- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsarovana Noho Ny Fitiavany Ny Kisendrasendra i Harold La Borde, Trinidianina Voalohany Nitety Sambo Izao Tontolo Izao.

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Mediam-bahoaka, Tantara, Tsidika
"Lonesome sailboat"; photo by Rawle C. Jackman, used under a CC BY-NC-ND 2.0 license. [1]

“Sambo An-dranomasina Manirery”; sary avy amin'i Rawle C. Jackman, zon'ny mpamorona CC BY-NC-ND 2.0.

Raha maty teo amin'ny faha-82 taonany i Harold La Borde [2] tamin'ny Alahady 12 jona 2016, tahaka ny very tanana nahavita namihina izao tontolo izao i Trinité sy Tobago.

La Borde, tantsambo mazoto sy mpikaroka marina amin'ny fo no Trinidadiana voalohany nihodidina an-tsambo ny tany. Nanomboka ny taona 1969 hatramin'ny taona 1973, niantsambo manerana ny Ranomasimbe Atlantika, manomboka amin'ny lafiny iray amin'izao tontolo izao mankany amin'ny hafa, tao anatin'ny Hummingbird II, lakany atokisany izy. Nahazo mari-pankasitrahana ambony indrindra ao Trinité sy Tobago, Trinity Cross [3] (Volamena) noho ny zava-bitan'izy ireo izy sy ny vadiny, Kwailan niara-dia taminy nandritra ny dia.

Nameno ny Twitter sy ny Facebook ny fahatsiarovana ho an'ity mpisedra fiainana goavana ity. Nandefa fanomezam-boninahitra [4]tao amin'ny pejy Facebook-ny ny onjam-peo malaza Trinidianina 96,1.

Harold La Borde, the legendary Trinidadian who built his own boat and sailed around the world, died on Sunday morning. He was on vacation in Grenada when one week before celebrating his birthday on Saturday, he passed away. On this occasion, we reproduce a TTRN feature from September 18th 2014, when we paid tribute to the then living legend. Harold La Borde and his wife Kwailan along with their 5 year old son, Pierre, took off from Trinidad on an adventure to sail around the world on a boat which Harold built with his own hands at Point Cumana. It was a 40 ft ketch, dubbed ‘Hummingbird II’. […]

The La Borde’s [sic] sailed the Caribbean Sea, across the Pacific Ocean and through the treacherous Torres Straits to the Indian Ocean. They had an especially rough time crossing the Cape of Good Hope, South Africa, known as the Mount Everest of the ocean, which Harold called the highlight of their journey.

Namoy ny ainy ny Alahady maraina i Harold La Borde, olo-manga Trinidianina nanamboatra ny sambony manokana ary nandeha an-tsambo nitety izao tontolo izao. Niala sasatra tany Grenade izy raha namoy ainy, herinandro mialoha ny ankalazana ny tsingerintaona nahaterahany ny Asabotsy. Tamin'io fotoana io, nanatontosa fandaharana TTRN izahay nanomboka ny 18 septambra 2014, raha nanome voninahitra ho an'izay fahatsiarovana sisa velona. Niala tao Trinité i Harold La Borde sy ny vadiny Kwailan niaraka tamin'ny zanany lahy 5 taona, Pierre mba hisedra fiainana ka nandeha sambo nitety izao tontolo izao tao anatin'ny sambo namboarin'ny tanan'i Harold manokana tao Point Cumana. Lakana manana haavo 40 dinga-tongotra, antsoina hoe Hummingbird II’ izany.[…]

Nandeha lakana tao amin'ny Ranomasina Karaiba, manerana ny ranomasimbe Pasifika sy manerana ny andilan-dranomasina atahorana Torres tao amin'ny Ranomasinbe Indiana ny fianakaviana La Borde. Nandalo fotoan-tsarotra manokana tamin'ny fiampitàna ny Tanjon'i Bonne-Esperance, ao Afrika Atsimo, fantatra amin'ny hoe Tendrombohitra Everest ao amin'ny ranomasina izy ireo, izay nantsoin'i Harold fa fotoan-tsarotra indrindra tamin'ny dian'izy ireo.

Tao amin'ny Twitter, mpanolo-tsaina momba ny fifandraisana Maria Mc Millan nanondro an'i La Borde ho toy ny “olo-manga”:

Namoy ny ainy ilay olo-manga Trinidadiana : nitety an-tsambo izao tontolo izao- https://t.co/cId5d5MpCD [5] #HaroldLaBorde [6] #Sailor [7]

Nanamarika ny Grim Reaper (Mpijinja Fahafatesana) hoe:

Harold La Borde, ho banga anao izahay-#HaroldLaBorde [6] #Harold [9] #LaBorde [10] #rip [11] https://t.co/of2uIeXtgo [12] pic.twitter.com/MUerNZUGAd [13]

Mpisera twitter iray hafa nandefa vaovao farany momba ny antony nahafatesan'i La borde, satria tampoka sy tsy nampoizina ny fahafatesany:

Misy ny fandidiam-paty ho atao amin'ny vatan'ilay tantsambo Harold La borde, izay namoy ny ainy tamin'ny Alahady tao Grenade.

