
Ny ekipa raikitra ho an'ireo Atleta Olimpika Mpitsoa-ponenana. Loharano: Pejy Facebook UNHCR.
Amin'ity taona ity, ho voalohany hatrizay hampiantrano ekipanà mpitsoa-ponenana ranoray ny Lalao Olaimpika izay hatao any Rio de Janeiro. Misy atleta lehilahy enina ary vehivavy efatra ilay ekipa, izay nitsoaka an'i Sodana Atsimo, ny Repoblika Demokratikan'i Kongô, Syria sy Etiopia. Hifaninana ao amin'ireo lalao izy ireo, ary hiditra amin'ny lanonam-panokafana eo amin'ny Kianja Maracana eo ambany saina Olaimpika.
Olona telo amby efapolo no nifananinana hiditra tao amin'ny ekipan'ireo mpitsoa-ponenana. Nambaran'ny Filohan'ny Kaomity Olaimpika Iraisampirenena (IOC), Thomas Bach, ny vaovao tsara, fony izy namboraka ilay ekipa tamin'ny mpanao gazety.
Tsy manana trano, tsy manana ekipa, tsy manana saina, tsy manana hiram-pirenena ireo atleta mpitsoa-ponenana ireo. Homentsika trano izy ireo ao amin'ny Tanànan'ny Lalao Olaimpika, miaraka amin'ireo atleta rehetra erantany. Hatao hanomezam-boninahitra azy ireo ny hiran'ny Lalao Olaimpika, ary hitondra azy ireo eny amin'ny Kianja Olaimpika ny sainan'ny Lalao Olaimpika.
Ireto ny sasany amin'ireo tantaran'izy ireo.
Mpilomano avy any Syria
Rami Anis, 25 taona, sy Yusra Mardini, 18 taona, mpilomano roa avy any Syria izay handray anjara ao amin'ny ekipan'ireo mpitsoa-ponenana.
Nitsoaka ny tanàna fonenany tany Damaskaosy i Yusra sy ny rahavaviny ny Aogositra 2015, nihazo an'i Libanona sy Torkia aloha, izay nanakaramany mpampiampita mba hiampitàna ny ranomasiana Egée ho any Gresy sy hitady fialokalofana tany Eorôpa. Araka ny tantara avy tamin'ny radio Amerikana NPR tsy mitady vola, nanomboka nampidi-drano ilay sambokely nampiampita azy ireo, ka lasa nitsambikina tao anaty ranomasina i Yusra sy ny rahavaviny, izay samy mahay milomano tsara, mba hampitsingevana tsara ilay sambokely efa hilentika. Taorian'ny naha tao anaty rano azy ireo nandritra ny adiny telo sy sasany, tonga tao amin'ny nosy Lesbos ihany ny farany izy ireo.
Tany Alemana, izay toerana niafarany, nifandray taminà kliobanà lomano izy ary nanomboka niofana ho amin'ny Lalao Olaimpika.
Tao aminà lahatsary navoakan'ny IOC, nilazalaza ny fiofanany farany tany Syria toy izao i Yusra “mijery ambony eny amin'ny tafon'ny dobo filomanosana ary mahita ny lanitra avy amin'ireo lavaka vokatry ny baomba, .”
Indrisy, raha manamarika ny fanokafana ny Lalao Olaimpikan'i Rio ny taona 2016, manamarika ny fahadimy taonan'ny ady any Syria, izay tsy mbola hita hifarana, ihany koa io.
Judokà avy any Kongô
Popole Misenga, 24 taona, sy Yolande Mabika, 28 taona, nangataka fialokalofana tany Brezila raha tonga tao amin'io firenena io tamin'ny Fifaninanana Maneran-tany amin'ny taranja Judo tany Rio ny taona 2013.
Samy avy tany Bukavu any atsinanan'ny Repoblika Demokratikan'i Kongô izy roa, toerana izay mbola mitoetra hatrany ny herisetra sy ireo fanitsakitsahana ny zon'olombelona na efa tapitra aza ny Ady Faharoan'i Kongô.
Samy nilaza izy roa ireo fa samy niharan'ny fitondràna ratsy nataon'ny mpampiofana azy ireo rehefa miverina any Kongô isaky ny resy tamin'ny fifaninanana. Araka ny lazain'izy ireo, nohidiny tao amin'ny toerana iray izy ireo ary noferana ny sakafo nohaniny.
Taorian'ny nahazoany fialokalofana matotra tany Brezila, nipetraka tany Rio de Janeiro izy ireo ary nomena fanofanana tao amin'ny sekoly fianarana judo naorin'i Flavio Canto, Breziliana nahazo medaly alimo tamin'ny Lalao Olaimpika.
Araho ireo atleta avy any Sodana Atsimo
Nandritra ny 30 volana, nanosika ireo mpitsoa-ponenana an-hetsiny hifindra any amin'ireo firenena mifanila aminy ny Ady an-tranon'i Sodana Atsimo. Fa voafidy hanjohy ny ekipan'ny mpitsoa-ponenana ireo Sodane atleta dimy tsara vintana, nipetraka tany Kenya.
Ireto avy izy ireo : Paulo Amotun Lokoro, 24 taona, Yiech Pur Biel, 21 taona, Rose Nathike Lokonyen, 23 taona, Anjelina Nadai Lohalith, 21 taona, ary James Nyang Chiengjiek, 28 taona. Atleta avy any Sodana Atsimo mipetraka sy mikotrana any Kenya daholo ankehitriny izy dimy, ary hifaninana amin'ny hazakazaka 800-1.500 metatra any amin'ireo Lalao Olaimpika.
