- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tantara Mitohy Amin'ny Radio Mamelona Indray Tantaram-Behivavy Iray Sy Mametraka An-Tsarintany Ny Fiarahamonina Lesbiana Ekoadaoriana

Sokajy: Amerika Latina, Ekoatora, Mediam-bahoaka, Tanora, Tantara, Vehivavy sy Miralenta, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT), Zon'olombelona
Marcha_del_orgullo_LGBTI_en_Ecuador_(2013) [1]

Vehivavy roa tao amin'ny filaharan'ny “gay pride” iray tao Guayaquil, 2013. Wikimedia Commons.

Efa ho feno roapolo taona taorian'ny nanesoran'i Ekoadaoro ny fahapelahana ho tsy heloka bevava intsony, dia re sy vonona amin'ny aterineto ny fampisehoana tantara tsangana mitondra ny lohateny hoe “Lesbiana mihitsy i Mariana”. Ny tantaran'i Mariana, tanoravavy iray monina ao Quito, izay tonga amin'ny fanekeny ny fironany ara-pananahana ao anatin'ny fanenjehana faratampony ireo LGBT, no voalaza ao amin'ity tantara mitohy ity. Tantara nitranga tao Ekoadaoro tamin'ny taompolo 1990s—fony mbola napetraky ny lalàna federaly ho jiolahy ireo ao amin'ny vondrom-piarahamonin'ny LGBTQ. Ny tantara mitohy fandefa amin'ny radio dia nakana aingam-panahy avy amin'ny Orina Mpanasoa Causana [2], “vondrona lesbiana feminista iray mpanandrateny hiaro ny zon'ireo karazan'olombelona manondro tena ho vitsy an'isa.” Nivoaka voalohany tao amin'ny radio ity tantara ity tamin'ny volana marsa tamin'ity taona ity, ary azo narahina tao amin'ny Youtube tamin'io volana io ihany koa.

Araka an'i Diana Maldonado, izay niresaka [3] tamin'ny gazety iray ao an-toerana El Telégrafo [3] amin'ny anaran'ny Orina Mpanasoa, ny tantara dia mamelona indray karazana fomba fitantaram-behivavy nalaza dia nalaza tany amin'ny faritra entina milaza ireo tantaram-behivavy maro izay feran'ny lalàna ny fiainana an-takonan'izy ireo. Eo imason'i Maldonado, dia zavatra kely dia kely monja no resahin'ireo vehivavy ireo, eny fa na dia taorian'ny nanalana ny maha heloka bevava ilay fironana ara-pananahana aza::

Es una iniciativa buena, porque de una manera dinámica han abordado un tema del cómo fue el diario vivir de una mujer lesbiana en una época en la que la homosexualidad era considerada un delito. Es importante traer esto al día de hoy, en el que muchos jóvenes y chicas no conocen de esta realidad, que se puedan enterar de lo que era vivir en esa época y crear conciencia de lo que tiene que ver con nuestros derechos.

Fandraisana an-tanana tsara nahitana ny fomba navitrika hamantarana izay fiainana andavanandron'ny vehivavy lesbiana iray tamin'ny fotoana niheverana ny fahapelahana ho heloka bevava. Zava-dehibe ny mitondra izany amin'ny tontolo ankehitriny, fa betsaka ny tanora lahy sy vavy tsy mahalala izany zavanisy izany, ka ahafahan'izy ireo mioty hoe tahaka ny ahoana ny fiainana tamin'izany fotoana izany hamelona fanairana amin'ny zontsika.

Ny tantara mitohy dia ahitana fizaran-tantara miisa 11 ary vonona hojerena ao amin'ny fantsona YouTube an'i Orina Mpanasoa Causana [4].

Lalàna, Fahapelahana, ary Fiarahamonina

Araka ny nosoratan'ny bilaogera iray tsy miseho anarana raha niresaka “ny lasitry ny lalàna momba ny fahasamihafana ara-pananahana ao Ekoadaoro [5],” fotoana nahafahana nanova zavatra teo amin'ny tantaran'ny firenena ny fametrahana ho ara-dalàna ny fiarahamonina LGBTQ, saingy “fandresena tapany ihany” ilay fanesorana azy tao amin'ny fanitsakitsahan-dalàna, raha jerena ny fomba fihevitry ny Fitsaran-Dalampanorenana:

El Tribunal Constitucional no motivó su resolución de anular el delito de homosexualismo consentido bajo criterios de libertad de conciencia, de autonomía y soberanía corporal, tampoco de respeto a la diferencia, a la intimidad, al proyecto de vida y a la identidad y menos aún por la consideración de que la diversidad fuera valiosa y tuviera relevancia en el ámbito de los derechos culturales. El 516, inciso 2do, se despenalizó bajo tres consideraciones: Primera, que el homosexualismo era una enfermedad, segunda, que la condición de enfermedad eximía la responsabilidad delictiva; y tercera, que despenalizar esta enfermedad evitaría que se propagara en las cárceles.

Tsy noho ny idealin'ny fahalalahana hisaina, fizakan-tena, fiandrianan'ny tsirairay amin'izay anaovany ny vatany na noho ny fanajana fahasamihafana, fifandraisan'olona akaiky, fandaminam-piainana na mari-panondroana no nanesoran'ny Fitsaran-Dalampanorenana ny fahapelahana tsy ho ao anatin'ny heloka bevava intsony. Tsy noho ny fanomezana lanja ihany koa ny fahasamihafana na hoe zava-dehibe eo amin'ny tontolo ara-kolontsain'ny zon'olombelona izany. Fa ny fototra telo voalazan'ny Fanitsiana 516, fizarana faha-2, nanesorana ny fahapelahana ho tsy heloka bevava intsony dia : voalohany, aretina ny fahapelahana; faharoa, izay toetra maha aretina azy izay no manaisotra azy tsy ho tompon'antoka amin'ny heloka bevava rehetra; ary fahatelo, ny fanesorana ity aretina ity hiala ao amin'ny heloka bevava no ahafahana misoroka ny fanitarana ny fonja.

Raha mbola tsy ara-dalàna ny mariazin'ny samy lahy na samy vavy, dia efa nandray ny fiarahan'olon-droa samy lahy na samy vavy an-tokantrano [6] ihany i Ekoadaoro efa ho folo taona izao, tamin'ny taona 2008. Ankehitriny, mbola maro ny tolona ataon'ny fiarahamonina LGBTQ ao amin'ny firenena hahazoany ireo zo fototra tokony ho azy ireo, saingy ny tantara tahaka ny an'i Mariana sy ny tantaran'ireo vehivavy hafa mivoaka amin'ny radio no ahatarafana mazava ny fanenjehana sy ny fitiavana voadaka eny anjorom-balan'ny fiarahamonin'i Ekoadaoro amin'ny ankapobeny.