Raràn'i Shina Ny Vaovao Alaina Any Amin'ny Haino Aman-Jery Sosialy

Ilay Rindrin'afo Lehiben'i Shina. Sary avy amin'ny Digital Trends.
Noraràn'ny fitantànana ny tontolon'ny aterineto, ilay mpandrindra fara-tampon'ny aterineto any Shina, ireo mpamoaka vaovao mba tsy hitanisa ireo lahatsoratra avy amin'ny haino aman-jery sosialy ho toy ny loharanom-baovao. Ao anatin'ny fepetra henjana raisina amin'izao fotoana izao hamoretana ny vaovao “diso” sy ny tsaho io politika vaovao io.
Tamin'ny fiandohan'ny volana Jolay ireo haino aman-jery rehetra mpilaza vaovao no naharay filazàna ôfisialy momba ilay fandraràna, araka ny fanambaràna navoaka tao amin'ny tranonkalan'ilay Fitantànana ny alin'ny 3 Jolay. Ilay fanambaràna, izay nitanisa ” vaovao noforonina” marobe mivezivezy amin'ny aterineto, dia nilaza fa nosazian'ny manampahefana ireo mpamoaka vaovao am-polony, isan'izany ny Sina, Caijing, Tencent, ary ny NetEase ary noteren'izy ireo hamono ny kaontin'ireo mpilaza vaovao sasany noho ny fampiasàny ny haino aman-jery sosialy ho loharanom-baovao.
Nohamafisin'ilay filazàna fa :
要求各网站始终坚持正确舆论导向,采取有力措施,确保新闻报道真实、全面、客观、公正,严禁盲目追求时效,未经核实将社交工具等网络平台上的内容直接作为新闻报道刊发。[..] 各网站要落实主体责任,进一步规范包括移动新闻客户端、微博、微信在内的各类网络平台采编发稿流程,建立健全内部管理监督机制。严禁网站不标注或虚假标注新闻来源,严禁道听途说编造新闻或凭猜测想象歪曲事实。
Tsy maintsy manaraka ny toromarika mahitsy amin'ny fitarihana ny saim-bahoaka sy maka fepetra izay ahazoana antoka fa tena nisy, feno, marina ary tsy mitanila, ilay vaovao. Voarara ny fihazakazahana mampahalala vaovao avy amin'ny fampiasàna ireo vaovao tsy voamarina voalaza ao amin'ny vovonan'ny haino aman-jery sosialy. […] Tokony handray andraikitra amin'ny fitantànana ny sampan-draharahan'ny fanomezam-baovao amin'ny alàlan'ny finday ny tranonkala rehetra, tahaka izany koa ny Weibo, ny Wechat sy ireo hafa, mba hahazoana antoka fa voafehy ny fizotry ny fanoratam-baovao. Raràna indrindra ny fitanisàn'ny tranonkala ny loharanom-baovao tsy mitonona anarana na sandoka ary mamorona vaovao mifototra amin'ny honohono, zavatra tsy marina na nofinofy.
Roa andro aty aoriana, nisy fanambaràna navoakan'ny masoivohom-baovaom-panjakana Xinhua fa ho henjana kokoa ny sazin'ireo haino aman-jery mpamoaka vaovao raha tsy manatanteraka ilay politika vaovao. Naely tamin'ny haino aman-jery sosialy niaraka tamin'ireo hafatra mamerina ny fiantraikany ratsy ateraky ny famoronana vaovao any amin'ny fiarahamonina.
Notanisain'ilay Fitantànana ny Tontolon'ny Aterineto ireo tantara isankarazany izay ahitana vaovao “tsy marina”, miaraka amin'ny lohateny toy ny hoe :
- Roa no maty ary folo naratra tamin'ilay fiara fitateram-bahoaka niniana nodorana tany Changsha
- Taorian'ny zava-nanjo an'i Wei Zexi, dia nametraka antso maitso ho an'ny olona 100 voan'io aretina io ny birao fanaterana taratasy sy fitarainana.
- Mandositra ny tanàna ny ankizivavy any Shanghai mandritra ny taom-baovao
- Aongan'ny vinantovavy avy any an-tanàndehibe ny latabatra fisakafoanana any ambanivohitra mandritra ny taom-baovao.
Ny lahatsoratra roa voalohany dia noforonina avy taminà tantara nisy taloha. Ohatra, ilay fiara fitateram-bahoaka niniana nodorana dia naverina nosoratana avy taminà tati-baovao tamin'ny 2010.
