- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Herinandro Tato Amin'ny Global Voices Podcast: Fahafahana, Fa Tsy Fifehezana

Sokajy: India, Myanmar (Birmania), Nepal, Pôrtô Rikô (Etazonia), Shina, Ady & Fifandirana, Fanampenam-bava, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, Global Voices Podcast

Amin'ity herinandro ity izahay hitondra anao any Kashmir fehezin'i India [1], Nepal [2] [mg] ary Shina [3]. Niresaka ihany koa izahay tamin'ny mpandray anjara ato amin'ny Global Voices, Angel Carrion, momba ny fanoheran'ny Porto Rikana ny fananganan'i Etazonia Birao Farahamaso ny Hetra [4], ary nifampitafa tamin'ny mpanoratra tato amin'ny Global Voices, Thant Sin, momba ny fielezan'ny fanohanana manampahefana iray ao Myanmar [5] [mg] izay nahasahy nihantsy ny vondrona nasionalista radikaly bodista iray.

Ity fizaran-tantara ity dia manasongadina ny fitantaran'i Kisholoy Mukherjee, Vishal Manve, Sanjib Choudhary, Oiwan Lam, Angel Carrion ary Thant Sin. Isaorana indrindra ny mpanoratra, mpandika lahatsoratra ary ny tonia rehetra izay nanampy tamin'ny fanatontosana azy ity.

Amin'ity fizaran-tantara Ny Herinandro Tato Amin'ny Global Voices ity izahay, manasongadina ireo hira nahazo lisansa Creative Commons avy amin'ny Arisivan'ny Mozika Malalaka (Maimaim-Poana), ka tafiditra amin'izany ny Please Listen Carefully avy amin'i Jahzzar [6]; The Universal Fluff Theory [7] avy amin'i Krackatoa; Anamorphic Orchestra [8]avy amin'i Alan Singley; Origami 1726 [9]avy amin'ny Blue Dot Sessions; Driving me backwards [10] avy amin'i Phil Reavis; ary Carcrashlander Instrumentals [11] avy amin'i Cory Gray.

Ny sary nampiasaina ho hajia Soundcloud dy avy amin'i Andres Musta [12]. Navoaka tao amin'ny Flickr. Nopihana tamin'ny 2 Janoary 2012. (CC BY-NC-ND 2.0)