Taorian'ny Fihetsiketsehana, Najanona Tampoka Ny Fikasan'ny Governemanta Makedoniana Hahazo Fampindramam-bola Vahiny Eurobond

Protesters singing the Macedonian national anthem to the police cordon in front of Ministy of Finance on July 11, 2016. Photo by Vančo Džambaski, CC BY-NC-SA.

‘Revolisionera maroloko’ mihira ny hiram-pirenena Makedoniana ho an'ny polisy eo anoloan'ny Minisiteran'ny Vola nandritra ny fihetsiketsehana manohitra ny Eurobond vaovao tamin'ny 11 Jolay 2016. Sary avy amin'i Vančo Džambaski, CC BY-NC-SA.

Roa andro taorian'ny fihetsiketsehana goavana manohitra ny fampindramam-bola vahiny vaovao tao Skopje izay nokarakarain'ny Makedoniana, rava ny dingana famoahana Eurobond mampiadihevitra.

Niezaka mba hahazo renivola vaovao amin'ny famoahana Eurobond ny governemanta Makedoniana, karazana vola amidy amin'ny tsenan'ny banky Eoropeana. Araka ny filazan'ny praiminisitra, ilaina ny fampindramam-bola mitentina 650 tapitrisa euros (724 tapitrisa dolara) mba hiantohana ny fandoavana ny karama amin'ny fitantanam-panjakana marobe sy ny volan'ireo mpisotro ronono – vondrona mpifidy goavana izay mety ahafahan'ny antokon'ny fitondrana mijanona eo amin'ny fahefana amin'ny fifidianana manaraka.

Tombanana ho 1,1 lavitrisa euros (1.22 lavitrisa dolara) ny totalin'ny tombontsoa amin'ny Eurobond 10 taona vaovaon'i Makedonia. Matetika mindrana vola euro an-tapitrisany avy amin'ny mpampindram-bola ao amin'ny firenena ihany koa ny governemanta.

Tamin'ny 14 Jolay, namoaka vaovao roa momba ny Eurobond Makedonia ny Reuters. Ny voalohany, nitatitra ny sampam-baovao fa nampidinina fito taona ny fotoana famerenam-bola raha 10 taona izany teo aloha. Niteraka hatezerana fanampiny izany, satria mahatonga ny toekarena tsy hanam-potoana hivoarana ahafahana mizaka ny fandaniana ny fanafohezana ny fotoana famerenam-bola .

Mitombo ihany koa ny olana satria efa akaiky ny fe-potoana farany amin'ny famerenana ireo fampindramam-bola hafa nataon'ny governemanta elatra havanana ankehitriny nandritra ny 10 taona nitondrana. Nanamarika ny ampahany fotsiny amin'ireo trosa ireo ny mpisera Twitter Parg0:

Mety handao ity firenena ity ny atsasaky ny olona manatsaina alohan'ny taona 2020:
– 270 tapitrisa euros [300 tapitrisa dolara] – fe-potoana farany amin'ny 2020
– 500 tapitrisa euros [557 tapitrisa dolara] – fe-potoana farany amin'ny 2021
– 650 tapitrisa euros [724 tapitrisa dolara] – fe-potoana farany amin'ny 2023

Nivoaka tamin'ny hariva teo ny vaovao faharoa momba ny Eurobond, nitatitra ny Reuters fa “nahemotra” ny famoahana vola Euro satria nampametram-panontaniana ny maha ara-dalàna azy. Naharay taratasy avy amin'ny antokon'ny mpanohitra SDSM, nosoratan’ny Minisitra lefitry ny vola teo aloha Kire Naumov, izay mitanisa hevitra ara-dalàna mikasika ny olana hoavy amin'ny famerenana ny trosa, ireo banky miandraikitra ny fivarotana ny vola, antsoina hoe mpitari-daharana (Citi Bank, Deutsche Bank, Erste Bank ary ny Société générale CIB).

Nandritra ny alina, namoaka lahatsoratra fanehoan-kevitra sy filazana avy amin'ireo mpandalina ara-toekarena ny fampahalalam-baovao sasany mpitsikera ny governemanta izay milaza fa nijanona ny fifanarahana rehetra momba ny Eurobond ary nilaza koa fa famantarana izany fa tsy nahazo fanohanana iraisampirenena intsony ny governemanta.

Tamin'ny volana Novambra 2015, nandritra ny fotoana niasany amin'ny maha minisitra lefitry ny vola, nahavita nampihena ny totalin'ny trosa tamin'ny Eurobond teo aloha ho 270 tapirisa euro i Kire Naumov raha 500 tapitrisa euros izany teo aloha (tsy misy ny firotsahan'i Naumov an-tsehatra, napetraka teo amin'ny toerana ny mpikambana tao amin'ny mpanohitra noho ny fifanarahana Przino, fifanarahana izay narahin'ny Vondrona Eoropeana sy Etazonia maso tamin'ny taona 2015 mba hanatsaharana ny krizy ara-politika tany Makedonia sy hiantohana fifidianana ara-drariny.

Araka ny voarakitry ny fifanarahana, nanana fahefam-panakanana feno (veto) ny minisitra lefitra mpanohitra raha misy ny trosa vaovao, manery ny governemanta mba hifampiraharaha miaraka amin'ny mpanohitra izany. Saingy nosoloina mpikambana tao amin'ny antokon'ny fitondrana i Naumov tamin'ny volana Mey.

Namoaka fanambarana ny Minisiteran'ny Vola ho valin'ny taratasin'i Naumov, nilaza izy fa “madio” ny fifanarahana Eurobond fa ny mpanohitra no manimba ny firenena.

Tamin'ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra, tsy fantatra mazava na fanemorana fotsiny izany na fandresena vaovao ho an'ny mpanohitra ara-politika, sy ny hetsika ‘‘Revolisiona Maroloko” manohitra ny kolikoly sy ny tsy fahaiza-mitantan'ny governemanta ary ireo mpandray anjara voakasika hafa. Nilaza izy rehetra ireo fa miezaka hanakana an'i Makedonia tsy hilentika lalina ao anatin'ny trosa, tahaka ny zava-nitranga ao amin'ny firenena mpifanolo-bodirindrina, Gresy taona maro lasa izy ireo.

"Enough of new debt and stupid 'investments'".

“Aoka izay ny trosa vaovao sy ny “fampiasam-bola” tsy misy dikany” hoy ny vakin'ny sary amin'ny pejy Facebook “Hopitaly, sekoly, akanin-jaza, orinasa fanadiovan-drano, fampidiran-drano. Tafiditra anaty trosa vaovao isika mba handoavana karama sy vola fisotroan-dronono, kanefa mampiasa vola 18 tapitrisa euros amin'ny Ferris Wheel? Tsy mila trosa fanampiny sy ‘fampiasam-bola’ tsy misy dikany intsony!”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.