- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nampiditra ny Wikileaks Tao Anatin'ny Lisitry ny Tranonkala Nosakanana i Torkia

Sokajy: Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava
Cartoon rendering of Erdogan riding an email into a pillar of democracy. Cartoon by Carlos Latuff/Wikileaks. [1]

Sariitatra mampiseho an'i Erdogan mitaingina mailaka mandona ny andrin'ny demokrasia. Sariitatra nataon'i Carlos Latuff/Wikileaks.

Tsy mampaninona ny filoha Tiorka Recep Tayyip Erdogan ny mizara sary tamin'ny fampakaram-bady ny zanany vavy na sary tamin'ny fitsidihany isan-karazany sy ny fivoriana miaraka amin'ny mpitondra iraisampirenena.

Saingy toa tsy mety aminy kosa raha havoaka ho hitan'ny daholobe ny mailakany sy ireo mailaka anatiny an'arivony hafa nalefa na voarain'ny Antokon'ny Rariny sy ny Fampandrosoana (AKP) mitondra amin'izao fotoana.

Fotoana fohy taorian'ny namoahan'ny Wikileaks mailaka 294.548 ho hitan'ny daholobe, nosakanana tao amin'ny firenena ny tranonkala.

AMPAMOAKA: mailaka 294.548 avy amin'ny antoko politikan'ny fitondrana Tiorka, AKP an'i Erdoğan

Nanome baiko tamin'ny fomba ofisialy i Erdogan mba hakatona ny WikiLeaks taorian'ny famoahana mailaka 300k avy ao amin'ny antokony, AKP.

Voamarina ankehitriny fa nakatona avy ao Torkia ny fidirana ao amin'ny habaka https://t.co/yAAOY3vDL5 [8]

Toy izao ny vakin'ny fanambarana [12] tamin'ny ampamoaka:

Today, 11pm Anakara Time, WikiLeaks releases part one of the AKP Emails. AKP, or the Justice & Development Party, is the ruling party of Turkey and is the political force behind the country's president, Recep Tayyip Erdoğan. Part one of the series covers 762 mail boxes beginning with ‘A’ through to ‘I’ containing 294,548 email bodies together with many thousands of attached files. The emails come from “akparti.org.tr”, the AKP's primary domain. The most recent was sent on July 6, 2016. The oldest dates back to 2010. It should be noted that emails associated with the domain are mostly used for dealing with the world, as opposed to the most sensitive internal matters.

The material was obtained a week before the attempted coup. However, WikiLeaks has moved forward its publication schedule in response to the government's post-coup purges. We have verified the material and the source, who is not connected, in any way, to the elements behind the attempted coup, or to a rival political party or state.

Androany tamin'ny 11 alina ora ao Ankara, namoaka ny ampahany voalohany tamin'ny mailaky ny AKP na Antokon'ny Rariny sy ny Fampandrosoana, antokon'ny fitondrana ao Torkia ary hery politika manohana ny filoham-pirenena, Recep Tayyip Erdoğan, ny WikiLeaks. Ahitana boaty mailaka 762 manomboka amin'ny ‘A’ ka hatramin'ny ‘I’ ny ampahany voalohany amin'ny ampamoaka ary ahitana mailaka 294.548 miaraka amin'ireo tahiry mipaingotra aminy an'arivony maro. Avy amin'ny “akparti.org.tr”, sehatra mailaka voalohany an'ny AKP. Ny farany indrindra dia nalefa tamin'ny 6 Jolay 2016. Ny ela indrindra dia efa tamin'ny taona 2010. Tsara ny manamarika fa ireo mailaka mifandray amin'ny sehatra dia nampiasaina indrindra hifampiraharahana amin'izao tontolo izao, fa tsy tamin'ireo raharaha anatiny saro-pady indrindra.

Azo herinandro alohan'ny fikasana hanongam-panjakana ny fitaovana. Na izany aza, nampandroso ny fandaharam-potoanany amin'ny famoahana ny ampamoaka ny WikiLeaks ho setrin'ny fanadiovan-tenan'ny governemanta taorian'ny fanonganam-panjakana. Nohamarininay ny fitaovana sy ny loharanom-baovao, izay tsy misy ifandraisany mihitsy amin'ireo singa ambadiky ny fikasana hanongam-panjakana, na tamin'ny fanjakana na antoko politika mpifanandrina.

Nilaza tamin'ny Al Jazeera [13]ny manampahefana Tiorka fa ny antony voalohany nanosika azy ireo hanakana ny tranonkala dia ny handràra ny fidirana amin'ny vaovao saro-pady ao an-toerana, tahaka ny tahirim-pifandraisana manokan'ny manampahefam-panjakana, sy ny an'ny olom-pirenena tsy miankina izay nandefa mailaka ho an'ny sampan-draharaham-panjakana.

Tsy sarotra ny maka sary an-tsaina fa nikasa hanakatona ny fidiran'ny vahoaka ao amin'ny resaka nifanaovany manokana i Erdogan amin'ity hetsika ity.

Nahazo laza ho iray amin'ireo vondrona faly indrindra manerantany ny governemanta, manao fangatahana tsy tapaka amin'ny Facebook sy Twitter mba hampiato ny kaontin'ny mpanohitra ny AKP sy mpanohitra an'i Erdogan.

Tao anatin'ny telo taona teo ho eo, miharihary ny fihenan'ny sehatry ny haino aman-jery tsy miankina ao amin'ny firenena, amin'ireo haino aman-jery sy gazetin'ny mpanohana sy mpanohitra mbamin'ny ady ao atsinanana miteny Kiorda, teny eo an-dalam-pahaverezana.

Saingy mbola nampanontany tena ny tsy iraharahian'ny olom-pirenena Tiorka loatra ny lanjan'ny ampamoaka noho ny toe-javatra ankehitriny ao Torkia.

Tsy misy singa mahaliana ny vahoaka ny zavatra navoakan'ny @wikileaks hatramin'izao amin'ny ampamoaka Torkia. Lisitr'ireo habaka sy spam tamin'ny mailaka

0,2% ny mailaka Tiorka navoakan'ny @wikileaks no nalefan'ny kaontin'ny AKP. Ny ambiny kosa nalefan'ny olom-pirenena tsotra ho an'ny AKP.

Ny tsy fisian'ny fahalianana tamin'ny ampamoaka dia mety noho ny zava-misy fa maro ireo olona mbola te hahafantatra mafy ny dikan'ny zava-nitranga tao Torkia taorian'ny fikasana hanongam-panjakana tsy nahomby.

Tsy lazaina intsony ny fotoana sy ny faharetana nilaina hanadihadiana ny mailaka 294.548 toa tsy misy zava-dehibe loatra.