Dimy ambiroapolo Taona Lasa Izay, Nampientanentana An'i USSR Ny McDonald’s -ny Voalohany. Ankehitriny Any Siberia i Joy.

McDonald's restaurant in Moscow. Photo: Adam Baker / Flickr / CC 2.0.

Toeram-pisakafoana McDonald's any Maosko. Sary: Adam Baker / Flickr / CC 2.0.

Eo amin'ny 25 taona lasa izay, sakafo avo lenta sy lafo vidy tokoa izany mividy hamburger sy kiendiendy izany, mifono anaty taratasy malamalama, misy “M” miloko lokom-bolamena. Ny 1 Janoary 1990, niisa 30.000 teo ireo Maoskovita   no nilahatra taminà filarahana nanan-tantara teo ivelan'ilay toeram-pisakafoana McDonald's to amin'ny Firaisana Sovietika, nitoetra tao amin'ny kianja malazan'i Pushkin ao Maosko.

Raha tsy mahavita mampihetsi-bolo ireo mponin'ny andro maoderin'i Maosko intsony ilay  tambajotranà fivarotana sakafo vita haingana lehibe indrindra erantany, mbola mahavita mamaky sehatra vaovao any Rosia ihany ny McDonald's, ary mahatonga fientanentanan'ny vahoaka izay mitovy amin'ny fahalinana fatratra tany URSS. Ny volana lasa, nanokatra voalohany ny varavarany tao amin'ny tanànan'i Barnaul ilay tambajotra, toerana izay fonenan'ny olona 600.000 isa any atsimon'i Siberia. Vahoaka maro—indrindra ireo tanora— no niandry am-pilaharana nandritra ny ora maro nialohan'ny nivohan'ilay toeram-pisakafoana.

Ao amin'ny media sosialy Rosiana, manontany tena ireo maro mpampiasa Aterineto —indraindray toy ny hanihany, fa mety ho adisaina matotra koa—hoe manamarika ny “fiverenan'ny taona 1990” io fientanentanana be ao Barnaul amin'ny McDonald's io

Miverina ny taona 1990. Ireo tia famerenana, mifalia #Barnaul #McDonalds

Ireo sasany indray mananihany hoe ireo tsikeran'ny McDonald's sy ireo olona maro miandry sy milahatra dia ireo olona maromaro avy amin'ireo tonga tara loatra tsy nahazo toerana tsara teo amin'ny filaharana fotsiny.

Ary avy eo, mizara roa i Barnaul: ireo manadrohadro ny McDonald's ao amin'ny tambajotra sosialy, ary ireo mitsangana milahatra ho amin'ny fisokafany

Noho ny satan'i McDonald's ho tendron'ny indostria Amerikana, faly tamin'ny fahazoana politika kely ireo mpampiasa Twitter sasany, nampifandray ny sarisary fanehoana ny “KrymNash” (“Antsika i Krimea”) tamin'ny fahatongavan'ilay tambajotra Amerikana tany atsimon'i Siberia:

Nibodo ny Barnaul ireo Amerikana mahatsiravina ireo ary nanangona ireo vahoaka tao tamin'ny alàlan'ny basy, ka nampitsangana azy ireo hilahatra eo ivelan'ny McDonald's! Antsika i Barnaul!

