- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hafa Ny Fomba Fijerin'ny Vehivavy Azerbaijani Ny #TsyMatahotraMitenyAho

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Azerbaijan, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta
Sexual violence. Wikimedia image.

Herisetra ara-nofo. Sary:Wikimedia.

Satria aho vehivavy Azerbaijani dia tena mahafinaritra ahy ny manaraka ny tantaran'i # яНебоюсьСказать (#TsyMatahotraMitenyAho) izay natombok'ilay [1] mpikatroka Okrainiana  Anastasiya Melnychenko mba hiresahana ny trangan'ny herisetra ara-nofo, ara-batana ary ara-tsaina atao amin'ny vehivavy.

Tsy iharan'ny fanorisorenana ara-nofo na ara-batana fotsiny foana ihany akory ireo vehivavy ao Azerbaijan, Kyrgyzstan, Okraina, Belarosia na Rosia fa hita ho mahatonga ireo zavatra atao amin'ny tenany ihany koa.

Nilaza ny fomba fisainana misongadina iray fa “izy ihany no nahatonga izany ho an'ny tenany” sy / na “fahadisoany izany”.

Ny antony dia satria manala baraka loatra ny fanolanana,ny herisetra sy ny fanorisorenana ao amin'ny kolontsainay, matetika mangina ireo niharam-boina ary miezaka ny hanadino ny zavatra niainany ka tsy miresaka momba ilay izy intsony.

Mihatra kokoa  amin'i Azerbaijan mpandala ny nentin-drazana kokoa angamba izany noho ny ankamaroan'ireo firenena hafa any amin'ny Firaisana Sovietika teo aloha.

Ny fifikiran'ny fomba fisainana ho “fahadisoan'ny vehivavy izany” no manazava ny fitondran-tenan'ny vehivavy Azerbaijani mpisera aterineto ao amin'ny Facebook izay tena mbola mangina momba ny tantarany, izay mifangarika amin'ny fanehoan-kevitra sahisahy tampoka avy amin'ny ampahany amin'ireo mpisera Rosiana, Okrainiana ary Belarosiana.

Niharan'ny fanorisorenana imbetsaka ity mpanoratra ity tahaka ny vehivavy Azerbaijani rehetra ihany.

Maro aminay no efa niaina fanorisorenana tao anaty metros sy ny fiara fitaterana feno olona tao Baku rehefa handeha hiasa.

Iray amin'ireo “toerana” sy “fotoana mety” vitsy azon'ireo lehilahy hikasihana fitombenana na hitakisikisinana amin'ny vatan'ny vehivavy izany ary matetika avy any aoriana foana satria fihetsiky ny kanosa ny fanorisorenana.

Mafy ny miaina anatin'izany fahatsiarovana lalina izany ary ny fahanginan'ny #demeyeqorxmuram – izay #TsyMatahotraMitenyAho amin'ny Azeri- no milaza ny tantarany manokana.

Ny tranga niseho tamin'i Aytac Babayeva (#AytacBabayeva) no nanaovan'ny mpisera aterineto Azerbaijani fiaraha-mientana farany ho setrin'ny herisetra atao amin'ny vehivavy, mpianatra iray nahazo diplaoma tamin'ny sekoly ambony vao haingana izy ary nodarohan'ny olon-tiany teo aloha im-balo noho ny hasarotapiaro.

Tohero ny tsy fahalalana

Maneho ny hatezerany tamin'ny fahatesan'ilay tanora #AytacBabayeva [4] ao amin'ny aterineto ireo Tiorka sy Azerbaijaney

Voaolana i Ozgecan Aslan, 20 taona, ary avy eo novonoina tamin-kerisetra tao Torkia volana vitsivitsy monja talohan'ny namonoana an'i Aytac.

Betsaka kokoa ireo mpisera Tiorka no nizara ny raharaha noho ireo mpisera Azerbaijani tamin'ny famonoana an'i Aytac.

Nahatratra 721 ny isan'ny vehivavy maty vokatry ny herisetra an-tokantrano tamin'ny 2014 tao Azerbaijan araka ny notantarain'ny sampandraharaha BBC amin'ny teny Azeri tamin'izany fotoana.

Mety betsaka noho izany aza ny tena isa marina.

Tsy naharesy lahatra mihitsy ny fifanakalozan-kevitra tao amin'ny #TsyMatahotraMitenyAho amin'ny teny Azeri  kanefa, mahavariana, nozaraina betsaka ny lahatsoratra  vitsy izay niresaka ny lohahevitra :

I always want to ask those who say, “it is her fault, what the hell was she doing at that hour on her own on a street” about women who have been victims of violence, “what the hell are you doing being the animal you are, among human beings?” But I never ask this question. Because I don’t want to belittle animals.
#IAmNotAfraidToSpeak

Te hanontany foana ireo izay miteny ireo vehivavy niharan'ny herisetra “fahadisoany izany, inona no ataony any an-dalambe amin'izany ora izany” aho hoe: “inona no anaovanao habibiana amin'ny olombelona?” Fa tsy nanao mihitsy io fanontaniana io aho. Satria tsy te hanao tsinontsinona ny biby aho. #TsyMatahotraMitenyAho

There are stories written in Azerbaijani […] It is just there are not many. There would be stories if someone starts a hashtag in Azerbaijani language. I do not believe there is one woman who has not faced harassment or violence. Not just verbal or physical but there are those who rape you with their gaze. It is a very heavy topic. Many of the men who put themselves in women’s shoes won’t understand this.

Misy tantara voasoratra amin'ny teny Azerbaijani […] fa tsy dia maro izy ireo. Mety hisy tantara maro raha misy olona manomboka tenirohy amin'ny teny Azerbaijani. Tsy mino aho fa tsy misy vehivavy tsy niharan'ny fanorisorenana na herisetra. Tsy am-bava fotsiny na ara-batana fa misy ireo izay manolana anao amin'ny fomba fijeriny. Tena lohahevitra mavesatra izy io. Tsy maro ireo lehilahy maka ny toeran'ny vehivavy mahatakatra izany.

Indray andro any angamba mety hanatevin-daharana ny antso avy amin'ny faritra hisian'ny fifanajana sy ny fahafahana manoloana ny fanorisorenana ireo vehivavy Azerbaijani. Mandritra izany fotoana izany, mbola loza be ny mandeha amin'ny fitateram- bahoaka ao Baku.

Jereo ihany koa: #TsyMatahotraMitenyAho: Nivoaka Tao Anatin'ny Fahanginany amin'ny Herisetra Ara-nofo ireo Mpiseran'ny Media Sosialy Okrainiana [10] [mg] sy Miady Amin'ny Herisetra Ireo Vehivavy Ao Amin'ny Fiarahamonina Kyrgyz , Kanefa Firy ny lehilahy Hanampy Azy Ireo? [11]