- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nahazo Fanohanana Tamin'ny Aterineto Ny Lehiben'ny Minisitra Ao Myanmar Noho Ny Fihantsiana Nataony Tamin'ny Vondrona Radikaly Bodista

Sokajy: Azia Atsinanana, Myanmar (Birmania), Fanoherana, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Politika
13615377_10157158526775422_5694356960349658329_n [1]

Sary nalefa tao amin'ny pejy Facebookn'ny Myanmar sary-sy-soratra, avy amin'i Htet Myat Lynn. Ohatra amin'ireo sary-sy-soratra mampiseho ny fifandrafiana eo amin'ny lehiben'ny Minisitr'i Yangon, Phyo Min Thein (Kwee Phyo) sy Wirathu, lehiben'ny vondrona radikaly Bodista izany.

Nanao fanambarana sahisahy i Phyo Min Thei, lehiben'ny Minisitra ao an-tanànan'i Yangon ao Myanmar tamin'ny herinandro lasa raha nanambara [2] izy fa “tsy ilaina intsony” ny vondrona radikaly nasionalista Bodista Ma-Ba-Tha (Fikambanana Fiarovana ny Foko sy ny Fivavahana) satria efa misy ny Vaomieram-panjakana Sangha Maha Nayaka manara-maso ny raharaha Bodista ao amin'ny firenena.

Nandrahona [3] hanatontosa fihetsiketsehana manerana ny firenena i Wirathu, mpitarika ambony ao amin'ny Ma-Ba-Tha raha toa ka tsy mandray fepetra ho an'i Phyo Min Thein ny governemanta.

Saingy nanomboka nanao fanentanana ho fanohanana ny minisitra ny mpisera aterineto.

Naorina tamin'ny 2013 ny vondrona sivily ara-pivavahana Ma-Ba-Tha izay ahitana ireo moanina bodista sy ny mpanohana azy ireo, ny tanjona nifaneken'izy ireo dia ny fiarovana ny Bodisma, Bodista sy Myanmar manoloana ilay antsoina hoe “loza mitatao amin'ny fitomboan'ny Silamo.” Manana mponina Bodista maro an'isa i Myanmar, na dia manana foko vitsy an'isa mihoatra ny 100 aza.

Nahazo laza [4]ny Ma-Ba-Tha noho ny fanambarana sy ny hetsika ataony manohitra ny Silamo. Indrindra indrindra, hery goavana ambadiky ny fanafihana ny olona Rohingya, vondrona ara-poko ​​Silamo monina ao amin'ny faritra andrefan'i Myanmar izy. Mamokatra tantara kabarim-pankahalana ireo mpanohana ny foto-kevitry ny Ma-Ba-Tha sy ireo mpitarika-ny izay mitaky amin'ny governemanta mba handroaka ny Rohingya, izay ampangain'izy ireo ho mpifindra monina tsy ara-dalàna sy mpampihorohoro. Vondrona mpiaro ny zon'olombelona maro no mihevitra [5] ny Rohingya ho iray amin'ireo vitsy an'isa tratran'ny famoretana indrindra eto amin'izao tontolo izao.

Anisan'ny ao amin'ny antoko vaovaon'ny fitondrana Ligim-pirenena ho an'ny Demokrasia (NLD), tahirin'ilay Nahazo Loka Nobel Aung San Suu Kyi i Phyo Min Thein, fantatry ny mpanohana azy amin'ny hoe Kwee Phyo. Tonga teo amin'ny fitondrana tamin'ny Febroary 2016 ny NLD rehefa nandresy [6] ny antoko tohanan'ny miaramila nandritra ny fifidianana ankapobeny. Nitondra an'i Myanmar nanomboka tamin'ny taona 1962 hatramin'ny fiandohan'ity taona ity ny miaramila.

