- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Atleta 10 Avy Aminà Firenena Efatra Handray Anjara Amin'ny Lalao Olimpika Ambany Faneva Tokana: Mpitsoa-ponenana

Sokajy: Brezila, Etiopia, R.D. Kongo, Sodàna Atsimo, Syria, Ady & Fifandirana, Fanatanjahantena, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifindràmonina, Hevitra, Mediam-bahoaka, Mpitsoa-ponenana, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna, Vaovao Tsara, Vonjy Voina, Zon'olombelona
57515cb04

Ny ekipa raikitra ho an'ireo Atleta Olimpika Mpitsoa-ponenana. Loharano: Pejy Facebook UNHCR. [1]

Amin'ity taona ity, ho voalohany hatrizay hampiantrano ekipanà mpitsoa-ponenana ranoray ny Lalao Olaimpika izay hatao any Rio de Janeiro. Misy atleta lehilahy enina ary vehivavy efatra ilay ekipa, izay nitsoaka an'i Sodana Atsimo, ny Repoblika Demokratikan'i Kongô, Syria sy Etiopia. Hifaninana ao amin'ireo lalao izy ireo, ary hiditra amin'ny lanonam-panokafana eo amin'ny Kianja Maracana [2] eo ambany saina Olaimpika.

Olona telo amby efapolo no nifananinana hiditra tao amin'ny ekipan'ireo mpitsoa-ponenana. Nambaran'ny  [3]Filohan'ny Kaomity Olaimpika Iraisampirenena (IOC),  Thomas Bach, ny vaovao tsara, fony izy namboraka ilay ekipa tamin'ny mpanao gazety.

Tsy manana trano, tsy manana ekipa, tsy manana saina, tsy manana hiram-pirenena ireo atleta mpitsoa-ponenana ireo. Homentsika trano izy ireo ao amin'ny Tanànan'ny Lalao Olaimpika, miaraka amin'ireo atleta rehetra erantany. Hatao hanomezam-boninahitra azy ireo ny hiran'ny Lalao Olaimpika, ary hitondra azy ireo eny amin'ny Kianja Olaimpika ny sainan'ny Lalao Olaimpika.

Ireto ny sasany amin'ireo tantaran'izy ireo.

Mpilomano avy any Syria

Rami Anis [4], 25 taona, sy Yusra Mardini [5], 18 taona, mpilomano roa avy any Syria izay handray anjara ao amin'ny ekipan'ireo mpitsoa-ponenana.

Yusra, screenshot Youtube [5]

Mpilomano Siriana Yusra Mardini. Pikantsary avy amin'ny YouTube.

Nitsoaka ny tanàna fonenany tany Damaskaosy i Yusra sy ny rahavaviny ny  Aogositra 2015, nihazo an'i Libanona sy Torkia aloha, izay nanakaramany mpampiampita mba hiampitàna ny ranomasiana Egée ho any Gresy sy hitady fialokalofana tany Eorôpa [6]. Araka ny tantara avy tamin'ny radio Amerikana NPR [7] tsy mitady vola, nanomboka nampidi-drano ilay sambokely nampiampita azy ireo, ka lasa nitsambikina tao anaty ranomasina i Yusra sy ny rahavaviny, izay samy mahay milomano tsara, mba hampitsingevana tsara ilay sambokely efa hilentika. Taorian'ny naha tao anaty rano azy ireo nandritra ny adiny telo sy sasany, tonga tao amin'ny nosy Lesbos ihany ny farany izy ireo.

Tany Alemana, izay toerana niafarany, nifandray taminà kliobanà lomano izy ary nanomboka niofana ho amin'ny Lalao Olaimpika.

Tao aminà lahatsary [8] navoakan'ny IOC, nilazalaza ny fiofanany farany tany Syria toy izao i Yusra “mijery ambony eny amin'ny tafon'ny dobo filomanosana ary mahita ny lanitra avy amin'ireo lavaka vokatry ny baomba, .”

Indrisy, raha manamarika ny fanokafana ny Lalao Olaimpikan'i Rio ny taona 2016, manamarika ny fahadimy taonan'ny ady any Syria, izay tsy mbola hita hifarana, ihany koa io.

