Tsy Manaiky  Ny Hamerenana Indray Ny Tolotra Eurobond  Ataon’ Ny Governemanta  Ny Mpanao Fihetsiketsehana Makedoniana

"Special police forces successfully saved Ministry of Finance from a dangerous girl with a lipstick in her hand." Photo by Vančo Džambaski, CC BY-NC-SA.

“Polisy manokana nahavita niaro ny Minisiteran'ny vola tamin'ny vehivavy iray natahorana nitondra lokomena .” Sary: Vančo Džambaski, CC BY-NC-SA.

Notsipahin'ny antsoina hoe “Revolisiona Maro Loko” ao Makedonia ary niteraka hetsi-panoherana indray ny tolotry ny governemanta hampitombo ny trosan'ny firenena amin'ny any ivelany.

Tamin'ny voalohandohan'ny volana Jolay, nanambara drafitra hamoaka (trosa) Eurobond vaovao ny governemanta Makedoniana izay mitentina 650 tapitrisa euros (720 tapitrisa $ ), ary nilaza fa ho fampitomboana ny fampiasam-bola no anton'ny fanapahan-kevitra. Nitsikera ny drafitra ny solontenan'ny antoko mpanohitra SDSM sy ny hetsika fantatra amin'ny anarana hoe “Revolisiona Maro Loko” ary nilaza fa ho lany amin'ny kolikoly ny trosa raha mbola eo amin'ny fahefana ny fitondram-panjakana amin'izao fotoana izao .

Hoy ny lahatsoratra iray ao amin'ny pejy Facebook-n'ny Revolisiona Maro Loko :

Нема правда кога јавниот долг вртоглаво расте. Секој граѓанин на Македонија веќе должи по 2200 евра, а режимот сака да го задолжи за уште 330 евра, во очајнички обид да продолжи да владее криминално.
Нема да дозволиме! Не прифаќаме државата и граѓаните да тонат во долгови! Не ги признаваме долговите на расипниците!

Fanoherana! Tsy rariny raha ampitomboina avo roa heny ny trosam-panjakana.  Efa manan-trosa 2.20 euros [2,40$ ] isan'olona ny olom-pirenena ao Makedonia, ary te-hanome ny tsirairay trosa bebe kokoa ny fitondrana – miampy 330 euros [365 $ ]. Mbola andrana iray hafa mahakivy ataon'ity governemanta mpanao heloka bevava izay mitondra ity firenena izany. Tsy ekenay izany! Tsy hamela ny firenena sy ny olom-pirenena ho bokan'ny trosa bebe kokoa izahay! Tsy manaiky ny trosan'ireo olona izay mandanilany foana ny volam-panjakana izahay!

Karazana trosa manokana avy any ivelany izay omen'ny governemanta ho an'ny “mpampiasa vola”, izay midika hoe mpitrosa, ny Eurobond. Mandray ny vola feno miaraka amin'ny daty ifanomezana ny mpitrosa, ary mahazo tombombarotra amin'ny zana-bola izy ireo mandritra izany fotoana izany. Ny totalin'ny saran'ny Eurobond vaovao mandritra ny 10-taona an'i Makedonia miaraka amin'ny zana-bola dia mitentina 1,1 lavitrisa euros (1.22 $ lavitrisa).

A meme from a Facebook album informing the public about the amount and obligations of all the Eurobond issued by Macedonian government. Source: Facebook page "Javen dolg" (Public Debt). Used with permission.

Hatsikana iray ao amin'ny  rakitsary Facebook  mampahafantatra ny vahoaka momba ny totalin'ny vola sy ny adidy rehetra amin'ny Eurobond izay navoakan'ny governemanta Makedoniana. Sary: pejy Facebook “Javen dolg” (Trosam-bahoaka). nahazoana alàlana.

Nizara sary-sy-soratra tao amin'ny media sosialy mifototra amin'ny fanambarana toy ny hoe “tsy atao amin'ny anarako” ireo mpisera tao amin'ny aterineto ary nampitandrina ireo mpitrosa matanjaka fa tsy hiloloha ny trosa ataon'ny governemantan'ny lehiben'ny antoko, Nikola Gruevski, izy ireo sy ny zanany. Efa nahasarika sonia maherin'ny 3.100 tamin'ny fotoana nanoratana ny fanangonan-tsonia an-tserasera tao amin'ny Change.org izay manambara hoe “:tsy manaiky ny trosa aho ary mandà ny adidy rehetra mba hamerenana izany amin'ny maha-olom-pirenena tompon'andraikitra ahy” .

Tamin'ny 12 Jolay, namakivaky ny araben'i Skopje manohitra ilay trosa vaovao ireo mpanao fihetsiketsehana an'arivony, miaraka amin'ny teny faneva hoe “Antony miisa 1.1 lavitrisa Hamaranana [ny fitondrana]!”