Ireo tranga anankiroa farany kosa dia tantara fohy navoaka tamin'ny aterineto mba handrisihana ny fifanakalozan-kevitra momba ny fifandraisan'ny lahy sy ny vavy any Shina, saingy diso fandray ireo haino aman-jery mpamoaka vaovao ka nataony fa tena nisy ilay izy.
Indraindray misy trangan-javatra tsy voamarina alain'ny mpanao gazety ao amin'ny haino aman-jery sosialy, fa minia tsy miraharaha ny fiantraikany tsara avy amin'ny vaovao nalaina avy amin'ny haino aman-jery sosialy ny Fitantànanany Tontolon'ny Aterineto.
‘Ndeha ho raisina ny tranga nanjo an'i Wei Zexi, izay nalaina tamin'ny haino aman-jery sosialy. 21 taona izy ary mpianatra teny amin'ny ambaratonga ambony. ‘Sacrome synovial’ (homamiadan'ny vanin-taolana) no nitarika ny fahafatesany tamin'ny volana Aprily rehefa nandanian'ny fianakaviany volabe taminà fitsaboana tsy izy izay vao mainka nampihombo ny aretiny. Tamin'izany, izay noheverin'izy ireo fa vokatry ny fikarohana tao amin'ny Baidu no nanorenany ny fanapahankeviny. Orinasa goavana mpikirakira ny aterineto any Shina ny Baidu, saingy dokambarotra raha ny marina. Niteraka resabe momba ny olan'ny doka fanaon'ilay milina fikarohana sy ny fikorontanan'ny rafitra ara-pahasalaman'ny Shinoa ity tantara manokana mirakitra ny lahatsary fjoroana vavolombelon'i Wei ity, izay nalaina taloha kelin'ny nahafatesany. Farany, niditra an-tsehatra ihany ny Fandrindràna ny Tontolon'ny Aterineto mba hanenjana kokoa ny lalàna mifehy ny dokambarotra amin'ny milina fikarohana.
Chang Ping, Shinoa mpanao gazety malaza mipetraka any Alemaina amin'izao fotoana izao dia nanamafy fa na dia naelin'ireo haino aman-jery mpampahalala vaovao amin'ny aterineto aza ireo tantara sasany “noforonina”, ny ankamaroan'ireny dia vaovao mahavariana ao an-toerana fotsiny ihany izay zara raha misy fiantraikany na tsy misy mihitsy raha ampitahaina amin'ireo vaovao foronin'ny governemanta momba ny fampandrosoana ny firenena :
从历史上看,离政府越近的媒体越容易造假,更不用说政府直接控制的媒体,比如人民日报、新华社及中央电视台,从小麦亩产万斤到天安门广场没有发生过“六四”屠杀,从人民公社万万岁到伟大的中国梦,从无产阶级专政到依法治国,无一日不在谎言之中。
Ara-tantara, dia ireo haino aman-jery mpampahalala vaovao akaiky ny fitondrana no mirona kokoa amin'ny fanolorana vaovao noforonina. Ratsy kokoa aza ny firaketana ny zavabitan'ireo haino aman-jery mpampahalala vaovao fehezin'ny fanjakana. Ohatra, lainga no navoakan'ny China Daily, Xinhua News ary ny CCTV izay nilaza fa 10.000 catty-nà varimbazaha no vokatra amin'ny tany iray mu [0,667 hektara] [nandritra ilay fandaharanasa ara-tsosialy sy ara-toekaran'i Mao Zedong nantsoina hoe Dingana Lehibe], tsy nisy mihitsy ny vonoan'olona tany Tiananmen tamin'ny 4 jona [1989], izay nampisondrotra voninahitra ireo KAominina Irahan'ny Vahoaka Mitantana, ny voninahitry ny nofinofy Shinoa, ny jadon'ny mpiasa madinika [ fotokevitry ny politika maoista nandritra ny revolisiona ara-kolotsaina] sy ny fampanjakàna ny lalàna [ amin'ny fitondran'ny Filoha Xi Jinping amin'izao fotoana izao ]
Nanomboka tamin'ny volana Aprily 2015, dia nampiditra andiana politika mba hifehezana mafimafy kokoa ny vavahadin-tserasera amin'ny aterineto sy ny tranonkalam-baovao ny Fandrindràna ny Tontolon'ny Aterineto. Nangonin'ny mpitoraka bilaogy Lanjinger ny fifandimbiasan'ny daty :