Judokà avy any Kongô

Screen Shot 2016-06-22 at 00.47.37 [9]

Yolande Mabika. Dikasary avy tamin'ny YouTube

Popole Misenga [10], 24 taona, sy Yolande Mabika [9], 28 taona, nangataka fialokalofana tany Brezila raha tonga tao amin'io firenena io tamin'ny Fifaninanana Maneran-tany amin'ny taranja Judo tany Rio ny taona 2013 [11].

Samy avy tany Bukavu any atsinanan'ny Repoblika Demokratikan'i Kongô izy roa, toerana izay mbola mitoetra hatrany ny herisetra sy ireo fanitsakitsahana ny zon'olombelona na efa tapitra aza ny Ady Faharoan'i Kongô [12].

Screen Shot 2016-06-22 at 00.47.11 [10]

Judoka Popole Misenga, Pikantsary avy ao amin'ny YouTube

Samy nilaza izy roa ireo fa samy niharan'ny fitondràna ratsy nataon'ny mpampiofana azy ireo rehefa miverina any Kongô isaky ny resy tamin'ny fifaninanana. Araka ny lazain'izy ireo, nohidiny tao amin'ny toerana iray izy ireo ary noferana ny sakafo nohaniny [13].

Taorian'ny nahazoany fialokalofana matotra tany Brezila, nipetraka tany Rio de Janeiro izy ireo ary nomena fanofanana tao amin'ny sekoly fianarana judo naorin'i Flavio Canto, Breziliana nahazo medaly alimo tamin'ny Lalao Olaimpika.

Araho ireo atleta avy any Sodana Atsimo

Nandritra ny 30 volana, nanosika ireo mpitsoa-ponenana an-hetsiny hifindra any amin'ireo firenena mifanila aminy ny Ady an-tranon'i Sodana Atsimo [14]. Fa voafidy hanjohy ny ekipan'ny mpitsoa-ponenana ireo Sodane atleta dimy tsara vintana, nipetraka tany Kenya.

Ireto avy izy ireo : Paulo Amotun Lokoro, 24 taona, Yiech Pur Biel, 21 taona, Rose Nathike Lokonyen, 23 taona, Anjelina Nadai Lohalith, 21 taona, ary James Nyang Chiengjiek, 28 taona. Atleta avy any Sodana Atsimo mipetraka sy mikotrana any Kenya daholo ankehitriny izy dimy, ary hifaninana amin'ny hazakazaka  800-1.500 metatra any amin'ireo Lalao Olaimpika.

Nizara tantara mampihoron-koditra mikasika ny fitsoahany, ny hanohanana, ary ny fijaliana amin'ny maha-mpitsoa-ponenana izy ireo. Nilaza [15] izao tao amin'ny Radio Tamazuj, mpanome vaovao isanandro mahenika an'i Sodana Atsimo, i Yiech:

Tao amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana, tsy nanana fotodrafitrasa izahay – na kiraro aza tsy nanananay. Tsy nisy toerana fanazarantena akory. Na ny toetrandro aza tsy tsara nanaovana fanazarantena satria mamay be sy mainandro manomboka maraina ka hatramin'ny hariva

Mpihazakazaka lavitrezaka avy any Etiopia

Screen Shot 2016-06-22 at 01.13.19 [16]

Yonas Kinde, Etiopiana mpihazakazaka. Pikantsary avy ao amin'ny YouTube

Mpihazakazaka lavitrezaka Yonas Kinde [17], 36 taona, ho ao amin'ny Ekipa Olaimpikan'ny Mpitsoa-ponenana ao Rio ihany koa ny taona 2016, raha nitsoaka an'i Etiopia . Niaina dimy taona tao Luxembourg izy, nianatra teny frantsay matetika ary nitondra fiarakaretsaka mba hahazoana vola hiainana.

“Tena tsy nety tamiko intsony ny niaina tany… loza mananontanina be amin'ny fiainako,” hoy izy tamin'ny masoivohon'ny mpitsoa-ponenan'ny Firenena Mikambana, mikasika ny firenena nonenany.