Fanamboniana ny Tanàna, Lamaody Siberiana

Sahirana tamin'ny fanazavana ny fahalinana goavan'i Barnaul  tamin'ny MacDonald's ny mediam-baovao, izay mahazatra ireo Rosiana any Maosko ny mihevitra izany ho toy ny “vaovao lany andro,” nahazo ny tsiro voalohany tamin'ilay tambajotranà toeram-pisakafoana tany amin'ny taona 1990. Nitafatafa tamin'ireo mpikaroka siantifika ara-piarahamonina sy ara-tsaina mihitsy ny vohikala the Village, izy ireo izay manao ny McDonald's ankehitriny— niaraka tamin'ny fiantsoany azy hoe “fihetsiketsehan'ny Tandrefana”— ho lamaody ao anatin'ny kolontsain'ny tanoran'ny firenena. Araka ireo manampahaizana ireo, misitraka  tombotsoa avy amin'ny “tsy firaharahàna” ny fisian'ny McDonald's ao amin'ireo faritr'i Rosia, toy ny nahavitan'ny tambajotra sahala amin'ny Starbucks nivoy ny fanamboniana ireo toerana maro any amin'ny tanàna Eorôpeana. (Starbucks, izao mbola tsy tonga any Siberia aloha hatreto.)

Tena hita miharihary tsy isalasalàna ny fihinanan'ireo tanora ao Barnaul ny sakafo sy ny marika  McDonald's, ampiany amin'ny fanamarihana tsotra, tenifototra manamarina ao amin'ny sariny Instagram avy ao amin'ilay toeram-pisakafoana, izay nivoaka avy hatrany tonga dia dokambarotr'ilay orinasa, malaza be amin'ny Aterineto, manoratra (amin'ny teny Rosiana) zavatra toy ny hoe #summer , #city, #imlovinit, #lovelyday, #summermood, #happiness, #selfie, ary #smile.

Hitoetra mandrakizay ao amin'ny tantara ny andro androany satria nanandrana ny sakafo McDonald’s aho! #McDonalds #Arina #summer #Barnaul

Maro ireo tovovavy misakafo ao amin'ny McDonald's ao Barnaul no mizara selfies (sarin-tena) miaraka amin'ireo resaka hoe tsy natao hisakana ny fahafinaretana mandalo kely mihitsy ny maha zava-dehibe ny fahasalamana sy ny hatsaran-tarehy.

Andeha hampifaly tena ao amin'ny sakafo vita haingana izahay 🙂 #McDonalds #IAmTiredOfTheDiet (Leo manao fifadiankanina aho) #WannaEat (TeHandeha hihinana) #Summer (Fahavaratra) #Love (Tia)

Tsy Dia Misy Fahasamihafàna Amin'ireo Tanora Manerantany

Mety ho tara vao tonga teny amin'ny latabatry ny sakafo haingan'ny Amerikana ireo tanora Rosiana—indrindra ireo any Barnaul, fa kosa mahagaga fa mitovitovy amin'ny voatsikaritra manerana ny tany ireo fombafombany manodidina ny McDonald's, izay ataony ao amin'ny media sosialy. Araka ireo manampahaizana amin'ny media, Andrew L. Mendelson sy Zizi Papacharissi, mampiasa ny media sosialy ireo tanora manerantany mba handraketana  misimisy kokoa ireo diany teny an-dàlany, ireo fitsidihany ireo tambajotranà sakafo vita haingana, ary ireo fanatrehany lanonana.

Susan Albers, mpsikôlôgy, milaza fa tsy resaka mikasika ny sakafo loatra ny fandefasana sarinà namana ao amin'ny toerana toy ny McDonald's, fa mikasika ilay olona mihitsy, ary natao hivoizana ny maha-olona ara-tsosialy ilay olona, na koa hiakan'ny olona iray miantso fanampiana (raha, ohatra, faran'izay loza mananontanona ireo fomba fihinana mahazatra nasongadina).

Mitovy tamin'ireo maodely nolazalazain'i Mendelson, Albers, sy ireo hafa, ny fihinanana hita mibaribary miseho ao Barnaul iny volana lasa iny. Mety hoe nisy fomba fitondrantena toy izany ihany koa hita tany Maosko ny taona 1990, nety nisy sehatra toy ny Instagram ho an'ireo tanora nifampizara sakafo teo amin'ny samy mpinamana. Tena fahombiazana azo antoka eo amin'ny Aterineto ireo sarinà hamburger sy milkshake tsy misy eritreritra ambadika avy any amin'ny Firaisana Sovietika ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.