Fantaro Ireo Vehivavy Amerikana Latina Roa Mifaninana Ho Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana.

Christiana Figueres nandritra ny Fihaonambe momba ny Fiovaovan'ny Toetr'andro tao Bonn, Alemaina tamin'ny taona 2013. Sary nalaina tao amin'ny Wikimedia Commons (CC BY 2.0).
Anankiroa ankehitriny ireo vehivavy Amerikana Latina mifaninana hofidiana ho sekretera jeneralin'ny Firenena Mikambana.
Notendren'ny governemanta tao amin'ny fireneny, Costa Rica, tamin'ny voalohandohan'ny volana Jolay i Christiana Figueres. Notendrena tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny volana Mey kosa ilay Arzantiniana Susana Malcorra
Amin'izao fotoana izao, 11 ireo mpifaninana te handimby ilay Koreana Ban Ki-moon, sekretera jeneralin'ny Firenena Mikambana ankehitriny, izay hifarana amin'ny 1 Janoary 2017 ny fe-potoam-piasany.
Mbola tsy nanana sekretera jeneraly vehivavy nandritra ny 70-taonan'ny tantarany ny Firenena Mikambana, ary milaza ny sasany fa fotoana tokony hitondran'ny vehivavv indray izao. Tsy i Figueres sy Malcorra ihany no vehivavy voatendry. Eo am-pandinihana kosa ny fanendrena ilay mpanao politika Kroaty Vesna Pusic, ny Tale Jeneralin'ny UNESCO Irina Bokova ao Bolgaria, ny Chanceliere teo aloha tao Moldavia Natalia Gherman, ary ny Praiminisitra teo aloha tao New Zealand sady mpitantana ny Fandaharan'asam-pandrosoan'ny Firenena Mikambana ankehitriny, Helen Clark.
‘Raha tsy misy fijerena ny lafiny tsara…tsy afaka hanomboka handroso isika’
Ilay Kosta Rikàna mpahay toekarena sady mpandalina Christiana Figueres kosa dia zanakavavin'i José Figueres Ferrer, izay efa filohan'i Kosta Rikà in-telo.
Amin'izao fotoana izao, sekretera mpanatanteraka ao amin'ny Fivoriambe momba ny Fiovaovan'ny Toetrandro ao amin'ny Firenena Mikambana (UNFCCC) i Figueres ary nandray anjara tamin'ny resaka tamin'izany fivoriambe izany ary ny Arifenitr'i Kyoto. Nampitandrina momba ny fiovaovan'ny toetr'andro i Figueres tamin'ny taona 2015:
[…] que la lucha contra el cambio climático es un proceso y que la necesaria transformación de la economía mundial no se decidirá en una conferencia o en un acuerdo, [sino que es] “probablemente la tarea más difícil a la nos hemos encomendado, que es transformar intencionalmente el modelo de desarrollo económico por primera vez en la historia humana”.
[…] Dingana ny ady amin'ny fiovaovan'ny toetrandro ary tsy ny fivoriana na fifanarahana iraisampirenena no hanapahana ny fanovana tsy maintsy atao amin'ny toekarena manerantany, [fa] izany angamba no asa mafy indrindra iantsorohantsika, dia ny hanova an-tsitrapo ny modely fampandrosoana ara-toekarena, izay sambany eo amin'ny tantaran'ny olombelona.
Nanontaniana izy raha mihevitra fa manohana ny fanendrena azy i Amerika Latina, hoy izy namaly:
[…] las candidaturas a la secretaría general de la ONU “no deben ser entendidas como candidaturas subregionales o regionales. Deben entenderse como candidaturas globales”.
[…] Ny fanendrena ho Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana dia “tsy tokony ho raisina toy ny fanendrena zana-paritra na isam-paritra. Fa tokony ho raisina toy ny fanendrena manerantany.”
Tamin'ny andro nanendrena azy, nilaza i Figueres tamin'ny lahateniny fa manana asa goavana amin'ny “fanomezana fanantenana indray ho an'izao tontolo izao” izy. Nomarihiny fa ny laharam-pahamehana aminy dia ny hahatongavana amin'ny vahaolana milamina sy hanamafisana orina ny fandraisana andraikitry ny fikambanana mandritra ny krizy – izany rehetra izany dia atao ao anatin'ny fijerena miabo tompon'andraikitra sy manam-paharetana:
Sin optimismo, sin la firme convicción de que nosotros los humanos sí somos capaces de solventar los problemas, no podemos ni empezar a avanzar.
Raha tsy misy ny fijery miabo, raha tsy misy ny faharesen-dahatra lehibe fa mahavita mamaha olana isika olombelona, dia tsy ho afaka ny handroso mihitsy isika.
Nanohana ny fanendrena azy ny mpisera sasany tao amin'ny Twitter:
Ojalá @CFigueres logre la Secretaría de la @UN. La precede un gran trabajo hecho en la @UNFCCC.
— David Garcia (@DavidG79) 8 de julio de 2016
Manantena tanteraka aho fa ho lasa Sekreteran'ny Firenena Mikambana i Christiana Figuere. Efa nahavita asa goavana tao amin'ny UNFCCC izy
Excited that @CFigueres is running for #nextSG. Paris Agreement was an incredible achievement.
— Diane Regas (@DianeRegas) 8 de julio de 2016
Mientanentana fa anisan'ny hofidiana ho Sekretera Jeneraly manaraka i @CFigueres. Zava-bita tsy mampino ny fifanarahan'i Paris.

Susana Malcorra. Sary nalain'i Elza Fiuza – Agencia Brasil (CC BY 3.0).
Fanendrena mampiadihevitra an'i ‘Dr No’
Injenieran'ny herinaratra ilay kandidà Amerikana Latina hafa, Susana Malcorra, ary efa tale mpanatanteraky ny Fandaharan'asa Ara-tsakafo Manerantany. Teo anelanelan'ny taona 2008 sy 2012, efa sekretera jeneraly lefitra tao amin'ny Firenena Mikambana ao amin'ny sehatra Fanohanana izy.
Na izany aza, tsy nilaozan'ny adihevitra ny fanendrena azy.
Tamin'izy mbola sekretera jeneraly lefitra, nandray anjara tamin'ny fanafenana ny tatitra momba ny fanararaotana ara-nofo nataon'ny Tafika misatro-manga mpitandro ny filaminan'ny Firenena Mikambana tamin'ny zaza tsy ampy taona nandritra ny iraka tao Afrika izy. Nandritra ny fe-potoam-piasany izany no nitranga ary nantsoin'i Ban Ki-moon tenany mihitsy izy hoe “Doctor No” noho ny valin-teniny mitsipaka hatrany.
Nanamafy indray ny minisitry ny raharaham-bahiny ao Arzantina, Malcorra vao tsy ela fa handray vondrona mpitsoa-ponenana Syriana ny governemanta, ary nilaza izy fa azo ekena ihany koa ny vondrona hafa ahitana olona nafindra toerana avy ao Amerika Afovoany:
Desde la Argentina estamos dispuestos a recibir refugiados con la idea de que en cada uno de los países está encontrar la solución.
— Susana Malcorra (@SusanaMalcorra) 28 de junio de 2016
Ao Arzantina, vonona handray mpitsoa-ponenana izahay ao anatin'ny hevitra fa tsy maintsy mahita vahaolana ny firenena tsirairay.
Ho ambara amin'ny faramparan'ny volana Novambra izay ho mpandimby an'i Ban Ki-moon.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 7 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...