Takalonaina Roapolo Maty Sy Telo Ambin'ny Folo Hafa Avotra Nandritra Ny Fahirano Fakàna Takalon'aina Tao Dhaka Izay Niafara Tamin'ny Loza Mahatsiravina

Image from Facebook courtesy Sheba.xyz

Sary nampindramin'ny Facebook Sheba.xyz

Ny sabotsy 2 Jolay 2016 teo, nanafika trano fanaova-mofo Holey Artisan  tao amin'ny faritra diplomatika Gulshan tao Dhaka, mba hamarana ny krizin'ireo mpaka takalonaina ny hery mitambatra iray niarahan'ny tafika avy ao Bangladesh, ny vondron-tafiky ny mpiandry sisintany ao Bangladesh, ny mpitandro ny filaminana ary ny andiany mpanao fanafihana mailaka.

Ny zoma alina lasa teo, fito na valo teo ho eo no isan'ireo mpanafika ary naka ny fifehezana ny tao amin'ny The Cafe tao an-drenivohitr'i Bangladesh, toerana iray falehan'ireo vahiny mpila ravinahitra, ireo diplomaty ary ireo Bangladeshi mpanankarena. Somary mirona amina tsiro eoropeana ny sakafo ao amin'ilay trano fanaova-mofo/fisotroana kafe ary nahatonga ny anaran'ilay toeram-pisakafoanana natao hoe O'Kitchen. Mahatskaiky fa anisan'ny naorina teo amin'ny iray amin'ireo faritra tena tsara aro ao  Gulshan ilay toeram-pisakafoanana; fantatra amin'ny maha faritra diplomatika azy izy io, satria ao  ireo masoivohom-pirenena sy ireo fikambanana iraisam-pirenena no miorina.

Ny Sampana misahana ny Fifandraisan'ireo Fitantanan-draharaham-Panjakana (ISPR), mpitondra tenin'ny tafika, dia nanamafy fa nahita ny fatin'ireo takalonaina miisa 20 – vahiny ny ankabeazany, nefa koa maro no olona avy ao Bangladesh – maro tamin'izy ireo no novonoina tamin'ny fampiasàna zava-maranitra. Takalonaina telo ambiny folo, nahitàna teratany japoney iray sy teratany Sri Lanke roa no avotra ary maty ireo enina mpaka takalonaina. Nandritra ilay fifanandrinana ny zoma alina, polisy roa no maty ary maherin'ny roapolo no naratra mafy nandritra ny fifampitifirana nifanaovana tamin'ireo mpaka takalonaina, izay nanipy grenady tany amin'izy ireo.

Manamafy ny tafika fa 20 no maty tao #DhakaAttack tamin'ny famintinam-baovao. #Dhaka #Bangladesh

Fanafihana Commando tao  #Dhaka izay nitondra famaranana ny fahirano. Tsy azo noeritreretina fa hitranga ao amin'ny tanàna maminay io

Ny ISIS, rantsana iray teraka avy amin'ny Al Qaeda izay tonga hifehy ampahany midadasika ao Irak sy Siria tamin'ny fampiasàna  tetikady fampijaliana sy feno herisetra mibaribary, no nitonona ho tompon'andraikitra tamin'ireo fanafihana; ireo sampan'ny media-n'izy ireo, ny Masoivohom-baovao Amaq, no nizara ireo sary sasantsasany mampihoron-koditra avy eny amin'ny terana nitrangan'izany, tamin'ny alàlan'ireo kaontiny Twitter, anisan'izany ny faty mihoson-drà an'ireo takalonaina sasantsasany. Tsy afaka nirosoana ny fanamarinana ny fahazoana antoka an'ireo sary – na ilay filazàna – .

Ny zoma alina, nohamarinin’ireo vavolombelona ny fisian'ireo valo mpanafika  – nirongo fiadiana AK22, sabatra ary baomba, ary nihiaka ny Allahu Akbar (izay midika hoe Lehibe Andriamanitra amin'ny Arabo) – niditra tampoka tao amin'ilay toeram-pisakafoanana naka takalonaina maherin'ny 20, anisan'izany ireo vahiny. Afaka nitsoaka haingana ny zava-misy ireo mpitsidika sasantsasany ary nizara izay zavatra hitany nony avy eo. Roa no ireo manamboninahitry ny polisy no maty – ireo namaly voalohany – tratry ny tsy nampoiziny. Arakaraky ny nirosoan'ny alina, farafaha-keliny olona 40 no naratra, anisan'izany ireo mpitandro filaminana.

Nandritra ny ora 12 nitrangan'ny fakàna takalonaina, ireo mpisera aterineto mipetraka tsy lavitra ny toerana dia nitantara ireo fotoana sasantsasany niainan'izy ireo ny fangitangitahana, tamin'ny alàlan'ireo media sosialy.

Henoko avy ao an'efitranoko ny firefotry ny basy. Araka ny feo re, nisy fakàna takalonaina tao amin'ny Trano fanaova-mofo Holey Artisan, Lalana faha-79, Gulshan 2 eo akaikin'ny Lake View Clinic izay voalaza ho nahitàna olona roa nitsarara, maty. Raha misy olona ao anaty lisitr'ireo namako ato anaty facebook eo akaikin'io Gulshan io, azafady mijanona ao antrano, hidio tsara ireo varavaranareo ary raha sendra aty ivelany kosa ianareo, azafady aza mankaty mandra-pahatapitr'io toedraharaha io. Azafady koa aparitaho amin'ireo olona rehetra fantatrareo fa mipetraka amin'ity faritra ity ny vaovao.

