Fanadihadiana Nataon'ny Mpisera Twitter Iray Ny Fomba Fitateram-Baovaon'ny Media Tamin'ny Fifampitifirana Tao Dallas

Floor tiles at the Basilica of St. John Lateran in Rome. The pattern creates an illusion of three-dimensional boxes. PHOTO: Public Domain

Tailan-gorodon'ny Bazilikan'i Md Joany Latran ao Roma. Toy ny mamitaka maso amin'ny fisiana biriky telorefy ilay lamina. SARIPIKA: Azon'ny rehetra ampiasaina

Nihaohao ny tambajotra sosialy tamin'ny nandrenesana ny vaovaon'ny fifampitifiran'ny polisy sy ny sivily tamin'ny 7 Jolay tao amin'ny hetsi-panoherana ny famonoana tsy misy fitsarana an'i Alton Sterling sy i Philander Castile tamin'ny fiandohan'io herinandro lasa io tao Dallas, Texas. Raha tokony nanaraka sy naneho hevitra fotsiny tamin'ny vaovao anefa ilay mpisera twitter avy ao Trinite sy Tobago @battymamzelle dia nanapa-kevitra ny handeha lalindalina kokoa. “Mieritreritra aho fa izay no hataoko anio,” hoy ny siokany. “Nampivoitra fomba fakana sary amin'ny vaovao sy ny fomba fitongilanana amin'ny fitantarana.”

Indreto ny tsonga sasantsasany avy amin'ny fanehoan-kevitr'i @battymamzelle.

Eritrereto lalina izay taterina sy ny fomba ilazana azy. Zava-dehibe kokoa ny fitadiavana izay tsy nolazaina tamin'ny takelaka sy ny antony.

Amin'ny findramana ny siokan'ny mpisera hafa i @battymamzelle manavoitra izay asongadin'ny fampitam-baovaon'i Dallas tahaka ny fampitahana ilay famonoana amin'i 9/11 (11 septambra), na dia “tsy ny polisy aza no lasibatra voalohany tamin'ny 9/11“.

Fampitahana zavatra tsy misy ifandraisana. Tsy ny polisy no nokendrena tamin'ny 9/11. Mariho ihany koa ny tsy fisian'ny tsonga avy amin'ny sivily.

Ny fametrahana ny hetsika Black Lives Matter na BLM (Misy Lanjany ny Ain'ny Mainty) ho fikambanana mpampihorohoro:

Izao no safidy mavitrika te-hampiditra ny BLM amin'ny herisetra atao amin'ny polisy. Jereo ity.

Ny fametrahana ny mpitifitra ho “mpitolona mitam-piadiana sy anti-polisy” amin'ny fisafidianana ny sariny manao akanjo Afrikana Tandrefana marevaka (dashiki) fa tsy ny fanamian'ny miaramila nanaovany:

Mazava tsara fa tsy milahatra ao amin'ny tantara izao. Ny ady dia napetraka ho NATAO tamin'ny polisy sy ny tafika mitam-piadiana, fa tsy AVY AMINY (izy ireo)

Ary ny famerenana tsy mitsahatra ny anarana antenatenan'ilay mpitifitra —”Xavier”—tiana hampifandraisana azy amin'i Malcolm X:

Avy eo isika mamatotra azy amin'ny mpitarika mpandala ny zon'olombelona iray izay nanandrateny fa valinteny ara-drariny ny valy bontana ankerisetra. Maka endrika tsikelikely ny sary.

Nanivaka nahazo fanamarihana manokana ny gazety mivoaka isan'andro avy ao New York Daily News, ao amin'ny kaontin'ny fanovana tamin'ny minitra farany ilay fonon-gazety tamin'ny voalohany—izay nanasongadina ny anaran'ireo mainty hoditra lasibatry ny herisetran'ny polisy—ho ilay iray izay miresaka ny tranga tao Dallas:

Miverina indray ny fametrahana paikady. Miteny ankolaka amintsika ry zareo fa misy lanjany kokoa ny fatin'ny polisy noho ny fatin'ny mainty hoditra.

Sorohin'i @battmamzelle ny fanendrikendrehana ho mpanao demagôzia amin'ny fampahatsiarovana ireo mpisioka (Twitterers) niaingan'ny resany:

Tsy natao hanambany olona na hahasosotra olona anefa izao tohin-dresaka izao na izany aza. Ny Bachelor of Arts-ko (Licence) dia ao amin'ny fanaovan-gazety, ary ny Master of Arts (Maîtrise) kosa indray amin'ny fianarana fampitam-baovao. Mijery fotsiny ny fivoahan'ny petra-kevitra aho.

Zohio na vakio ato ny arisivan-dresak'i @battymamzelle ao amin'i Twitter.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.