"1.1 Billion Reasons for the End" banner at Colorful Revolution protest on June 11, 2016. Photo: F. Stojanovski CC BY.

“Antony miisa 1.1 lavitrisa hamaranana” teny fanevan'ny hetsi-panoherana “Revolisiona Maro Loko” tamin'ny 11 Jona 2016. Sary : F. Stojanovski CC BY.

Niezaka ny ho tonga tao amin'ny Minisiteran'ny Vola ireo mpanao hetsi-panoherana, saingy nisy polisy manokana nanakana ny fidirana rehetra mankany amin'ny faritra foiben'i Skopje. (Eo akaikin'ny tranobe be valo rihana foiben'ny antoko eo amin'ny fitondrana, VMRO-DPMNE ny Minisiteran’ ny vola .)

Police guarding a passage under a building in Skopje. Photo by Vančo Džambaski, CC BY-NC-SA.

Polisy niambina ny làlana ambanin'ny trano ao Skopje. Sary:Vančo Džambaski, CC BY-NC-SA.

Eo ambany fahirano virtoaly ny faritra iray manontolo, misy mpanofa ny efitra sasany amin'izany ary voarara tsy mahazo miditra na mivoaka ny tranony ireo mpanofa. Tsy nanazava na niezaka ny hanamarina ny antony hamerana ny fivezivezena ao amin'ny toerana ny polisy.

Nandritra ny alina, tsy nety niparitaka ireo mpanao fihetsiketsehana na dia teo aza ny ezaka nataon'ny polisy mba hampitsaharana ny fihetsiketsehana, ary nahavita namaky ny sakan'ny polisy izy ireo ny farany. Niala ireo polisy nony avy eo ary namela ireo mpanao hetsi-panoherana hanatona ny faritry ny Ministeran'ny vola.

Nihaona tamin'ny vondrona mpiray tanindrazana aminy tany ivelan'ny tranoben'ny Ministeran'ny vola ireo mpikatroka  izay nahavita niditra ny toerana tsy nandalo sakan'ny polisy tamin'ny alàlan'ny fihodinana tany amin'ny garazy ary efa voahodidina polisy ireo vondrona ireo eo ampanaovana fitokonana. Niara-nandoko ny rindrina ivelan'ny Minisiteran'ny vola ireo vondrona roa rehefa tafahaona ary nihiaka sy nihira hira (anisan'izany ny hiram-pirenena Makedoniana).

"A special court for a special Mafia!" sign in front of Ministry of Finance of Republic of Macedonia in Skopje. Photo: F. Stojanovski, CC BY.

“Fitsarana manokana ho an'ny Mafia manokana !” hoy ny sora-baventy teo anoloan'ny Minisiteran'ny vola ao Skopje. Sary: F. Stojanovski, CC BY.

Naneho hevitra ny mpandray anjara maro taorian'ny hetsi-panoherana fa nisy fifanjevoana teo anivon'ireo polisy sasany. Na dia taorian'ny fandravana ny sakana aza ohatra dia nisy ny andiana polisy nandeha “niaro” ny lalantsara tao anatin'ny tranobe ary tsy namela ny mpanao fihetsiketsehana hiditra.

Zavatra toy ny lohahevitra fady ao Makedonia ny trosam-panjakana. Koa satria  niezaka ny hitazona ny fandrosoana ara-toekarena nandritra ny taompolo maro ny governemanta dia niantehitra hatrany tamin'ny findramam-bola avy any ivelan'ny firenena  izy mba hanohanana ara-bola ireo biraom-panjakana.  Nitaraina ny mpanao tsikera fa miantoka ny fahombiazan'ny governemanta ankehitriny amin'ny fifidianana ny famatsiam-bola amin'ny alàlan'ny fampiroboroboana ny fahatokisan'ireo vondron'olona mpifidy.

Milaza ihany koa ireo fikambanana tsy miankina miady amin'ny kolikoly fa famotsiam-bola sy halatra ny ankamaroan'ny fandaniambolam-panjakana ao Makedonia, anisan'izany ny fandaniana mihoampampana ho an'ny tetikasa lehibe novatsian'ny mpandoa hetra vola toy ny tetikasa Skopje 2014 , izay mitentina 640 tapitrisa euros (708 tapitrisa $ ) raha kely indrindra . Araka ny fanadihadian'ny mpanao gazety Xhelal Neziri, fara fahakeliny 5 arivo tapitrisa dolara (4,5 lavitrisa euros) no nalaina avy tao amin'ny firenena noho ny kolikoly nandritra ny taompolo farany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.