- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nanendry ny Vadiny, sy Ireo Mpitarika Mpanohitra Ho Amin'ny Toerana Ambony Ny Filoha Ogandey

Sokajy: Afrika Mainty, Oganda, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Vehivavy sy Miralenta
A screenshot of a YouTube video showing Janet Museveni (left) taking over the mantle of Ministry of Education and Sports.

Pikantsary tamin'ny lahatsary YouTube mampiseho an'i Janet Museveni (ankavia) mandray an-tanana ny Minisiteran'ny Fampianarana sy ny Fanatanjahatena.

Nivoaka tamin'ny fanombohan'ny adihevitra ny fe-potoam-piasana fahadimy ny filoha niasa ela indrindra Yoweri Museveni ao Onganda raha nanendry [1] tampoka ireo vehivavy mpanohitra mpanao politika (sy ny vadiny) ho eo amin'ny toerana minisiterialy eo ambanin'ny governemantany vaovao izy.

Ahitana an'i Beti Kamya [2], iray amin'ireo mpitarika mpanohitra mahery fiteny indrindra ao amin'ny firenena, sady filohan'ny Firaisambe Federaly Ogandey ireo mpanao politika voatendry. Voatendry ho minisitra misahana an'i Kampala, tanàna renivohitra izy.

Anisan'ny mpitarika mpanohitra hafa voatendry ihany koa i Betty Amongi [3] (Minisitry ny Tany, ny Fampiantranoana ary ny Fampandrosoana ny Tanàndehibe), Ruth Achieng [4] (Minisi-panjakana misahana ny Jono) ary Florence Nakiwala Kiyingi [5](Minisi-panjakana misahana momba ny Tanora sy ny Ankizy) izay samy mpitarika mpanohitra mahery fiteny avokoa izy rehetra ireo ary nanohitra ny telopolo taona nitondran'i Museveni.

Very seza tamin'ny fifidianana solombavambahoaka nifarana vao haingana i Betty Kamya sy Nakiwala Kiyingi.

Nanatsonga [6] ny filohan'ny antoko mpanohitra Kongresimbahoaka ao Onganda, Olara Otunnu ny Radio France fa ireo mpanao politika izay nomena toerana minisiterialy dia niara-niasa mangina tamin'ny filoha nandritra ny fotoana ela mba hanakorontanana ny mpanohitra:

What he's trying to do is rent support from compliant members of the opposition, for instance the Uganda People's Congress’ (…) Betty Amongi [has] been working with Museveni for several years to destabilize and undermine the UPC from within, [she's] now been rewarded by being given a cabinet position.

Ny ezahiny atao dia ny manakarama fanohanana avy amin'ireo mpikambana mankatò ao amin'ny mpanohitra, ohatra ny Kongresim-bahoakan'i Oganda (…) Niara-niasa tamin'i Museveni nandritra ny taona maro i Betty Amongi mba hanozongozonana sy hanohintohinana ny UPC avy ao anatiny, nahazo valisoa tamin'ny fahazoana toerana ao amin'ny kabinetra izy ankehitriny.

Tamin'ny tatitra an-dahatsary [7] navoakan'ny NTV Oganda, nilaza ilay mpampianatry ny oniversite Gerald Karyejja fa nitondra an'i Betty Kaya sy Nakiwala Kiyingi mba hampitony an'i Kampala ny filoha Museveni, satria marobe ny fihetsiketsehana manohitra ny filoha sy ny antokony notontosaina tao ary resy ara-politika ao koa ny antokony.

Mandritra izany, mihevitra i Bernard Sabiiti, mpandalina ara-politika fa ny zava-misy dia natao izao handravana ny mpanohitra ao anatin'ny fotoana iatrehan'ilay mpitarika mpanohitra Kizza Besigye [8]ny fiampangana famadihan-tanindrazana. [9]

Anisan'ny fanapahan-kevitra mampiady hevitra iray hafa noraisin'i Museveni ny fanendrena ny vadiny Janet Kataha Museveni [10] ho Minisitry ny Fanabeazana sy ny Fanatanjahan-tena, izay heverina fa iray amin'ireo minisitera goavana indrindra.

Maro no nametra-panontaniana momba ny fanendrena an'i Janet Kataha – izay voahodidina mpitandro ny filaminana marobe foana tahaka ireo mpikambana hafa ao amin'ny fianakavian'ny antokon'ny mpitondra – noho ny asany.

Ny andro voalohany niasàn-dRamatoa Museveni tao amin'ny minisitera, notapahana avokoa ny lalana rehetra manodidina ny foiben'ny minisitera ary tsy navela hiditra ao amin'ny minisitera sy ny birao manodidina ireo mpitsidika marobe.

Nahatonga an'i Gofrey Mutegeki hivazivazy izany fa ny andro nandraisan'i Janet Museveni ny toerany tao amin'ny minisitera dia tokony natao andro tsy fiasana ho an'ny vahoaka:

Zavatr'i Janet Museveni…..lalana notapahana….Hmmmm, tokony nataon'izy ireo andro tsy fiasana ho an'ny vahoaka androany

Maneho hevitra momba ny fanendrena ny vadin'ny filoham-pirenena, nahatsapa [12] i ‘Kicking Lizard’ mpamaky ny tranonkala Daily Monitor, fa tsy hahavita manatsara ny kalitaon'ny fampianarana ao amin'ny firenena i Janet Museveni:

Just watch out for the total collapse of education in Uganda. This woman has no morals and the indicative of it is when she publicly said she was going to use state house recourse for her security. Now you can see how” accessible” she will be. She has been one of the strong voices in perpetuating her husbands dicatorship. Education has one of the highest budgets and just watch out for another Muhwezi-like [13] robbery.

Mitandrema fotsiny amin'ny firodanan'ny fanabeazana tanteraka ao Oganda. Tsy manana maoraly ity vehivavy ity ary ny famantarana izany dia izy nilaza ampahibemaso fa handeha hampiasa ny fangataham-bonjy ny tranom-panjakana ho fiarovana azy. Ankehitriny, afaka mahita ianao hoe manao ahoana ny “fanatonana” azy. Iray amin'ireo feo mahery vaika amin'ny fampaharetana ny didy jadon'ny vadiny izy. Iray amin'ireo mila tetibola ambony indrindra ny fampianarana ary mitandrema fotsiny amin'ny halatra hafa mitovy amin'ny Muhwezi [13].

Milaza ny fanendrena ireo mpanao politika mpanohitra hampifanaikezana azy amin'ny filoha Museveni i Eshban Kwesiga tamin'ny siokany:

Manomboka milamina tanteraka eo amin'ny toerany ireo “Ekipan'ny Mpifanandrina” an'i Museveni (Betty Kamya, Amongin, Jimmy Akena)

Nilaza i Wilfred Busige fa manendry minisitra ny filoha Museveni mba hanome valisoa azy ireo na hampangina azy ireo:

Misafidy ny minisitrany amin'ny fomba 2 i Museveni; manome valisoa na mampangina ireo olona voafehy. Ho an'i Betty Kamya, mino aho fa ilay voalohany ny azy.

Tamin'ny fiandohan'ity taona ity, nanendry [16] ny zananilahy Muhoozi Kainerugaba ho Jeneraly Manampahefana Ambony, iray amin'ireo ambaratonga miaramila ambony indrindra ao amin'ny firenena i Museveni.