Maminavina Indray An'i Pokémon Go Ho Mpilalao Sarimiaina Sovietika Ireo Mpanakanto Rosiana

Who wouldn't want to catch this little dude? Cheburashka, a beloved Soviet cartoon character, placed in a Pokémon Go setting. Image from 2D Among Us.

Iza no tsy te hisambotra io bandy kely io ? Cheburashka, ilay sarimiaina Sovietika ankafizin'ny olona napetraka teo amin'ny toeran'i Pokémon Go. Sary: 2D Among Us.

Malaza be eran-tany ilay kilalao Pokemon Go ary efa niroboka sahady tao amin'ilay fialamboly ireo mpisera  Rosiana na dia vao ny 18 Jolay aza izy no nanomboka tamin'ny fomba ofisialy tao Rosia . Efa nampitandrina sahady ireo manam-pahefana Rosiana fa afaka ampiasaina ” hambolena korontana “ny kilalao ary mety ‘ hanimba antsika [Rosiana] ara-panahy. “

Naka tamin'ny fomba malefaka kokoa ny fanaovana ny Pokémon Go ireo mpisera RuNet hafa. Lasa saina ireo vondrona mpanakanto sady mpamorona Rosiana avy ao amin'ny fiarahamonina 2D Among Us ao amin'ny VKontakte izay tambajotra sosialy lehibe indrindra  ao Rosia : Ahoana raha nitoetra tao amin'ny Firaisana Sovietika teo aloha ny toeran'ilay kilalao ary fenoina sarimiaina Sovietika taloha? Vita tsara mahafatifaty ny vokatry ny fikirakirana ny sary, nitondra an'i Cheburashka sy ireo sarin'ny sarimiaina malaza hafa tao anaty finday ary nametrahana gidro, boloky ary Kuzya avelo mpitabataba fetsifetsy fantatra any amin'ny endri-toerana mora ahafantarana an'i ny taorian'i Sovietika, toy ny garazy efa simba, toerana filalaovana sy sehatra indostria haolo.

Everyone's favorite big-eared wonder Cheburashka in front of a broken phone booth. Image from 2D Among Us.

I Cheburashka mahafatifaty lehibe sofina ankafizin'ny olon-drehetra eo anoloan'ny tranokely fiantsoana an-telefonina vaky iray. Sary: 2D Among Us.

Nampiasa  singa hafa tamin'ny lalao ihany koa ireo mpanakanto, tamin'ny fanoloana ny fitaovana pokeball ho baolina fingotra mena filalaon'ankizy. Tena hita ho efa mahazatra ireo antsipirihany rehetra hany ka nanamarika ny mpisera VKontakte iray fa tahaka ny “mandre mihitsy ny feon'ilay baolina izy”

The Monkey from 38 Parrots cartoon finds herself in a dilapidated factory setting. Image from 2D Among Us.

Tonga eo amin'ny tokotanin'orinasa efa haolo ilay gidro ao amin'ny sariitatra Boloky 38. Sary: 2D Among Us.

Nizara ireo sarin'ny mpilalao an-tsarimiaina na an-tsarimihetsika novaina ho sarin’ ny zavamisy mahazatra ny fiarahamonina 2D Among Us, nanome endrika maha-te-hilalao sy matetika mahatalanjona amin'ny zavatra hitantsika isan'andro manodidina antsika. Jereo ireo mpilalao sariitatra nakana aingam-panahy avy tamin'ny Pokémon Go maro kokoa ao amin'ny pejy VKontakte 2D Among Us.

The Dude (Muzhychok), a character from the great plasticine cartoon "Last Year's Snow Was Falling." Image from 2D Among Us.

Ilay bandy (Muzhychok), mpilalao ao amin'ny sarimiaina novolavolaina lehibe “Nilatsaka ny Orampanala Tamin'ny Herintaona.” Sary: 2D Among Us.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.