- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sarin'ny  Lolo Mirehitra Mahagaga sy Mahatalanjona Ao Japana

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Mediam-bahoaka, Saripika, Tontolo_iainana
Fireflies / ホタル

Lolo Mirehitra . Sary avy amin'ny mpisera Flickr 禾 Lin [1]. Fahazoan-dàlana: CC BY-NC-ND 2.0 (Orizinaly).

Afaka manao topimaso ireo lolo mirehitra izay miseho isan-taona amin'ny fiandohan'ny fahavaratra any Japana amin'ny faramparan'ny volana May sy ny fiandohan'ny volana Jona ianao raha tsara vintana. Mila fahadiovana, rano mandeha, ary mifandray amin'ny tanimbary izay tondraky ny rano isaky ny volana May efa hatramin'ny ela ao Japana ny lolo mirehitra (tanànan'ny lolo mirehitra ao Azia i Japana, Luciola parvula [2] ) .

Na izany aza, vitsy kokoa ny herijika mety ahitana ireo lolo mirehitra isan-taona satria lasa niparitadritaka ny taranak'ireo mpamboly sy ireo tanimbary ao Japana.

Maro ireo mpaka sary no nampiseho ny sarin'ireo lolo mirehitra mahagaga sy mahatalanjona manodidina an'i Japana tamin'ny fifaninanana fakana sary [3] nokarakarain'ny Klioban'ny Mpaka Sary ao Tokyo [4] tamin'ny Jona 2016.

Sary: Nakanishi Shingo [9]

Sary: mpisera Instagram  s_t_523 [14]

Sary: Takao Sudo [19]

Sary: Hiroyuki Shinohara [24]

Sary: Takahiro Bessho [28]

Sary: Apple Man [32]

「源氏と菖蒲の共演」 (2016.6.5 岐阜県揖斐郡) #tokyocameraclub #東京カメラ部 #igersjp #lovers_nippon #icu_japan #wu_japan #bns_japan #webstagram #wounderful_places #nightphotography #phos_japan #picturetokeep_night #japan_night_view #team_jp_西 #special_spot_vip #color_of_day #奥行き同盟 #写真好きな人と繋がりたい #写真撮ってる人と繋がりたい #ファインダー越しの私の世界 #instagramjapan #instagood #instagrammers #岐阜 #love_nippon [33]

A photo posted by 淳 (@atsushi.k.photography) on

“Genji sy ny fampiaraham-peo mahasondrianan'ny herana.” (Ibi, Gifu [34], 6 Jona 2016)  #klioban'nympakasaryaotokyo #igersjp #mpifankatia_japoney #icu_japana #wu_japana #bns_japana #webstagram #toerana_mahafinaritra #saryamin'nyalina #phos_japana #saryalaina_alina #japana_hitaamin'ny_alina #fanazavana_manokana_vip #lokon'ny_andro

Nisioka tamin'ny teny Japoney ny Klioban'ny Mpaka Sary ao Tokyo, ary nandefa lahatsoratra tao amin'ny Instagram [35] sy tao amin'ny tranonkalany [4] ihany koa. Azonao arahina ao amin'ny Instagram miaraka amin'ny tenirohy #東京カメラ部 [36] ny fandraisana anjara ao amin'ny fifaninanana fakana sary ao amin'ny Klioban'ny Mpaka Sary ao Tokyo.