Vao avy nandre fipoahana iray fanampiny aho, mafy be ity iray ity noho ireo roa farany teo. Tokony hifarana tsy ho ela ity sedra ity, ary mba ho amin'ny fomba voaaro tsara araka izay azo atao.#DhakaAttack

Soumir Baroi, izay mbola mila fantarina ny momba azy, dia voahidy tao amin'ny iray amin'ireo trano fandroana, saingy nahavita nanao izay hifandraisana tamin'ny rahalahiny tamin'ny alalan'ireo hafatra ifandefasana. Tovovavy iray hafa koa, afaka nifandray tamin'ny rainy nandritra ilay fahirano.

Niteny tamin'ny media ny olona iray avotra tamin'ilay fakàna takalonaina fa nasain’ireo lehilahy nirongo fiadiana nitanisa ny Korany ireo azo takalonaina ary nampijaliany kosa ireo izay tsy afaka nanao izany. Nataony tsara fitondra ireo izay nahay, eny fa hatramin'ny fandrosoany sakafo ho azy ireo aza. Hita ho ireo vahiny no toa hazan'izy ireo voalohany indrindra.

Tsy ela akory dia nisy ny fisakanana ny media ary nohodidinina ny faritra tao anatin'ny efatra kilometatra manodidina ilay toeram-pisakafoanana mba hahafahan'ireo tompon'andraikitra nanao ny  fanoherana an'ireo mpanafika. Na izany aza, voatsikera ny media sasantsasany noho ny tatitr'izy ireo tsy maneho ny maha-tomponandraikitra:

Antenaiko ireo media tsy hanao io sakana io ireo media amin'n fitaterana mikasika ny takalonaina na ny fianakavian'izy ireo #Dhaka #Gulshan

Ny sabotsy maraina, fiarabe mifono vy roa no nampiasain‘ireo tomponandraikitra mba hamakiana ireo rindrin'ila fisotroana kafe hidirana ao anatin'ireo faritra. Taorian'ny tifitra indray mandeha sy ireo fipoahana, mpanafika enina no maty ary 13 ireo takalonaina avotra. Azo velona ny mpanafika iray. Sahbakaka ambody riana ireo iraka vahny ao Dhaka ary nangataka ireo olom-pireneny mba tsy hivoaka ny trano ireo masoivoho.

Ho an'i Bangladesh, mbola vaovao io karazana fanafihana io, na dia nahafaty bilaogera laika vitsivitsy sy mpikatroka tao anaty tambajotra aza ireo milisy tao Bangladesh tany aloha tany. Hatramin'ny taona 2005, bilaogera 23 raha kely indrindra, mpamoaka lahatsoratra, toniandahatsoratra ary mpikatroka mafana fo no maty ary ampolony maro hafa – anisan'izany ireo vahiny sy ireo olona avy amin'ny finoana hafa – voatafika na norahonana ho faty noho ny fomba fijery liam-pivoarana sy laika nananan'izy ireo.

Na dia alimbe aza no nitranga ilay fakana takalonaina ny Zoma alina teo, norasain'ireo mpanafika tsy fantatra tamin'ny zava-marainitra ny mpisorona Hindu iray tao amin'ny tempoly iray. Navelan'izy naratra be teo izy, noeritreretiny fa maty, nefa nentin'ireo tompontany haingana tany amin'ny toeram-pitsaboana izay mbola ahiana mafy ny momba azy. Iny maraina be iny indrindra koa,  mpisorona iray hafa koa no novonoin’olona telolahy nandeha kodiarandroa, manampy isa ireo herisetra ampolony maro tao Bangladesh.

Misy fiantraikany maharitra amin'ny fandrosoan'i Bangladesh ireo fanafihana ireo. Nanoratra tao anaty tatitra iray i Ishtiaq Rouf, bilaogera iray mpila ravinahitra sady injenieran'ny fiarovana amin'ny solosaina fa:

Ho henjana ny vokatr'io  fanafihana nampihovitrovitra ny tany io, indrindra indrindra ho an'ny firenena toa an'i Bangladesh. Mipetraha amin'ny toeran'ny olom-pirenena Arzantina iray. Tsy raharahan'izy ireo ny lanjan'ny ranomasonareo mikasika ny fiatoan'i Messi tamin'ny lalao baolina kitra iraisam-pirenena, nefa iasan'ny sain'izy ireo fatratra ireo lohandohany mpiara-dia aminy voatapa-doha alefa ao anaty aterineto. Alainareo sary an-tsaina ny italiana iray izay mampiantrano teratany Bangladesh mpiasa efa ho 50 isa. Na olona Scandinave iray izay mamatsy etikasa tsy tambo ho isaina ny fireneny. Na mpanavakavaka iray tsy misy fitserana, mavo volo, izay mitady hirika mba hamongorana orinasa mpamokatra RMG (Ready Made Garments – Akora tonga dia vonona) tsy ho any amin'ireo firenena mora karama toa an'i Bangladesh.

Nammoaka fampitandremana matroka ihany koa i Rouf:

Noho izany avelao izahay hitsahatra tsy hiaro ireo olona izay tsy nanao n'inon'inona mba hanakanana ny tsy hisian'ity andro tsy azo nialana ity. Avelao izahay tsy hitady fialantsiny maro ho an'ireo olona sy ireo fotokevitra izay manome aingam-panahy tahaka izany.

Fa kosa, tokony horaisintsika ho toy ny daka vody mahazo antsika rehetra miaraka io. Manaova zavatra, raha tsy izany hanaovan-javatra ianareo. Amin'ny farany. Azo antoka izay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.