Fantaro Ilay Vondrona Feminista Nikaragoaiana Miady Amin'ny Herisetra Atao Amin'ny Vehivavy Ao Amerika Afovoany

“Ampahany amin'ny mpanorina ny La Corriente” nandritra ny valandresaka feminisita nokarakarain'ny vondrona tamin'ny jona 2016. Saripika nalaina tao amin'ny Facebook.
Natomboka tamin'ny fiandohan'ny taompolo 1990s, ny La Corriente izay fariparitana ho “karazana tambajotra feminista Amerikana Afovoany iray miresaka ny andiany na ny mpikatroka tsirairay.” Manoka-tena ho amin'ny fanabeazana, famoahana (boky aman-gazety) ary fanomanana fihaonana amin'ny fandehan'ny resaka miralenta ao amin'ireo fiaraha-monina ao Amerika Afovoany sy ny fomba ahafahan'ny vehivavy miara-miasa amin'izany ny mpikambana ao aminy. Tamin'ny voalohany, ary naharitra ela, dia fikambanana nifototra nanerana an'i Amerika Afovoany ny La Corriente, saingy taty aoriana izy no nampifantoka ny ezaka rehetra nataony ho ao Nicaragua.
Miorina ao Managua ny fandaharan'asa izay miompana amin'ny sehatra anankitelo: fanabeazana, fikarohana ary fifandraisana. Nikarakara fanentanana ifotony vaovao iray ny mpikatroka isan-taona, izay nikendrena voalohany indrindra ny tanora lahy sy vavy. Miasa indrindra amin'ny lohahevitra tahaka ny zo ara-pananahana sy fiterahana ry zareo ary miresaka ihany koa ny fanjakana laïka. Avy eo ry zareo nampivelatra ny fikatrohany tamin'ny fanomanana hetsika tahaka ny “Las Reinas Chulas” (“Ireo Mpanjakavavy Mahafatifaty”), seho tantara an-tsangana any amin'ny cabaret sy ny hetsika feminisita izay niarahan-dry zareo mbamin'ny fikambanana iray hafa nanangana. Nahitana fahombiazana tokoa ny tantara tsangana, ary nahafahan'ny La Corriente nahatratra olona maro indray mandeha sy nampita soatoavina amin'ny fomba mazava. Ny “Los Machos” izay hita amin'ny lahatsary etsy ambany, dia natokana hamoahana ny fomba fijerin'ny (fisainan'ny) vehivavy sy ny lehilahy amin'ny fomba mampihomehy.
Asa hafa ataon'ny La Corriente ihany koa ny tantara amin'ny radio “Cuerpos Sin Vergüenzas” (“Vatana Tsy Menatra”), izay mandeha isan-kerinandro ao amin'ny tambajotran'ny radio Oniversiten'i Amerika Afovoany, izay hiresahany lohahevitra maro mifandraika amin'ny zo ara-pananahana sy fiterahana, toy ny fahasamihafana ara-pananahana. Ny tanjon'ny tantara dia ny handresy lahatra ny vahoaka sy hanangana sehatra fifanakalozan-kevitra miaraka amin'ny mpihaino. Azo arahina an-tserasera am-peo amin'ny alalan'ny Ivoox ireo tantara ireo. Ny fizarana farany, mitondra ny lohateny hoe “Celebramos Nuestro Orgullo” (“Asandratray ny Reharehanay”), dia natokana ho an'ny fireharehana LGBTIQ:
El 28 de junio celebramos en Nicaragua el día del orgullo lésbico-gay-bisexual-trans-intersex-queer con una marcha nacional que partió del Colegio Teresiano culminando en Metrocentro, en la que participamos diversos colectivos feministas y LGBTIQ así como personas que se sintieron convocadas a demandar respeto en una sociedad donde persiste la discriminación por motivos de orientación sexual e identidad de género.
Tamin'ny 28 jona, nankalazainay tamin'ny alalan'ny diabem-pirenena izay niainga teo amin'ny Colegio Teresiano [Lisea Mb Teresa] ary nifarana teo amin'ny Metrocentro [afovoantanàna] ny Androm-Pireharehana lesbiana-gay-biseksa-trans-interseksa-queer teto Nicaragua, diabe nandraisan'ny vondrona feminista sy LGBTIQ maro anjara noho ny fahatsapana hitaky fanajana ao amin'ny fiarahamonina izay mbola mikiry mafy ny fanavakavahana mahazo ny vehviavy sy nisafidy hizaka fananahana hafa.
Ao anatin'ny fikatrohana ataon'ny La Corriente ny fiarovana ny fahasamihafana ara-pananahana ka namoahana fandraisana an-tanana tahaka ny “Revivir La Foto” (“Mampiaina indray ny sary”). Ity andian-tantara ity dia vokatry ny fikarohana nataon'ny vondrona antsoina hoe “Transitar Por el Género” (“Miampita karazam-pananahana”) mifantoka amin'ny famariparitana lahy-vavy sy ny fanadihadiana ny antsoina hoe “vatana mpisintaka” izay mihaika ny lamina ara-piarahamonina sy ara-pananahana fehezin'ny fenitra lahy-sy-vavy. Ao amin'ny lahatsary ny mpandray anjara no niangaviana haka sary avy tany amin'ny taona maro tany ary hanazava ny maha zavadehibe ilay fotoana tamin'izany andro izany :
Ao amin'ny fizaran-tantara eo ambony i Shandi mampiseho ny sariny nandritra ny fanolorana diplaoma tany amin'ny lisea ary niteny fa ny tanjony ambony indrindra tamin'izany dia ny fampiofanana arakasa, ary hatramin'ny fampivoarana ny tena maha izy azy marina. Ao amin'ny lahatsary i Shandi niteny fa afa-niatrika ny oniversite izy, saingy ny tontolo tsy manam-pandeferana tany no tsy nahavitany ny fianarany hahazoany ny diplaoma.
Azo arahina amin'ny antsipirihany kokoa ao amin'ny tranonkalany sy ireo fantsona amin'ny tambajotra sosialy isan-karazany ireo fandraisana an-tanana sy tetikasa notontosainy. Ny asa farany indrindra nataon'ny La Corriente dia fihaonam-paritry ny feminisita natao tao amin'ny Fihaonamben'ny Feminista Amerikana Afovoany ao Managua tamin'ny tapaky ny volana Jona, izay azonao arahina ao amin'ny tambajotra sosialy isan-karazany. Ny fanamby atrehin'ny vehivavy ao Amerika Afovoany, ny tsiri-pahitana ny vehivavy Afrikana ary ny fandrarana ny fanalan-jaza ao amin'ny faritra izao no sasantsasany amin'ny lohahevitra nasongadin'ny mpandray anjara.

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Desambra 2019 16 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 167 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...
Miarahaba an'i jentilisa. Ity no hasiako fanamarihana manokana "Tsy maintsy mahay manoratra amin'ny teny Frantsay ianao...