- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsy Mampilendalenda Ny Meksikana Intsony Ny ‘Resaka Zavokà’

Sokajy: Amerika Latina, Meksika, Mediam-bahoaka, Sakafo, Toekarena sy Fandraharahàna
Photo: Shelli Friedberg / Flickr / CC 2.0 [1]

Sary: Shelli Friedberg / Flickr / CC 2.0

Manery ny firenena hieritreritra momba ny fomba fandaniam-bolan'ny olona amin'ny sakafo ny krizy ara-toekarena ao Meksika, ary nanjary resaka mahasosotra ny fiakaran'ny vidin'ny zavokà. Ny fitotongan'ny peso Meksikana [2]manoloana ny dolara Amerikana, ny fiakaran'ny vidin'ny angovo, sy ny ireo lafin-javatra ara-toekarena lehibe hafa marobe no midika fa tena sarotiny amin'ny vidin-tsakafo tena ilaina indrindra amin'ny nahandrony ny Meksikana.

Iray amin'ireo fangaro ilaina indrindra amin'izany nahandro izany ny zavokà. Azo atao fototry ny sakafo (guacamole, ohatra) na zavatra fanampiny (sandwich, enchiladas, tostadas, flautas, na lasopy, tahaka ny lasopy tortilla). Matetika ahitana zavokà ihany koa ny Salsa Maitso, izay ampiasaina amin'ny sakafo marobe.

Amin'izao fotoana izao, mety ho hita amin'ny vidiny 80,00 pesos Meksikana pesos (eo ho eo amin'ny 4,20 dolara na 3,70 euro) ny kilao amin'ny zavokà, izay avo roa heny tamin'ny vidiny mahazatra ny Meksikana amin'ity vokatra ity. Mandritra izany fotoana izany, ny karama farany ambany ao Meksika dia $ 73,04 pesos isaky ny andro fiasàna – vola heverina fa tokony mahampy amin'ny filàna ara-tsakafo rehetra ilain'ny olona iray sy ny fianakaviany.

Nizara ity sary manaraka ity ny tranonkala Pictoline [3] mba hanazava ny fiakaram-bidy:

[Amin'ny sary] Eny, marobe ny vazivazy, saingy … Nahoana ny zavokà no lasa lafobe toy izany? Araka ny fantatrareo, noho ny antony maro no mampiakatra ny vidin'ny vokatra. Tinady: Raha te hahazo zavokà ny rehetra, mahazo lafo kokoa izy ireo. Tolotra: Raha zara raha misy zavokà, manjary lafo kokoa ary izy ireo. Fidirana: Raha miakatra ny sandan'ny famokarana /fitsinjarana, miha-lafo kokoa ny zavokà. Amin'ity tranga ity, [misy ny fiakaram-bidy] satria tsy manana vokatra betsaka i Meksika ary mbola tsy vonona ny manaraka. [Raha] vitsy ny zavokà –  lafobe kokoa [izy ireo]. Antenaina fa amin'ny faran'ny volana Jolay, hisy ny vokatra vaovao ary hidina ny vidiny. Mandritra izany

Naneho hevitra mikasika ny fiakaram-bidy tamin'ny vazivazy ny mpisera Twitter sasany.  iQueCabr0n, ohatra nidera tena fa mbola mahavidy hatrany ity sakafo matsiro vaovao ity:

Mihinana tortilla sy zavokà, satria rehefa mahazo karama amin'ny dolara ianao, dia mba afaka mividy zavatra lafo sasany.

Tahaka izany, hoy i andii_rz, mpisera Twitter:

Manao fankalazana izahay androany, ka hihinana zavokà taquito aho.

Sr.Aguilar, mandritra izany, nivazivazy momba ny famadihana ny fahavitsian'ny zavokà amin'izao fotoana ho vola ara-dalàna ao Meksika:

Raha sarobidy noho ny dolara ny zavokà, tsy hevitra tsara ve ny manao izany ho volam-pirenena? (na dia i Obama aza tsy manana izany)

Nizara sary maneho hevitra momba ny fanjifana zavokà ao Meksika ny gazety Milenio:

Ahoana ny fomba fihinanantsika Meksikana ny zavokà?

Efa ho efa-taona lasa izay [14], nitatitra momba ny olana tamin'ny famatsiana atody, izay nampiakatra ny vidiny tao Meksika ny Global Voices. Tamin'izany fotoana izany, nitarika tombatombana sy hadisoana ara-barotra ny fiakaram-bidy, izay avy eo niteraka ahiahy hatrany teo amin'ireo mpanjifa. Mikasa hisoroka izany zava-dratsy izany ireo mpivarotra zavokà ao Meksika.