Nanamafy [15]ny zanak'i La Borde, Pierre fa niala sasatra tany Grenada ny rainy, raha voalaza fa nibolisatra sy nianjera tao amin'ny seranan-tsambon'ny Plaisance, ary voadòna ny lohany.

Nanome teny fiaraha-miory [16]noho ny fahafatesan'i La Borde ny Minisitry ny Fitantanan-draharaham-panjakana sy ny Fifandraisana, Maxie Cuffie ao Trinité sy Tobago:

To many, Mr. La Borde was a legend; to others, he was a passionate, dedicated, disciplined patriot who taught himself how to be a sailor and about seamanship.

The story of the La Bordes and the passion, dedication and discipline which allowed them to pursue their dreams will always be memorable. In fact, Mr. Harold La Borde’s story should always be an example of what is required to fulfil one’s dreams. […]

On behalf of the Government of Trinidad and Tobago, I extend my sincerest sympathies to Mrs. Kwailan La Borde and the entire La Borde family. Our country is poorer for his passing but still enriched by his motivational story and legacy.

Ho an'ny maro, olo-manga Atoa La Borde; ho an'ny hafa, olona tia tanindrazana liana fatratra, nanolo-tena, nanana fitsipipi-pehezana izay nampiana-tena mikasika izay atao mba ho lasa tantsambo sy momba ny fahaizana mitondra sambo izy.

Tsy ho hay hadinoina mandrakizay ny tantaran'i La Borde sy ny firehetam-pony, ny fanoloran-tenany sy ny fitsipi-pifehezany izay nahafahan'izy ireo nanohy ny nofin'izy ireo. Raha ny marina, tokony ho ohatra hatrany mikasika izay ilaina mba hanatanterahana nofy ny tantaran'ny Atoa Harold La Borde. […]

Amin'ny anaran'ny ny Governemantan'i Trinité sy Tobago, manolotra ny firaisam-poko ho an-dRamatoa Kwailan La Borde sy ny fianakaviana La Borde manontolo aho. Mahantra kokoa ny firenentsika noho ny fahalasany saingy mbola nahazo harena tamin'ny tantarany manome fandrisihana sy ny lova navelany.

Mbola nahatsiaro ny sasany fa vitsy ny olona nahafantatra momba ny zava-bitan'i La Borde.

Nahita fa vitsy ny olona nahafantatra momba an'i Harold La Borde.

Na izany aza, mailaka tamin'ny fanoavana ny fandraisana anjara miavaka nataon'i La Borde ho an'ny fireneny ireo tsy nahafantatra:

Misaotra anao Harold La Borde tamin'ny fametrahana an'i Trinité & Tobago teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Mandria am-piadanana…

Raha ny marina, niantso azy ho olo-manga [20] ireo mpisera media sosialy sasany. Mpahay tantara, Angelo Bissessarsingh nanoratra [21] tao amin'ny lahatsoratra Facebook ho an'ny daholobe:

There are heroes in name and then there are heroes in legend who will live on through the ages. The late Harold La Borde was the latter. For those who knew him and others who grew up in the shadow of his incredible adventures, his passing is a deeply sorrowful occurrence. Many of us pass the decaying hull of a small yacht, the legendary Hummingbird II on South Quay without appreciating the awe-inspiring voyage of circumnavigation it took at the hands of its builder and captain. My deepest condolences to his widow, Kwailan, a worthy partner for this man, and their children Pierre and Andre. We have lost one of our greatest icons, a man both humble and fearless whose triumphs over Neptune's lair will never be forgotten. R.I.P Harold La Borde.

Misy ireo mahery fo amin'ny anarana ary misy ireo mahery fo amin'ny angano izay ho velona mandritra ny vanin-taona maro. Ilay namoy ny ainy Harold La Borde no farany. Ho an'ireo izay nahafantatra azy sy ireo hafa lehibe tao anatin'ny aloky ny zava-niainany tsy mampino, zava-manjò mampalahelo tanteraka ny fahalasanany. Maro amintsika no mandalo eo amin'ilay lakana kely efa ravarava, dia ilay Hummingbird II malaza ao Quay Atsimo kanefa tsy mahavinavina ny dia goavana nandehanana an-tsambo nataon'ny mpanamboatra azy sy ny kapiteny. Miara-miory tanteraka amin'ny vadiny, Kwailan aho, sakaiza mendrika ho an'ity lehilahy ity, sy ny zanany Pierre sy Andre. Very iray amin'ireo olo-malaza goavana indrindra isika, olona sady manetry tena no tsy manan-tahotra izay tsy hohadinoina mandrakizay ny fandresena tamin'ny lavaky ny Neptune. Mandria Am-piadanana Harold La Borde.

Ho velona mandrakizay ao anatin'ny boky nosoratany ny zava-niainana ara-tantaran'i La Borde  – Ranomasimbe ho Antsika (1962), Manga Avokoa ny Ranomasimbe Rehetra (1977), ary ny Ranomasina Manirery Any Atsimo (1987). Talohan'ny nahafatesany, teo am-piasana hamoaka boky fitantaran-tena sy ny sarimihetsika fanadihadiana momba ny fiainany i La Borde.