- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitady Tonian-dahatsoratra  Ho An'ny Tetikasa RuNet Echo ny Global Voices

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Mediam-bahoaka, Akon'ny RuNet
Image edited by Kevin Rothrock. [1]

Sary nataon'i Kevin Rothrock.

Mitady Tonian-dahatsoratra miasa tapak'andro ao anatin'ny tetikasa RuNet Echo i Global Voices mba hanohanana ny  fampitam-baovao ho an'ny mpiserasera Rosiana.

Ny tetikasa dia manome tatitra feno sy fandalinana lalina ary fanadihadiana ny fiaraha-monina an-tserasera amin'ny teny Rosiana. Ny handalinana bebe kokoa ny fanangonam-baovao sy ny fandalinana ny tontolon'ny bilaogy amin'ny teny Rosiana, ny resaka an-tserasera, ary ny tambajotra sosialy no tanjon'ny tetikasa.

Manana andraikitra lehibe maro ny Tonian-dahatsoratra Mpandray anjara:

Ny fanoratana an-tserasera amin'ny teny Rosiana momba sy avy amin'ny Federasiona Rosiana no tena ifantohan'ny fitateram-baovao sy ny fandalinana. Mety ahitana votoaty amin'ny teny Rosiana avy any amin'ny Firaisana Sovietika teo aloha sy manerana izao tontolo izao ihany koa ny votoaty ambiny.

Manampy amin'ny famokarana sy ny fanitsiana votoaty ho an'ny tetikasa ny Tonia Mpandray Anjara, anisan'izany ny famoahana tsy tapaka tantara, fandikan-teny, ary ny tambajotra. Mamokatra sy/na manitsy tantara maromaro vita fandalinana isan-kerinandro ny tonia, ary lahatsoratra fohy mandrohy sy manondro lohahevitra, tranga manan-danja, ary fanoratana araka ny mitranga. Mifantoka amin'ny fandikan-teny sy ny fanadihadiana lehibe ny asa, ary fomba fikarohana ôrizinaly sy fitateram-baovao raha mety, mba hanazavana bebe kokoa sy hamantarana ireo fironana, hevitra, ary tranga ara-tsosialy sy ara-politika ao anatin'ny RuNet . Manadihady ny fifandraisan'ny votoatin'ny tontolo an-tserasera amin'ny teny Rosiana amin'ireo vondrom-piarahamonina, ireo teny, ireo kolontsaina hafa, sy ny resadresaka amin'ny teny Rosiana ivelan'ny aterineto, ny fanaovan-gazety, sy ny hetsika ara-tsosialy sy ara-politika ihany koa ny fandalinana.

Ny Tonia Mpandray Anjara ihany koa dia:

Manana ireto fepetra takiana manaraka ireto ny kandidà mahomby  :

Raha liana ianao dia aoka mba handefa ao amin'ny krothrock AT globalvoices DOT org ny mombamomba anao, ny fanoratana santionany, ary taratasim-pahalianana manazava ny antony maha  kandidà mendrika ilay asa anao.

Hatramin'ny Alarobia 27 Jolay 2016 no fara-fandraisan'i Global Voices ny fangatahana.

Ny Open Society Foundations [2] no mamatsy vola ny RuNet Echo  .