Fantsona YouTube Indiana Mambabo Ny Fo Sy Sain'ny Olona An-tapitrisa Maneran-tany

Screenshot from Children's Youtube Channel Chu Chu TV

Pikantsary avy amin'ny Fantsona Youtube ho an'ny ankizy Chu Chu TV

Efa voatsikaritrao ve izay jeren'ny zanakao amin'ny aterineto, rehefa asehonao azy ny efijery mba hangalanao fialantsasatra kely amin'ny adidy maha ray aman-dreny? Raha tahaka ny rehetra ny zanakao, dia azo inoana fa mifantoka mijery ny hirain'ireo sariitatra mihira feon-kira misy rima malaza miverimberina izy. Efa nanontany tena ve ianao hoe nahoana ny ankizy no faly mandany ny ankamaroan'ny  fotoanany amin'ny fijerena ireny lahatsary ireny?

Vao haingana, manana mpamandrika efa ho 5 tapitrisa ny fantsona YouTube fahatelo lehibe indrindra ao India, Chu Chu TV,  ary nanaitra ireo media sosialy tamin'ny famoahana ny tatitra vaovao nanadihady izay mahatonga ny fantsona ho malaza be.  Ilay mpandraharaha Indiana atao hoe Vinod Chander no nanomboka azy tamin'ny 2013, Chu Chu TV izao no fantsona YouTube be mpijery indrindra any Azia Pasifika ary faharoa be mpijery indrindra amin'ny fantsona “fanabeazana ankizy amin'ny alàlan'ny kilalao” maneran-tany. Nahavita nanangona mpijery maherin'ny 5 miliara ihany koa ny  fantsona tamin'ny lahatsary 115 monja tao anatin'ny telo taona eo ho eo.

Mino aho fa manana ampahany lehibe ao anatin'ireo mpijery maro ny zanako vavy. Chu Chu TV ilay hirahiran'ankizy amin'izao fotoana ! #GokhaiGayu https://t.co/oJpBdJI20I

Lazao amiko ny momba azy io !! Ny mahazatra ahy tsy tapaka rehefa amin'ny alina miaraka amin'ny saka kely Chu Chu TV  https://t.co/SEcllurZZ3

Tsy mahagaga . Hitako mijery  ny #ChuChuTv amin'ny finday avokoa ny ankizikely rehetra. Hevitra mety.

Nahoana no variana be ianao zazà 😍

Inona no mampahomby azy?

Tia famerimberenana ny ankizikely ary tsy ela dia hanomboka hifandray amin'ny tantara  efa hitany imbetsaka izy. Fantatra amin'ny hirahiran'ankizy malaza indrindra ary ampiana fihetsika ankizy miaraka amin'ny loko, mozika, sy gadona izany amin'ny voalohany. Manampy amin'ny fianaran‘ny ankizy miteny sy  mandre ny lahatsary ary manatsara ny voambolana sy ny lantom-peony miaraka amin'ny vaninteny sy ny feo miverimberina. Mampivelatra ny sain'ny ankizy  ihany koa ny rima amin'ny alàlan'ny fitantarana azon'ireo ankizy alaina sary an-tsaina.

Esorina ao amin'ny lahatsary ihany koa ireo rima maro tsy mahomby.  Ohatra hita ao amin'ny lahatsary Humpty Dumpty dika ChuChu TV i Humpty niarina rehefa lavo, ary nianatra lesona avy amin'ny fahadisoany, ka nandroso tamim-pahatokisan-tena.  .

Nanoratra tao amin'ny Facebook i Camille Peters, izay mipetraka ao amin'ny nosy Saint Vincent ao amin'ny Saint Vincent sy ny Grenadines :

The smile I get from my daughter when I put on Chu Chu TV for her, am tired of the show but am happy she likes it because she really learn alot from it.😃😃😃😃she's even repeating some words from it,so thumbs up to that!!! ‪#‎carissaquietmode‬ ‪#‎herloveforlearning‬ ‪#‎herfavouriteshow‬ ‪#‎myhappychild‬ ‪#‎cantbtiredwhenshelearning‬

Ny tsiky avy amin'ny zanako vavy rehefa mandefa Chu Chu TV ho azy aho, reraka aho mijery ilay izy kanefa faly aho fa tiany izany satria nahay zavatra betsaka avy aminy izy..😃😃😃😃   mamerina teny sasany avy amin'izany mihitsy aza izy, miakatra ny ankihiben-tànana amin'izany !!!

