Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Olona An-Jatony Namonjy Diabe Tao Kambodza Ora Vitsy Taorian'ny Nitifirana Ilay Mpitsikeran’ Ny Governemanta

This image of Kem Ley was widely shared by Twitter users. Source: ‏@RPanh

Nozarain'ireo mpisera Twitter ny sary maro tamin'ity sarin'i Kem Ley ity. Avy amin'ny: ‏@RPanh

Maty voatifitra tao amin'ny fivarotana  tobin-tsolika tao Kambodza tamin'ny 10 Jolay lasa teo ilay mpandalina ara-politika fanta-daza sady mpitsikera ny governemanta. Fotoana fohy taorian'izay dia efa tafavory ny Kambojiana an-jatony teo akaikin'ny toerana nitrangan'ny heloka bevava, ary nanao diabe tao Phnom Penh,  renivohitry ny firenena, mba hanameloka ny famonoana.

Mpaneho hevitra malaza sy mpikaroka fantatra amin’ ny tsikerany mamely mafy ny governemantan'ny Praiminisitra Hun Sen i  Kem Ley ilay mpitarika ny Antoko Demokraty

Teo amin'ny fitondrana nandritra ny telopolo taona mahery i Hun Sen

Nitranga andro vitsivitsy taorian'ny famoahana tatitra  fanadihadiana tsy miankina mampiseho ireo raharaham-barotra mampametra-panontaniana ataon'ny fianakavian'i Hun Sen ny famonoana an'i kem Ley.

Voasambotry ny polisy haingana ilay nitifitra an'i kem Ley.

Niaiky ny heloka bevava nataony tao amin'ny lahatsary ilay noahiahiana, ary nilaza fa novonoiny i kem Ley satria ananany trosa ity farany .

Tsy nanaiky ny hino izany ireo Kambojiana maro satria mihevitra izy ireo fa nisy hifandraisany amin'ny toe-draharaha ara-politika miharatsy ao amin'ny firenena ny famonoana an'i kem Ley, satria mpitarika maro  ao amin'ny antoko mpanohitra sy mpikatroka ampolony maro no noampangaina, nosamborina [mg] ary norahonan'ireo manampahefana tato anatin'ny herinandro maromaro izay.

Ireto ambany ireto ny sasany amin'ireo sary tao Phnom Penh ora vitsy taorian'ny famonoana an'i kem Ley:

#Cambodia: Vahoaka betsaka no tafangona teo amin'ny toerana nahitana ny fitifirana an'ilay mpandalina ara-politika kem Ley ary maty io maraina io pic.twitter.com/ciT96nLjhE

Nivory teo akaikin'ny toerana namonoana an'i Ley kem io maraina io ireo mpisaona tezitra, nandrakotra ny fiarany tamin'ny voninkazo sy emboka. pic.twitter.com/sgunoGKoO1

Nivory teo ivelan'ny fivarotana  izay nitifirana an'i kem Ley io maraina io ny vahoaka tsy mitsaha-mitombo isa. #cambodia pic.twitter.com/qZbekqKmpS

Nanoratra ny olona hoe ” mahery fon'i Khmer i kem Ley.” pic.twitter.com/VIqUv9SGfw

Nosolain'ny lehilahy iray ny lohany noho ny fahafatesan'ilay mpandalina kem Ley

Nahasarika vahoaka be tao Phnom Penhy ny diabe nilanjana ny fatin'i kem Ley :

Ireo ny mpitazana tao amin'ny Caltex Bokor fa maty voatifitra tamin'ny andro mazava io maraina io ilay mpandalina malaza Kem  Ley .pic.twitter.com/SD7PhiYgbZ

Manohitra ny famonoana  an'i #KemLey #Cambodia pic.twitter.com/0ntj7BW9Cs ny olona an-jatony maro teny an-dalambe tao amin'ny Federasionan'i Rosia sy Monivong.

Nifandimby nilanja ny vatan'ilay mpandalina ara-politika novonoina, Kem Ley, ny olona an-jatony ho any Wat Chas ao Chroy Changvar #cambodia

Ny matson'ny filanjana ny vatan'i kem Ley, mpandalina ara-politika maty voatifitra io maraina io #KemLey pic.twitter.com/bXw0cqQ0qV

Tsy nitsaha-nitombo ny vahoaka teny ampananterana ny vatan'ilay mpaneho hevitra ara-politika novonoina kem Ley . pic.twitter.com/UdvqlI0x2U

Nanome ako ny fihetseham-pon'ny mpisera aterineto maro i Kounila mpanoratra :

Tsy mino ny hanihany amin'izao fotoana izao aho fa nisy namono noho ny trosa i #KemLey. Nahita ny lahatsoratra navoakany tao amin'ny FB ireo Kambojiana, ary nahalala mazava tsara ny zava-nitranga. Mandria Am-Piadanana

Kem Ley’s last radio interview could give some clue about his death:

Afaka manome hevitra amin'ny antony nahafahafatesany ny dinidinika farany nataon'i Kem Ley tao amin'ny onjam-peo:

Hoy i Kem Ley tao amin'ny onjam-peo tamin'ny herinandro lasa: “Rehefa te hamono [olona] ny fitondrana, dia lazainy fa [mpiray tetika] tsy vonon-kiaro ny fitondrana izy ireny. Ary avy eo vonoiny. ” #cambodia

Niaraka nisaona ny fahafatesan'i kem Ley tamin'ireo Kambojiana ny Masoivohon'i Etazonia:

Vaovao maha-tohina sy mampalahelo :  famonoana an'i #KemLey, iray amin'ireo mpandalina ara-politika ao # Kambodza malaza indrindra. Maneho ny fiaraha-miory lalina ho an'ireo fianakaviany.

Na ny Praiminisitra Hun Sen aza dia nanameloka ny famonoana ary nanome baiko ny polisy mba hamaha ny raharaha sy hanao fanaraha-maso henjana amin'ny fanarahamaso ny fitaovam-piadina.

Hisy fanomanana fandevenana lehibe ato anatin'ny andro vitsivitsy araka ireo tatitra. Azo ampiasaina hanaraha-maso ny vaovao mifandraika amin'ny famonoana ny tenirohy #KemLey.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.