra izay ho mpandimby an'i Ban Ki-moon.