Nanoratra ny fomba nanampian'ny Chu Chu TV ny zanany hitombo ny bilaogera britanika Karen tao amin'ny Missing Sleep (Tsy Ampy Torimaso):

I do feel we would have benefited from ChuChu TV though with youngest especially as he was more of a reluctant learner unless something seemed very fun and captivating for him. He tends to switch off otherwise, so I really want to introduce as many parents to ChuChu TV as possible who might have challenging pre-schoolers like I did and are in need of a little learning inspiration to pass the time.

Mahatsapa aho fa tokony hahazo tombontsoa avy amin'ny ChuChu TV na dia  tsy mbola mampiseho ny fihetsem-pony loatra aza ilay faralahy indrindra raha tsy rehefa misy zavatra tena mampihomehy sy nahasarika azy ihany. Raha tsy izany tadiaviny ho pihina ilay izy, ka tena te-handrisika ireo ray aman-dreny maro araka izay azo atao aho izay manana fahasarotana amin'ny fampianarana voalohany toa ahy  ka mila ny fianarana aingam-panahy kely handaniana fotoana amin'ny ChuChu TV.

Mandrisika fitondran-tena tsara ihany koa ny fantsona, toy ny maha zava-dehibe ny fizarana sy ny filazana ny marina. Nanoratra ny fomba nahazoan'ny zanany lahy aingam-panahy tamin'ny alàlan'ny lahatsary tao amin'ny Chu Chu TV ohatra ny bilaogera ao amin'ny Champa Tree:

One day I watched him listening to a very interesting rhyme on the channel. It was about brushing your teeth. And, you won’t believe what followed soon-after. He went straight to the bathroom and picked up his little, blue toothbrush and started rubbing it against his gums.

Indray andro aho nizaha taratra azy nihaino ny hirahiran'ankizy tena mahaliana tao amin'ny fantsona. Miresaka ny fiborosina nify ilay izy. Ary tsy mampino anao inona ny zava-nitranga avy eo. Nandeha avy hatrany tao amin'ny efitra fandroana izy ka naka ny borosy nifiny kely manga ary nanomboka niborosy ny hihiny manaisotra tainify.

Na izany aza, mety nankaleo ny olon-kafa ao an-trano ilay hira niverimberina.

Nahoana ry zanako no te hijery izany indray in- tapitrisa aho … #momneedsabreak #chuchutv #saveme

@sanchayan @hankypanty Henoko ny ZAVATRA TSY AMPOIZINA AO AMIN'NY CHU CHU TV !! na dia ao amin'ny nofiratsy aza.

Nilaza i Vinod Chandar tamin'ny antsafa niaraka tamin'i TubeFilter fa Chu Chu no anaram-bositry ny zanany vavy, Harshita. Miankina amin'ny ny fifantohana amin'ny “kalitao” ny fahombiazan'ny fantsona hoy izy:

We concentrate on quality rather than quantity. We work hard on each and every aspect while creating a video which includes concept creation, lyrics, music, graphics, animation and then the final edit. We just don’t compromise and the results are showing.

Mifantoka amin'ny kalitao izahay fa tsy amin'ny fahamaroany. Miasa mafy amin'ny lafiny tsirairay izahay rehefa mamorona lahatsary izay ahitana ny famoronana, tononkira, mozika, sary, sarimiaina ary avy eo ny fanitsiana amin'ny farany . Tsy mandefitra amin'ny tsy mety izahay ary miseho ny vokatra.

Niadian-kevitra fatratra ny habetsahan'ny fotoana lanin'ny ankizy eo amin'ny fahitalavitra isan'andro. Mijery fahitalavitra mihoatra ny adiny efatra isan'andro izay avo roa heny amin'ny fetra natolotry ny Akademia Amerikanina Momba ny Ankizy ohatra ny ankamaroan ‘ireo zaza Amerikana. Manafoana ny fanatanjahan-tena ara-batana ilain'ny ankizy ny tahan'ny ny fijerena fahitalavitra be loatra. Na izany aza,nahita ireo manam-pahaizana fa afaka mampivelatra tsara ny fahaiza-manaon’ ireo ankizy ny efijery raha omena fotoana voafetra miaraka amin'ny kalitaon'ny votoaty.  Mahalala tsara ireo ray aman-dreny rehetra manaraka izany fa ny fijerena efijery (mijery fahitalavitra, mampiasana tablets sy finday) no mora sy azo antoka indrindra amin'ny fitaizana zaza ho an'ny ankamaroan'ny mama sy dada.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.