Mitady Tonian-dahatsoratra  Ho An'ny Tetikasa RuNet Echo ny Global Voices

Image edited by Kevin Rothrock.

Sary nataon'i Kevin Rothrock.

Mitady Tonian-dahatsoratra miasa tapak'andro ao anatin'ny tetikasa RuNet Echo i Global Voices mba hanohanana ny  fampitam-baovao ho an'ny mpiserasera Rosiana.

Ny tetikasa dia manome tatitra feno sy fandalinana lalina ary fanadihadiana ny fiaraha-monina an-tserasera amin'ny teny Rosiana. Ny handalinana bebe kokoa ny fanangonam-baovao sy ny fandalinana ny tontolon'ny bilaogy amin'ny teny Rosiana, ny resaka an-tserasera, ary ny tambajotra sosialy no tanjon'ny tetikasa.

Manana andraikitra lehibe maro ny Tonian-dahatsoratra Mpandray anjara:

  • Famokarana fanadihadiana, fikarohana,  tatitra ôrizinaly mifototra amin'ny fanangonam-baovao ny aterineto amin'ny teny Rosiana.
  • Fanarahana (fanohizana) ny tantara voafantina amin'ny fikarohana lalina ho lasa lohahevitra maharesy lahatra ..
  • Fanaraha-maso ny kinendrin'ny fandraisana an-tanan'ny fiaraha-monina sivily, ny tranonkala ary ny hetsika isan-karazany.

Ny fanoratana an-tserasera amin'ny teny Rosiana momba sy avy amin'ny Federasiona Rosiana no tena ifantohan'ny fitateram-baovao sy ny fandalinana. Mety ahitana votoaty amin'ny teny Rosiana avy any amin'ny Firaisana Sovietika teo aloha sy manerana izao tontolo izao ihany koa ny votoaty ambiny.

Manampy amin'ny famokarana sy ny fanitsiana votoaty ho an'ny tetikasa ny Tonia Mpandray Anjara, anisan'izany ny famoahana tsy tapaka tantara, fandikan-teny, ary ny tambajotra. Mamokatra sy/na manitsy tantara maromaro vita fandalinana isan-kerinandro ny tonia, ary lahatsoratra fohy mandrohy sy manondro lohahevitra, tranga manan-danja, ary fanoratana araka ny mitranga. Mifantoka amin'ny fandikan-teny sy ny fanadihadiana lehibe ny asa, ary fomba fikarohana ôrizinaly sy fitateram-baovao raha mety, mba hanazavana bebe kokoa sy hamantarana ireo fironana, hevitra, ary tranga ara-tsosialy sy ara-politika ao anatin'ny RuNet . Manadihady ny fifandraisan'ny votoatin'ny tontolo an-tserasera amin'ny teny Rosiana amin'ireo vondrom-piarahamonina, ireo teny, ireo kolontsaina hafa, sy ny resadresaka amin'ny teny Rosiana ivelan'ny aterineto, ny fanaovan-gazety, sy ny hetsika ara-tsosialy sy ara-politika ihany koa ny fandalinana.

Ny Tonia Mpandray Anjara ihany koa dia:

  • Manampy amin'ny fitantanana ny zoro Fitateram-Baovao Manokana ho fanamafisana sy ho fandaminana ny votoaty avy amin'ny tetikasa RuNet.
  • Miara-miasa akaiky amin'ny tonian-dahatsoratra sy mpanoratra Rosiana izay efa ato amin'ny Global Voices.
  • Mikolokolo fifandraisana amin'ny bilaogera Rosiana sy mpanoratra mankany amin'ny tanjona iray.
  • Manatrika fihaonambe sy ny fotoandehibe momba ny tontolon'ny aterineto Rosiana, araka izay ilaina.

Manana ireto fepetra takiana manaraka ireto ny kandidà mahomby  :

  • Mailaka amin'ny teny Anglisy sy Rosiana. Havoaka amin'ny teny Anglisy ny lahatsoratra, ary kely indrindra ny fanitsiana. Ilaina ny fanoratana santionan-tsoratra ho anisan'ny fangatahana.
  • Zatra tontolon'ny bilaogy Rosiana, tambajotra sosialy Rosiana, politika, sosialy, toekarena Rosiana, ary ireo fironana ara-kolontsaina.
  • Fahakingana mitatitra, mandinika, ary manazava ny tontolon'ny aterineto Rosiana.
  • Mahavita miasa irery, ao anatin'ny tontolon'ny asa tsy voarafitra, ao amin'ny efitra fanoratana virtoaly.
  • Mahay mampiasa solosaina, mahay tsara ny rindrambaiko sy ny teny teknika. Tsy takiana ny fahalalana Fandrafetana/ HTML, fa zava-dehibe ny mahay mampiasa tsara ny fitaovana media sosialy an-tserasera (sehatra bilaogy, fanangonana, sy ny sisa).

Raha liana ianao dia aoka mba handefa ao amin'ny krothrock AT globalvoices DOT org ny mombamomba anao, ny fanoratana santionany, ary taratasim-pahalianana manazava ny antony maha  kandidà mendrika ilay asa anao.

Hatramin'ny Alarobia 27 Jolay 2016 no fara-fandraisan'i Global Voices ny fangatahana.

Ny Open Society Foundations no mamatsy vola ny RuNet Echo  .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.