Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Miantso An'i Shina Mba Hanao #Chexit Ao Amin'ny Ranomasina Shina Atsimo Ny Filipiana

Filipino fisherfolk stage a protest in front of the Chinese Embassy in Manila. Photo from Pamalakaya

Filipiana mpanjono mikarakara fihetsiketsehana eo anoloan'ny Ambasady Shinoa ao Manila. Sary avy amin'i Pamalakaya

Mitaky “Chexit” ireo mpiserasera sy mpikatroka Filipiana – mba hiala ao amin'ny rano faritanin'ny firenen'izy ireo i Shina – taorian'ny didim-pitsaran'ny Fitsarana Mpanelanelana Maharitra ao Hague hiaro an'ny Filipina manoloana ny fitakian'i Shina ao amin'ny Ranomasina Shina Atsimo (fantatra ao Filipina amin'ny hoe Ranomasina Filipina Andrefana).

Notondroin'ny Fitsarana Iraisam-pirenena ho tompon'andraikitra i Shina noho ny fanitsakitsahana ny zon'i Filipina ao amin'ny faritra ara-toekareny manokana sy ny lemaka kaontinantaly midadasika araka ny voalaza eo ambanin'ny Fifanarahan'ny Firenena Mikambana Momba ny Lalànan'ny Ranomasina (UNCLOS).

Mitaky ny 90 isanjato amin'ny Ranomasina Filipina Andrefana eo ambanin'ilay antsoiny hoe “tsipika sivy andalana” i Shina, miaraka amin'ny riandrano eo ambanin'ny fahefan'i Filipina sy iero firenena Aziatika Atsimo Atsinanana hafa.

Manontany ireo fihetsik'i Shina tahaka ny fanakanana ny sambo sy ny Filipiana mpanjono tsy hiditra ao amin'ny rano ifandirana, ny fanimbana ny tontolo ianana an-dranomasina, sy ny fananganana nosy artifisialy ao amin'ny rano faritanin'ny Filipina ny didim-pitsarana.

Nampiditra ny raharaha manohitra ny fitsofohan'i Shina ao amin'ny faritaniny teo amin'ny fitsarana iraisam-pirenena i Filipina tamin'ny taona 2013. Na izany aza, tsy nety nandray anjara tamin'ny fakana am-bavany i Shina ary nanambara fa tsy hanaja ny fanapahan-kevitry ny fitsarana.

Ny #Chexi dia noforonin'ireo mpikatroka Filipiana tamin'ny kilalaon-teny #Brexit, izay miresaka ny fifidianana tamin'ny volana lasa nokarakarain'ny Fanjakana Mitambatra mba hialana amin'ny Vondrona Eoropeana.

Nampiasa ny teny filamatra #Chexit ny mpikatroka Filipiana no sady nanao hetsi-panoherana teo anoloan'ny Konsilà Shinoa ao amin'ny renivohi-pirenena Filipina, Manila tamin'ny andro nialoha ny nivoahan'ny didim-pitsarana.

#Chexit protest in front of the Chinese Embassy in Manila. Photo from the Facebook page of Mon Ramirez

Fihetsiketsehana #Chexit teo anoloan'ny Ambasady Shinoa ao Manila. Sary avy amin'ny pejy Facebookn'i Mon Ramirez

Nalaza tao amin'ny tranonkala media sosialy isan-karazany ny tenirohy #Chexit ary nanjary nalaza manerantany tao amin'ny Twitter. Nandanjalanja ny fanapahan-kevitry ny fitsarana iraisam-pirenena sy ny fiantraikany ny mpiserasera Filipiana :

Ity ny satroky ny mpanao fihetsiketsehana Filipiana ao anatin'ny voninahitra tanteraka avy amin'ny @AFPphoto. Ny fahadisoan-ketimbolo ve no hambonian'i Beijing?

Tsy misy fototra ara-dalàna, ara-tantara sy ara-moraly ny teorian'ny tsipika sivy andalan'i Shina

Zavatra 9 momba ny tsipika sivy andalan'i Shina
1. Hosoka
2. Sandoka
3. Fisolokiana
4. Fitaka
5. Lainga
6. Diso
7. Abobo
8.Noforonina
9. Namboamboarina#CHexit

— Tonyo Cruz (@tonyocruz) July 12, 2016

Nandresy ambonin'ny fitakiana fiandrianam-pirenena tsy marim-pototra ny lalàna iraisam-pirenena. Aza mitaky sy manimba ny harena an-dranomasinay.

Ara-dalàna, ara-politika sy ara-tantaranay ny Ranomasina Filipina Andrefana.

Ny helo miaraka amin'ny tsipika sivy an-dalana nalain'i Shina an-tsaina, #CHexit izao!

Tsy momba an'i Filipina ihany izany, mitaky ny faritanin'i Vietnam, Indonezia sy Malezia ihany koa i Shina

ANKEHITRINY: Mizotra mankany amin'ny Masoivoho Shinoa ny fihetsiketsehana #Chexit

Fihetsiketsehana anio ao amin'ny masoivoho Shinoa ao Filipina, fotoana fohy talohan'ny fanapahan-kevitry ny fitsarana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.