- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

O Ry Ilay Tanànakelin'i Danghara: Maneso Ny ‘Fahitana’ Ara-tantara Ireo Mpisera Facebook Ao Tajikistan

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Tajikistan, Hehy, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Siansa, Tantara
One of the humorous reactions to scholars claiming that a town in Tajikistan is 4,000 years old. The image depicts dinosaurs roaming the earth with two road signs pointing the way to Danghara. Posted on Asia-Plus Media Group's Facebook page, July 16, 2016. [1]

iray amin'ireo fanehoan-kevitra mahatsikaiky ho an'ireo manampahaizana izay nilaza fa 4000 taona ny tanàna iray ao Tajikistan. Mampiseho dinaozôro mivezivezy amin'ny tany malalaka miaraka amin'ny fanondroana làlana mankany Danghara ny sary. Nalefa tao amin'ny pejy Facebook-n'ny Vondrona Fampitam-baovao Asia-Plus 16 Jolay 2016.

Raharaham-barotra lehibe ao Tajikistan ny mitady ny fototra ela indrindra nihavian'ireo toerana maoderina ankehitriny. [2]

Mampiasa ny tsingerintaonan'ny fahitana vaovao ara-tantara ny governemanta mba hanamarinana ireo tetikasa fanorenana goavana sy ireo lanonana maro manerana ny firenena.

Mahazo tombontsoa isan-karazany ny mpahay tantara rehefa manitatra ny tantaram-pirenena hatrany amin'ny farany izay ela indrindra araka izay azo atao.

Raha ho an'ny olon-tsotra, maro amin'izy ireo no faly mahafantatra fa antitra kokoa sy misy dikany kokoa noho izay noeritreretiny ireo tanànany sy ny tanànakeliny.

Kanefa matetika mampihomehy ihany ny fanambarana vaovao momba ny fahitana ara-tantara ao amin'ny firenena .

Tamin'ny 14 Jolay, nilaza [3]  ny filohan'ny Akademian'ny Siansa ao Tajikistan fa efa mihoatra ny 4000 taona ny tanàna kely any atsimon'ny firenena antsoina hoe Danghara [4](azo atao koa hoe Dangara ).

Midika hoe “tanàna mitokatokana” io toerana any ambanivohitra io ho an'ny olona maro ao amin'ny firenena.

Na izany aza, tanàna manana ny maha izy azy i Danghara amin'ny maha toerana nahaterahan'ny filoham-pirenena [5] azy ary nahaterahan'ny manampahefana ambony maro hafa sy depiote koa.

“Mbola antitra kokoa noho ny dikin'ny mammoth”

Nandefa [6] tatitra momba ny fanavaozana ny taonan'i Danghara tao amin'ny pejy Facebook [7]-ny ny sampam-baovao tsy miankina tranainy indrindra ao amin'ny firenena Asia-Plus.

Lasa foto-kevitra mampihomehy avy hatrany ilay vaovao .

Maro no naneso ireo manam-pahaizana tamin'ny alàlan'ny fanoloran-kevitra fa mbola antitra kokoa noho izay nilazana azy ny tanàna .

Nanoratra [8] i Zamira, ohatra :

Ну зачем же так мелочиться? ученые немного ошиблись, нужно глубже капнуть и окажется, что самая древняя цивилизация на земле.

Nahoana no mieritreritra zavatra kely loatra? Nanao fahadisoana kely ireo manam-pahaizana; raha mandalina bebe kokoa izy ireo dia hametraka fa io no sivilizasiona tranainy indrindra eto an-tany .

Nanome soso-kevitra [9] i Ma'ruf  :

Дангара древнее Рима!

Mbola tranainy kokoa noho i Roma i Danghara !

Nitanisa [10] angano fahagola iray i Afzalshoh :

Дангара это древняя Атлантида

Danghara no Atlantis fahiny.

