- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitaky Ny Rariny Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Vietnamiana Na dia Eo Aza Ny Fandaminan'ny Governemanta Mikasika Ny Fahafatesan'Ireo Trondro

Sokajy: Azia Atsinanana, Vietnam, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna, Voina
Protesters in Hanoi call for Formosa to cease all operations and be prosecuted by authorities. Source: Facebook page of Nguyen Thuy Hanh [1]

Mpanao fihetsiketsehana miantso ny Formosa mba hanatsahatra ny asa rehetra sy hohenjehan'ny manampahefana. Sary: Pejy Facebook-n'i Nguyen Thuy Hanh

Niditra aterineto haingana ny mpiserasera mba hizara ny fahasorenany amin'ny fandehan'ny fanadihadiana taorian'ny valandresaka ho an'ny haino aman-jery nataon'ny fanjakana Vietnamiana mikasika ny antony mahatonga ny loza ara-tontolo iainana nitarika ny fahafatesan'ireo trondro [2] 70 taonina maty teny amoron-dranomasina.

Amin'ny ankapobeny, heverina fa noho ny tsiranoka maloto avy ao amin'ny orinasa Formosa, orinasa Taiwaney no anton'ny fahafatesana hafa kely nahazo ireo trondro ka nanimba ny fiveloman'ireo mpanjono ao afovoan'i Vietnam.

Nalaza ny tenirohy #toichonca (#misafidy ny tondro aho) rehefa nilaza ny manampahefana iray fa tsy afa-miala amin'ny fandotoana orinasan'ny vy.

Niteraka fihetsiketsehana goavana manerana an'i Vietnam ny olana nateraky ny fahafatesan'ireo trondro.

Taorian'ny famoahana ny voka-pikarohana sy ny fanambarana fa nanaiky handoa 500 tapitrisa Dolara Amerikana ny Formosa ho fanonerana ny fahasimban'ny tontolo iainana, namaly ny vondrom-piarahamonina Facebook tamin'ny filazana fa tsy misy dikany ny onitra raha oharina amin'ny fahavoazana nateraky ny Formosa teo amin'ny tontolo iainana.

Nizara ny tebitebiny manoloana ny fanemorana lava ataon'ny governemanta amin'ny fanambarana izay antony nahatonga ny loza ara-tontolo iainana nitranga tao afovoan'i Vietnam nanomboka tamin'ny Aprily ihany koa ny Vietnamiana.

Nandefa sary tao amin'ny Facebook izay niparitaka be ny mpikatroka, miantso ny Formosa mba hanatsahatra [3] ny asany ao Vietnam.

Nandefa sary [4]tao amin'ny media sosialy ilay gadra politika teo aloha sady olon-tsotra mpanao gazety Paulus Le Son, ka hoy izy:

The Vietnamese government and Formosa have committed crimes against the Vietnamese people.

Nanao heloka bevava tamin'ny vahoaka Vietnamiana ny governemanta Vietanamiana sy ny Formosa.

Niditra media sosialy ny vondrona antserasera mba hanisa ireo andro hatramin'ny nanombohan'ny fahasimban'ny tontolo iainana.

Nandefa sary [5] sy niantso ny Vietanamiana mba hitsoka kiririoka isan'andro mandra-pamoakan'ny manampahefana ny voka-pikarohan'izy ireo ho mariky ny tsy fankatoavana sivily ireo mpisera Facebook, anisan'izany i Tu Anh Tu.

Source: Facebook page of Từ Anh Tú [6]

Sary: Pejy Facebook-n'i Từ Anh Tú

Hoy i Tu Anh Tu tamin'ny lahatsoratra iray hafa [7]:

Blow your whistle to demand democracy, blow your whistle to demand transparency, blow your whistle to demand for fish lives, blow your whistle to stop Formosa.

Tsofy ny kiririokanao mba hitaky ny demaokrasia, tsofy ny kiririokanao mba hitaky ny mangarahara, tsofy ny kiririokanao mba hitaky ny fahaveloman'ny trondro, tsofy ny kiririokanao mba hanatsahatra ny Formosa.

Namaly ny antso ny olom-pirenena manerana an'i Vietnam tamin'ny alalan'ny famoahana ny sarin'izy ireo [8] mba haneho firaisankina sy mitaky amin'ny Formosa mba hanajanona ny asany tsy misy hatak'andro.

Activists in Nghe An Province participate in the “Blow a Whistle to Stop Formosa” campaign. Source: Facebook page of Hoàng Sa FC [9]

Mpikatroka ao amin'ny Faritany Nghe An nandray anjara tamin'ny fanentanana “Tsofy ny Kiririoka Mba Hanatsahatra Ny Formosa”. Sary: Pejy Facebook-n'i Hoàng Sa FC

Bilaogera malaza Huynh Ngoc Chenh naneho ny fihetseham-pony tao amin'ny bilaoginy manokana [10]taorian'ny fanambaran'ny manampahefana Vietnamiana ny famotopotoran'izy ireo.

Some have suggested that 84 days is too long of a time for the investigating body to determine the causes and perpetrators of this national disaster.

Nisy ireo nilaza fa fotoana lava loatra ny 84 andro raha ho an'ny sampana mpanao famotorana mba hamantarana ny antony sy izay nahavanon-doza tamin'ity loza tao amin'ny firenena ity.

Nozaraina haingana tao amin'ny aterineto [11] ny antso hanao hetsi-panoherana ao an-tanàndehiben'i Vietnam. Nangataka tamin'ireo manampahefana mba hanatsahatra ny famoretana ireo mpanao fihetsiketsehana milamina sy hiantoka ny tsy fiasàn'ny Formosa ao Vietnam intsony ireo mpanohana.

Nilatsaka ireo antso ireo fotoana fohy taorian'ny famoahana tamin'ny aterineto [12]ny sarin'ireo polisy manafika sy managadra ireo mpanao fihetsiketsehana miloa-bava momba ny loza, ka niteraka fahatezeram-bahoaka .

Nanasazy ireo mpanao fihetsiketsehana milamina tao #Saigon omaly ny fitondrana komonista

Niantso ny [19]fitondram-panjakana Vietnamiana mba hanaja ny zo hivory milamina ny Solontenam-paritry ny Biraon'ny Firenena Mikambana avy ao amin'ny Vaomiera Ambonin'ny Firenena Mikambana misahana ny Zon'Olombelona, Laurent Meillan:

We urge the Government to conduct an independent, thorough and impartial investigation of the reported cases of excessive use of force by law enforcement officers.

Mandrisika ny governemanta izahay mba hanao fanadihadiana lalina, mahaleo tena sy tsy mitanila mikasika ny tranga voalaza fa fampiasan-kery tafahoatra nataon'ireo manamboninahitra mpampihatra lalàna.