Manao fanazarantena indroa isanandro izy mba hiomanana amin'ireo lalao. “Handray anjara amin'ny Lalao Olaimpika aho. Hirehareha aho. Ho faly aho,” hoy [18] i Kinde tamin'ny mpanao gazety avy tamin'ny vohikala ofisialin'ny Lalao Olaimpika. Mbola hitany fa sarotra aminy ihany ny miresaka ny antony nandaozany an'i Etiopia.

In a Music Video, Refugees Say Thanks to Brazil for Welcoming Them.

Taminà lahatsary mozika [19]ny taona 2015, nisaotra an'i Brezila ireo mpitsoa-ponenana noho ny fandraisany tsara azy ireo.

Fampiantranoana tsara

Nitombo tokoa ny fangatahana fialokalofana tany Brezila tato anatin'ireo taona vitsy lasa. Ny taona 2010, latsaky ny olona an'arivony no nangataka fialokalofana tao Brezila. Ny taona 2015, maherin'ny 28.000 io.

Ankehitriny, fonenana ho an'ireo mpitsoa-ponenana voarakitra miisa 8.863 i Brezila (ankoatra ireo mpangataka fialokalofana miaina ao amin'ny firenena) avy amin'ireo firenena 81 isa, araka ny Kaomity Nasionaly Breziliana ho an'ireo Mpitsoa-ponenana (CONARE). Avy any Syria, Kôlômbia, Angôla ary Repoblika Demokratikan'i Kongô ny ankamaroan'izy ireo.

Nanana politikanà varavarana misokatra ho an'ireo nitady fialokalofana i Brezila — nomena taratasy fanamarinam-ponenana izy ireo, fahazoandàlana hiasa ary antontan-taratasy vonjimaika  fahazoana mivezivezy raha tapitra ny fepotoan'ny fialokalofany. Na tsy manome trano na manome tombotsoa manokana ho an'ireo mpitsoa-ponenana sy mpangataka fialokalofana aza ny governemanta, malalaka ny hivezivezy sy hitady asa ao amin'ny faritr'i Brezila izy ireo, ary afaka mahazo ny tolotra fitsaboana an'ny fanjakana ihany koa.

Fa tsy vaovao tsara foana akory ny an'ireo mpitsoa-ponenana any Brezila. Miasa ny governemanta tetezamita, raha ny Filoha voafidy Dilma Rousseff, izay miandry ny fitsaràna azy farany ho amin'ny fanesorana azy amin'ny toerany, nanambara fa hampiato ireo fifanarahana rehetra nifanaovana tamin'ny Vondrona Eorôpeana izy [20] mikasika ny fametrahana indray ireo mpitsoa-ponenana ao amin'ny firenena.

Kanefa, herinandro vitsy tsy ho tonga amin'ny Lalao Olaimpika, nandray tsara ny ekipa mpitsoa-ponenana i Brezila, hoy [21] i Mario Cilenti, talen'ny Kaomitin'ny Lalao Olaimpika Nasionaly 2016 sy ny Tànana Olaimpika any Rio :

Vaovao tena mahafinaritra kosa hoe nanangana ekipa iray ho an'ny atleta mpitsoa-ponenana ny IOC, mba hifaninana any amin'ireo Lalaon'i Rio ny taona 2016. Eo ankilan'ireo atleta maro avy amin'ny lafivalon'ny tany, ho voaray an-tànan-droa ao amin'ny Tànan'ny Lalao Olaimpika izy ireo, ary avy amin'ireo mpikamban'ny Rio 2016 rehetra, ary mino izahay fa ho raisin'ireo Breziliana tsara amin'ny hafanam-po ahafantarana azy ireo ihany koa ry zareo.

Raha nanao fanehoankevitra toy izao ny Filohan'ny IOC, Thomas Bach:

Ho mariky ny fanantenana io, ho an'ireo mpitsoa-ponenana rehetra manerana ny tanintsika, ary hampahafantatra ny tany bebe kokoa ny halehiben'io kirizy io.