Nivazivazy [11] i Malika hoe:

Адам и Ева тоже были из Дангары )

 Avy ao Danghara ihany koa i Adama sy Eva)

Nanampy [12] i Nazar hoe :

Там была высшая цевилизацыя в эру динозавров еще

Nanana sivilizasiona ambony sahady ry zareo tamin'ny vanimpotoanan'ny dinaozôro

Niombon-kevitra [13] i Parvina :

Да древнее фекалий мамонта)))

Eny, ela niainana kokoa noho dikin'i mammoth ny [ny tanàna] )))

Nanolo-kevitra [14] ny handeha hiverina lavidavitra kokoa amin'ny fotoana i Mubin :

Жизнь зародилась в Дангаре.

Nipongatra tao Danghara ny fiainana araka ny fantatsika .

“Akademin'ny Fahadalàna”

Nanontany ny fahalamantsain'ireo manam-pahaizana tompon'andraikitra sy ny antony manosika azy ireo ny amin'ny zavatra hitany ireo mpisera aterineto sasany.

Nanontany [15] i Kahhorjon hoe :

Уважаемые академики, вам что нечем заняться? Мне кажется это не академия наук, а академия тупых!

Ry akademisianina, tsy manana zavatra tsara kokoa hatao ve ianareo ? Toa tahaka ny Akademian’ ny fahadalana ny anareo fa tsy an'ny siansa.

Nandefa soso-kevitra [16] i Suhrob  :

кажется президент академии наук метит на более высокую должность

Toa maminavina toerana ambony kokoa ny Filohan'ny Akademian'ny Siansa

Nanampy [17] hoe i Muhiddin:

Экономически мотивированные ученые, на любую глупость могут пойти

Amin'ny mety ho fandrisihana ara-bola , hanao izay azony hatao rehetra ny mpampianatra ambony.

Tsy nohazavain'ny tati-baovao raha nanana porofo azo antoka ho fanohanana ny fanambarany ireo manam-pahaizana eo an-toerana .

Naneho hevitra momba ny tatitra tamin'ny alàlan'ny famoahana sary mampihomehy ny mpisera aterineto iray.

Ny asehon'ilay sary dia ny filohan'ny Akademian'ny Siansa nilaza fa 4000 taona i Danghara. Namaly ilay manam-pahaizana rehefa nanontaniana raha manana porofo hanohanany ny fanambarana izy hoe: “mianiana eo anatrehan'ny reniko aho[izay no tena izy]”.

Ancient DangharaNanazava [18] tamim-panesoana ny antony tsy nampiangana an'i Danghara fahiny i Farhat.

Amin'ny fanaovana izany izy, manao fampitahana amin'ny vanim-potoana ankehitrinin'i Tajikistan izay ny tompon'ny tanàna no mameno ny ambaratonga antenantenany sy ambony ao amin'ny governemanta:

Причина почему древнее население покинуло ясно. Так как история циклична одним из правителей Саразмской цивилизации 4000 лет назад стал житель Дангары и остальные поехали с семьями в центральные города что бы получить должности.

Mazava ny antony mahatonga ireo mponina sisa fahiny nandao an'i [Danghara]. Manana ny fotoanany ny tantara ; lasa mpanapaka ny sivilizasiona Sarazm ny iray amin'ireo teratany ao Danghara 4000 taona lasa izay. Nifindra tany amin'ny tanàndehibe mba haka toerana ao amin'ny [governemanta] ireo mponina sisa tao amin'ny tanàna.

Tsy midika akory izany fa miahiahy ny fitantarana ara-tantara ofisialy ny olona rehetra ao amin'ny firenena na be dia be toy izany aza ireo hatsikana .

Maro an'isa, angamba, ny olona ao amin'ny firenena no mino izany.

Zava-dehibe ihany koa ny manamarika fa toerana manokana mahavokatra vazivazin-kevitra mampieritreritra ny pejy Facebook-n'i Asia-Plus, ilay sampam-baovao nizara voalohany ny vaovao momba ilay fahitana .

Nandritra ny volana maromaro, nizara tati-baovao maro tao amin'ny pejy miaraka amin'ireo fanamarihana izay nisarika ny sain'ny olona ny sampan-draharaha ary manomana ny mpamaky hanao ny fifanakalozan-kevitra ho amin'izany.