- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Niteraka ny #M7Challenge Tao Amin'ny Twitter Ny Filoha Ongandey Miresaka Amin'ny Finday Eny Amoron-dalana

Sokajy: Afrika Mainty, Oganda, Hehy, Mediam-bahoaka, Politika
A photo posted on Facebook by Presidential Press Secretary showing Ugandan President Yoweri Museveni speaking on the phone by the roadside.

Sary nalefan'ny Sekreteran'ny gazetin'ny Fiadidian'ny filoham-pirenena, Don Wanyama tao amin'ny Facebook, mampiseho ny filoha Ogandey Yoweri Museveni miresaka amin'ny finday eny amoron-dalana.

Rakotry ny sary-sy-soratra mampihomehy ny Twitter rehefa nipoitra tamin'ny aterineto ny sary mampiseho ny Filoha Ogandey Yoweri Museveni mipetraka amin'ny seza eny amoron-dalana mba hanao antso. Nijanona nandritra ny 30 minitra noho izy mbola miresaka amin'ny finday ireo fiara mpanaraka azy, izay teny an-dalana hamonjy lanonam-bahoaka.

Nandefa [1] ny sary tao amin'ny pejy Facebook-ny miaraka amin'izao hafatra manaraka izao ny Sekreteran-gazetin'ny Filoham-pirenena, Don Wanyama:

On the way from Isingiro District yesterday where he'd presided over the World Population Day celebrations, President Museveni stopped at Kyeirumba Village to make a phone call. Curious residents gathered to look at the President, who after 30 minutes on phone, briefly interacted with them. They thanked the government for tarmacking the road linking Uganda to Tanzania through Isingiro.

Teny an-dalana avy tany amin'ny Distrikan'i Isingiro izay nitarihany ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Mponina, nijanona tao amin'ny tanàna Kyeirumba ny Filoha Museveni mba hanao antso am-pinday. Nitangorona nijery ny filoha ireo mponina te hahalala, ka taorian'ny 30 minitra teo amin'ny finday, niresaka fohy tamin'ireo mponina izy. Nisaotra ny governemanta izy ireo noho ny fanaovana ho lasa tara (godorao) ny lalana mampitohy an'i Oganda amin'i Tanzania mandalo an'i Isingiro.

Nanontany tena ny olona sasany raha natao ny sary mba hanodinana ny saina amin'ny vaovaon'ny famotsorana [2]ilay mpanao politika mpanohitra lehibe indrindra Kizza Besigye, izay tany am-ponja nandritra ny roa volana noho ny fiampangana famadihan-tanindrazana.

Saingy be paikady loatra ny #M7Challenge [3] mba hanakonana ny famotsorana an'i Besigye manjaka amin'ny aterineto

Nampiasaina ny tenirohy #M7Challenge [3] mba hampisehoana ny sarin'ny Ogandey sy ny olon-kafa manerana izao tontolo izao mandray antso eny amoron-dalana. Nopetahana anarana M7 ny Filoha Museveni noho ny fanenon'ny anarany. Nandefa sary namboarina mamazivazy ny filoha ireo mpisera Twitter hafa.

Tsy mbola fantatra izay niresaka tamin'i Museveni tamin'ny finday na ny zavatra noresahana.

Nilaza ny mpisera Twitter iray fa niresaka tamin'ny mpitarika tao Sodana Atsimo, izay nipoahan'ny [5] herisetra manakorontana i Museveni:

#M7Challenge [3] : Azo antoka fa mety niresaka momba ny “Avelao handeha ny oloko” niaraka tamin'ny mpitondra ao Sodàna Atsimo i M7.

Nanome baiko [8]ny tafika Ongadey mba hanala ireo Ogandey monina ao Sodàna Atsimo i Museveni taorian'ny fifandonana vao haingana tao an-drenivohitra, Juba.

Nampitandrina ireo mpandray anjara amin'ny #M7Challenge i Rosebell Kagumire mba tsy hanandrana ity fitsipika ity:

Aza manandrana izany any an-trano. Antsoy aloha ny ekipa mpamorona harena #M7Challenge [3]

Fredrick Tumusiime nizara dokambarotra voalaza fa ho an'ny fahitalavitra ao an-toerana ao Oganda:

Alohan'ny hanesoran'i @ntvuganda [11]ny sioka ☺

Mpisera Twitter hafa nitondra ny sezan'ny biraon'izy ireo any ivelany hanaovana antso:

@nbstv [14] #M7Challenge [3] pic.twitter.com/coKcBOWkpi [15]

Mathias Wandera nampiseho an'i Museveni mandray antso eny amin'ny volana:

Hehe. Nandeha tamin'ny toerana i Sevo. Mahatsiaro sambatra izy ankehitriny. Hilaza ireo mpankahala fa sary namboarina izany.

Ny fanamby araka ny hitan'i AutoblogKE dia ny toro-hevitra tsara ho an'ny mpamily:

haha ry namana, iza no afaka mametraka ny #M7Challenge [3] tsara indrindra?? Mino aho fa fomba tsara ny miteny hoe AJANONY NY MANORATRA HAFATRA/ MIANTSO AMIN'NY FINDAY REHEFA MITONDRA FIARA

Naka ny sariny #M7Challenge teny amin'ny lalan'ny mpandeha an-tongotra i Omara Ronnie mba haneho fanajana ireo rehetra mpampiasa lalana:

Lalana avokoa ny rehetra….mampiseho fanajana ny mpampiasa lalana rehetra

iAfrikan nampiseho ny ekipam-pirenena Portiogey mankalaza ny Euro2016 raha mbola sahirana amin'ny finday i Museveni:

Handeha hilaza ireo mpankahala hoe “sary namboarina” io

Nandefa ny sarin'ny filohan'i Zimbaboe Robert Mugabe mandohalika eo anoloan'i Museveni i Mathias Wandera:

Mitohy amin'ny andro hafa ny sary-sy-soratra momba an'i Museveni? Hehe. Mahafinaritra andeha hanao izany

Nanasongadina ity sary manaraka mampiseho ny mpilalao amin'ny Games of Thrones (Lalao Seza Fiandrianana) i Ory Okolloh Mwangi

Mpihazakazaka.

Nanao ny anjarany koa ny ankizy:

nivadika zavatra hafa ny #M7Challenge [3].

Mandritra izany, miandry ny anjarany amin'ny fanamby i Michael Kwambo:

Ry namana….ampahafantaro ahy azafady rehefa anjarako ny #M7Challenge [3] ..avelao aho hiandry am-paharetana…