Nahazo laza tamin'ny fametrahana fanavaozana [7] maromaro mampiadi-hevitra ny lehiben'ny minisitra ao Yangon, Phyo Min Thein, tahaka ny fitsipika momba ny fanorenana napetrany tamin'ny volana Aprily nandritra ny fetiben'ny rano fanao isan-taona. Saingy mbola nampiteraka adihevitra goavana iray aza izy tamin'ny herinandro lasa raha nanao fanambarana ampahibemaso mamely ilay mahery vaika Ma-Ba-Tha.

Soa ihany, nahazo fanohanana avy amin'ny mpiserasera marobe i Phyo Min Thein. Nampiasaina tao amin'ny Facebook ny tenirohy #NoMaBaTha izay anisan'ny fanentanana miaro ny lehiben'ny minisitra manoloana ireo  mpanohana antserasera ny vondrona radikaly bodista.

Nampiasa ity sary ity amin'ny sary famantarana azy ny mpisera Facebook sasany ho fanohanana ny lehiben'ny minisitra:

13590272_1142414625780939_683725030431344279_n [8]

Indreto fanehoan-kevitra sasany tamin'ny tenirohy #‎NOMaBaTha‬. Navahan'i Htin Linn Aye [9] tamin'ny moanina Bodista ambiny ao amin'ny firenena ny Ma-Ba-Tha:

မြတ်စွာဘုရားရဲ့ တရားတော်တွေကို ကျင့်ကြံအားထုတ် နေထိုင်တဲ့ ဘုရားသားတော်တွေကို ကြည်ညိုတယ်…

ဒါပေမယ့်…

#‎NOMaBaTha‬

Manaja ny taranak'i Buddha izay mitoetra amin'ny fampianarany aho

fa tsy ny…

#‎NOMaBaTha‬

Ity ambany ity kosa lahatsoratra Facebook nalaza tao amin'ny aterineto:

မဘသ မရှိရင် မင်းခွေးဖြစ်သွားလိမ့်မယ် ပြောနေသူတွေက လွန်ခဲ့တဲ့ မဘသမရှိခင် နှစ်ပေါင်းများစွာက
ခွေးဖြစ်ခဲ့ကြလို့များလား မေးပီလေ အိုင်းစ် :p:p:p:p:p
credit
‪#‎NOMaBaTha‬

Ho an'ireo izay milaza fa ho lasa alika isika raha tsy misy intsony ny Ma-Ba-Tha, avelao aho hanontany anao amin'izao fotoana izao hoe alika nandritra ny taona maro ve isika talohan'ny nahatongavan'ny Ma-Ba-Tha? :p:p:p:p:p
credit
‪#‎NOMaBaTha‬

Moe Kaung San [10] kosa mihevitra fa mandoto ny endriky ny Bodisma ny fihetsiky ny Ma-Ba-Tha:

မဘသဟူသော အဖွဲ့အစည်းသည်
အမျိုးဘာသာ သာသနာအား ဗန်းပြ၍
လူမျိုးရေးမုန်းတီးမှု ဘာသာရေးခွဲခြားမှုများဖြင့်
တိုင်းပြည်မငြိမ်သက်အောင် ပြုလုပ်ပြီး
နိုင်ငံရေးတွင်ခြေရှုပ်ကာ ဗုဒ္ဓဘာသာကို
ညိုးနွမ်းစေသောကြောင့်…………….

‪#‎မဘသအလိုမရှိ‬

‪#‎NoMaBaTha‬

Satria ny fikambanana antsoina hoe Ma-Ba-Tha dia tafiditra amin'ny fanaovana politika ary mahatonga ny firenena hikorontana noho ny fananganana fankahalana ara-poko sy fanavakavahana ara-pivavahana amin'ny anaran'ny fiarovana ny foko sy fivavahana ary mametraka endrika ratsy ho an'ny Bodisma

#tsymitsiriritraMaBaTha

#‎NoMaBaTha‬

Natsangana ihany koa ny fanangonan-kevitra Google [11]mba hanangonana fanohanana be kokoa ny fanambarana navoakan'ny lehiben'ny minisitra ao Yangon momba ny Ma-Ba-Tha.