Hira Iray Ho An'Ankizikely Nadika Amin'Ireo Fiteny Maro Ao Aostralia

Mety tsy hitovy ny teny sy ny kolontsaina, saingy iraisan'izao tontolo izao ny feon'ireo ankizy mihira amin-kafaliana. Manamarina izany indrindra ny hira iray antsoina hoe “Marrin Gamu,” noforonina ho an'ireo ankizy any amin'ny sekoly ambaratonga voalohany sy ireo mpampianatra mba hampiroboroboana ny fahasamihafana sy ny hatsaran'ireo tenin'ny Teratany Aostraliana sy ny Mponin'i Détroit de Torrès, ao Aostralia.

Manambatra ny dikatenin'ny “vatana” amin'ny roa amin'ireo teny ireo ny lohatenin'ilay hira. Marrin no dikan'ny “vatana” amin'ny teny Wiradjuri avy any Nouvelle-Galles du Sud, ary Gamu kosa no dikany amin'ny teny Kalaw Kawaw Ya avy any Détroit de Torrès.

Fototry ny fifaninanana am-pirahalahiana karakarain'ny First Languages Australia sy ny ABC Splash ihany koa io hira io. Voalohany, asaina ireo vondrompiarahamonina hampianatra ireo ankizy ny tononkira amin'ny teny Anglisy.

Andininy faha-1. Maso sy sofina, (in-3).
Andininy faha-2. Tànana sy tongotra, (in-3).
Andininy faha-3. Ranjo sy sandry, (in-3).
Andininy faha-4. Loha sy kibo, (in-3).

Avy eo, vantany vao hain'ireo ankizy ny hira, angatahana ny vondrompiarahamonina handika ny tononkira amin'ny tenin-drazany. Farany, miara-miasa ny vondrompiarahamonina sy ny fianarana mba hamorona lahatsary iray hampiakarina ao amin'ny vohikalan'ilay fifaninanana.

Manome ohatra entina hanampiana amin'ny tokony hanombohan'ireo mpampianatra sy ankizy ny vohikala Marrin Gamu. Hita ao anatin'io vohikala io ihany koa ny karazanà asa atao anaty efitrano fianarana mifandray amin'ny fandaharam-pianarana Aostraliana, novolavolaina manodidina io tetikasa io. Atolotra ireo fanontaniana enti-manomboka resaka mba ho fomba iray hanamoràna ny adihevitra miaraka amin'ireo mpianatra mikasika ny teniny:

Fanontaniana ho an'ny kilasy:

  • Misy fitoviany ve ireo tenin'ny vatana hita anatin'ilay lahatsary sy ny teninao?
  • Misy antony ve tsy ahafahana mamadika ilay hira amin'ny teninao?
  • Inona no mety hataonao mba handresena izany?

Haharitra roa taona io tetikasa io, amin'izay manana fotoana ny fianarana rehetra hamolavolàna ireo fifandraisana ilaina entina mandray anjara anatin'ilay tetikasa. Manantena ireo mpikarakara ny fifaninanana fa hahita ny “Marrin Gamu” hiraina amin'ireo teny maro anatin'ireo tenin-drazan'i Aostralia izay miisa aman-jatony.

Tafiditra anatinà paikady midadasika entina hisorohana ny fahaverezan'ny teny ny “Marrin Gamu”, amin'ny alàlan'ny fifantohana amin'ireo fianarana sy mpianatra ary ny fiaraha-miasa amin'ireo mpampianatra ao an-toerana. Maro ireo mpampianatra no tsy mahafehy tsara ireo teny ireo, noho izany dia mizara fandaharampianarana iraisan-taranja ampiasaina anatin'ny efitrano fampianarana io vohikala io. Mety handrisika ireo mpianatra ny fampidirana singa iray anà media dizitaly sy ny aterineto rehefa hitan'izy ireo taratra anaty aterineto ny fahaizany mamorona sy ny tenin-drazany.

Screenshot from Guarang language video.

Dikasary avy amin'ny lahatsary amin'ny teny Guarang.

Ny fandefasana voalohany dia lahatsary iray novokarinà fianarana tany Queensland izay ihiran'ireo mpianatra ny “Marrin Gamu” amin'ny teny Guarang. Hozarainay eto ireo lahatsary hafa rehefa misy mandefa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.