• 4月28日国家网信办发布“约谈十条”,网站存在未及时处置违法信息情节严重等9种情形的,企业相关负责人将被约谈,约谈整改不力的网站将被吊销许可证。9种情形将被约谈,并约谈了百度、腾讯。
• 去年10月24日,国家网信办召开各界人士座谈会,讨论“全面推进网络空间法治化。
• 今年5月6日,国家互联网信息办公室依法批准了人民网、新华网等6家中央重点新闻网站157个地方频道的开设申请。
• 6月21日,国家网信办召开全国跟帖评论专项整治视频会议,部署集中治理跟帖评论存在的突出问题,指出,跟帖评论乱象扰乱信息传播秩序、破坏网络舆论生态,人民群众深恶痛绝,必须下大力气整治。
• 6月28日国家互联网信息办公室发布”APP管理规定”,加强对移动互联网应用程序(App)信息服务的规范管理,促进行业健康有序发展,保护公民、法人和其他组织的合法权益。
• 28 Aprily 2015 : namoaka ny “fitsipika 10 ho an'ny resadresaka” ny fandrindràna ny tontolon'ny aterineto. Takian'ilay fitsipika ny hanaovan'ny mpitantana ilay tranonkala “dinidinika” amin'ny manampahefana taorian'ny tsy nahavitan'ilay tranonkala nanome ny vaovao ara-dalàna. Misy tranga sivy voatanisa ao amin'ilay fitsipika ary ireo tranonkala izay tsy mahavita manatsara ny fitantanany aorian'ilay dinidinika, dia mety ho foanana ny fahasoandàlany.
• 24 Oktobra 2015 : nanao latabatra boribory niaraka tamin'ny solontenan'ireo orinasa mba hifanakalo hevitra momba ny ” fampiharana ny lalàna mifehy ny tontolon'ny aterineto” ny Fandrindràna ny tontolon'ny aterineto.
• 6 May 2016 : Neken'ny Fandrindràna ny tontolon'ny aterineto ireo habantranonkala enina fehezin'ny fanjakana, isan'izany ny fanomezan-dàlana ny Renminwang sy ny Xinhua Net mba hitantana fantsna fampitambaovao any amin'ny faritany. [ Nataon'ny rafitra mpanome fahazoandàlana ao an-toerana ho tsy ara-dalàna ireo fantsona hafa mpampita vaovao izay tantanin'ireo vavahadin-tserasera hafa. Ireto ireo tranonkala enina nahazo alàlana : Renminwang, Xinhua, China Radio International, China Daily, Guangmingwang ary ny onjampeom-pirenena Shinoa.]
• 21 Jona 2016 : ilay fandrindràna ny tontolon'ny aterineto dia nanao fihaonambem-pirenena ifanantrehana amin'ny alàlan'ny lahatsary momba ny hanafoanana ny tandavam-panehoan-kevitra amin'ny vaovao mba hananganana drafitra hiatrehana ireo fanehoankevitra momba ny vaovao ao amin'ny haino aman-jery sosialy. Lazain'ireo manampahefana fa manakorontana ny firindran'ny fitsinjaràm-baovao amin'ny aterineto sy ny firindràn'ny fanehoankevitra amin'ny aterineto ny tsikera momba ny vaovao amin'ny haino aman-jery sosialy. Hàlan'ny olona ny zavatra tahaka izany ary mbola ilàna ezaka bebe kokoa.
• 28 Jona 2016 : nambaran'ny Fandrindràna ny Tontolon'ny Aterineto ilay fampiasa fifehezana ny fitantànana mba mba hanenjanana ny fifehezana ny fitantànana ireo fampiharana amin'ny aterineto, hampiroboroboana ny fahasalaman'ilay sehatra ary hiarovana ny zon'ny olom-pirenena, ireo andrim-panjakana napetraky ny lalàna ary ireo fikambanana hafa. [ Takian'ilay fitsipika ny hiraketana ny tena anaran'ny mpisera amin'ilay fampiasa. Maherin'ny 4 tapitrisa ny fampiharana ao amin'ny tsenan'ny fampiasa any Shina.]
Ny teritery atao amin'ireo vaovao amin'ny aterineto sy ny fanehoan-kevitra amin'ny vaovao amin'ny haino aman-jery sosialy amin'izao fotoana izao dia mifanaraka amin'ny ady ideolojika eo ambany fitondran'i Filoha Xi Jinping, izay te-hamerina ny fitondràn'ny Antoko Kaominista Shinoa amin'ny haino aman-jery vaovao sy ny haino aman-jery nahazatra miaraka.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 7 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...