- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Faly I Japana Fa Azon'I Arashiro Yukiya Ny Fanamiana Mena Tamin'ny Tour de France

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka
Arashiro Yukiya

Arashiro Yukiya. Pikantsary avy amin'ny fantsona ofisialy YouTube [1] ny Tour de France Saitama Criterium [2] .

Raha nahazo ny dingana fanombohana i Mark Cavendish [3] tamin'ny Alakamisy 7 Jolay , ilay Japoney mpanao hazakazaka am-bisikileta Arashiro Yukiya kosa no nahazo ny “lokan'ny fikirizana” [4] tamin'ny hazakazaka am-bisikileta tamin'ny dingana fahenina tamin'ny Tour de France [5].

Nahazo ny loka i Arashiro satria nitari-dalana tamin'ny elanelana lavitra mihoatra amin'ireo mpifaninana hafa tamin'ny halavirana 137 kilometatra amin'ny 190,5 kilaometatra izy, marindrano ny ankamaroan'ny dingana avy any Arpajon-sur-Cère mankany Montauban [6] any amin'ny faritra atsimon'i Frantsa. Nalaza tao amin'ny Twitter Japoney ny tenirohy #敢闘賞 [7](lokan'ny fikirizana) rehefa vita ny hazakazaka. Efa nahazo fanohanana betsaka i Arashiro avy amin'ireo mpankafy hazakazaka am-bisikileta rehefa miverina any Japana:

Feno hafaliana ny olon-drehetra rehefa nibata  ny “amboaran'ny fikirizana” i Yukiya.

Nahazo ny “lokan'ny fikirizana” tamin'ny Tour de France ilay mpanao hazakazaka am-bisikileta Arashiro Yukiya! Nanome aingam-panahy antsika rehetra i!zy

Satria nahazo ny amboara i Arashiro noho izy niezaka indrindra tamin'ny hazakazaka am-bisikileta tamin'io andro io dia midika fa homem-boninahitra hitondra ny fanamiana mena [4] manokana  amin'ny dingana amin'ny zoma izy, izay hifarana eny amin'ny tendrombohitr'i Pyrénées.

Faha-enina amin'ny Tour de France ataon'i Arashiro izao. Tamin'ny 2009 izy no Japoney voalohany nahatafita hatramin'ny farany ny hazakazaka am-bisikileta  rehefa nita ny tsipika fahatongavana teo amin'ny Champs-Elysées mialoha ilay namany japoney malaza indrindra  Beppu Fumiyuki [13].

Tamin'ny 2012 i Arashiro no nahazo voalohany ny lokam-pifaninanana  tamin'ny Tour de France dingana fahefatra. [14]

Vaovao farany:  nahazo ny fanamiana mena i Arashiro Yukiya tamin'ny dingana faha-enina amin'ny  Tour de France. Faharoa tamin'ny loka azony tao anatin'ny efa-taona izany.

Ny fihazakazahana Lampre-Merida [17] no vao nampisehoan'i Arashiro zava-bita tsara vao haingana tamin'ny Fitetezana an'i Japana [18] tamin'ny Jona 2016.

Efa hatry ny ela i Arashiro no favori-n'ny mpijery maro, tsy noho ny toetrany tony sy ny fahafantarana fa mipetraka ao Frantsa izy ary miteny frantsay, fa noho ilay alikany miaraka aminy ao anatin'ny fanarahana ny Lampre-Merida ihany koa.

Nitondra ilay mpanao hazakazaka am-bisikileta Arashiro Yukiya ho any Angers, làlana adiny iray monja amin'ny fiaramiala amin'ny fonenany, ny dingana fahatelon'ny Tour de France. – Manampahefan'ny Fizahantany Frantsay (amin'ny teny Japoney)

Following Arashiro's red jersey win, there are high hopes that this year will be the year a Japanese-born cyclist wins the Tour de France.

Nisy ny fanantenana lehibe taorian'ny nisaloran'i Arashiro ny fanamina mena fa ho an'ny japoney ny fandresena amin'ny hazakazaka am-bisikileta amin'ny Tour de France amin'ity taona ity.

Nahazo ny fanamiana mena i Arashiro Yukiya androany. Mety handresy ve izy amin'ny dingana manaraka?