Nizara tantara mampihoron-koditra mikasika ny fitsoahany, ny hanohanana, ary ny fijaliana amin'ny maha-mpitsoa-ponenana izy ireo. Nilaza izao tao amin'ny Radio Tamazuj, mpanome vaovao isanandro mahenika an'i Sodana Atsimo, i Yiech:
Tao amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana, tsy nanana fotodrafitrasa izahay – na kiraro aza tsy nanananay. Tsy nisy toerana fanazarantena akory. Na ny toetrandro aza tsy tsara nanaovana fanazarantena satria mamay be sy mainandro manomboka maraina ka hatramin'ny hariva
Mpihazakazaka lavitrezaka avy any Etiopia
Mpihazakazaka lavitrezaka Yonas Kinde, 36 taona, ho ao amin'ny Ekipa Olaimpikan'ny Mpitsoa-ponenana ao Rio ihany koa ny taona 2016, raha nitsoaka an'i Etiopia . Niaina dimy taona tao Luxembourg izy, nianatra teny frantsay matetika ary nitondra fiarakaretsaka mba hahazoana vola hiainana.
“Tena tsy nety tamiko intsony ny niaina tany… loza mananontanina be amin'ny fiainako,” hoy izy tamin'ny masoivohon'ny mpitsoa-ponenan'ny Firenena Mikambana, mikasika ny firenena nonenany.
Manao fanazarantena indroa isanandro izy mba hiomanana amin'ireo lalao. “Handray anjara amin'ny Lalao Olaimpika aho. Hirehareha aho. Ho faly aho,” hoy i Kinde tamin'ny mpanao gazety avy tamin'ny vohikala ofisialin'ny Lalao Olaimpika. Mbola hitany fa sarotra aminy ihany ny miresaka ny antony nandaozany an'i Etiopia.

Taminà lahatsary mozika ny taona 2015, nisaotra an'i Brezila ireo mpitsoa-ponenana noho ny fandraisany tsara azy ireo.
Fampiantranoana tsara
Nitombo tokoa ny fangatahana fialokalofana tany Brezila tato anatin'ireo taona vitsy lasa. Ny taona 2010, latsaky ny olona an'arivony no nangataka fialokalofana tao Brezila. Ny taona 2015, maherin'ny 28.000 io.
Ankehitriny, fonenana ho an'ireo mpitsoa-ponenana voarakitra miisa 8.863 i Brezila (ankoatra ireo mpangataka fialokalofana miaina ao amin'ny firenena) avy amin'ireo firenena 81 isa, araka ny Kaomity Nasionaly Breziliana ho an'ireo Mpitsoa-ponenana (CONARE). Avy any Syria, Kôlômbia, Angôla ary Repoblika Demokratikan'i Kongô ny ankamaroan'izy ireo.
Nanana politikanà varavarana misokatra ho an'ireo nitady fialokalofana i Brezila — nomena taratasy fanamarinam-ponenana izy ireo, fahazoandàlana hiasa ary antontan-taratasy vonjimaika fahazoana mivezivezy raha tapitra ny fepotoan'ny fialokalofany. Na tsy manome trano na manome tombotsoa manokana ho an'ireo mpitsoa-ponenana sy mpangataka fialokalofana aza ny governemanta, malalaka ny hivezivezy sy hitady asa ao amin'ny faritr'i Brezila izy ireo, ary afaka mahazo ny tolotra fitsaboana an'ny fanjakana ihany koa.
Fa tsy vaovao tsara foana akory ny an'ireo mpitsoa-ponenana any Brezila. Miasa ny governemanta tetezamita, raha ny Filoha voafidy Dilma Rousseff, izay miandry ny fitsaràna azy farany ho amin'ny fanesorana azy amin'ny toerany, nanambara fa hampiato ireo fifanarahana rehetra nifanaovana tamin'ny Vondrona Eorôpeana izy mikasika ny fametrahana indray ireo mpitsoa-ponenana ao amin'ny firenena.
Kanefa, herinandro vitsy tsy ho tonga amin'ny Lalao Olaimpika, nandray tsara ny ekipa mpitsoa-ponenana i Brezila, hoy i Mario Cilenti, talen'ny Kaomitin'ny Lalao Olaimpika Nasionaly 2016 sy ny Tànana Olaimpika any Rio :
Vaovao tena mahafinaritra kosa hoe nanangana ekipa iray ho an'ny atleta mpitsoa-ponenana ny IOC, mba hifaninana any amin'ireo Lalaon'i Rio ny taona 2016. Eo ankilan'ireo atleta maro avy amin'ny lafivalon'ny tany, ho voaray an-tànan-droa ao amin'ny Tànan'ny Lalao Olaimpika izy ireo, ary avy amin'ireo mpikamban'ny Rio 2016 rehetra, ary mino izahay fa ho raisin'ireo Breziliana tsara amin'ny hafanam-po ahafantarana azy ireo ihany koa ry zareo.
Raha nanao fanehoankevitra toy izao ny Filohan'ny IOC, Thomas Bach:
Ho mariky ny fanantenana io, ho an'ireo mpitsoa-ponenana rehetra manerana ny tanintsika, ary hampahafantatra ny tany bebe kokoa ny halehiben'io kirizy io.
Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...