- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsy Manaiky Resy Tsy Miady Amin'ny Fepetram-Pitsitsiana  Henjana Napetrak'i Etazonia Ireo Pôrto Rikana

Sokajy: Amerika Avaratra, Amerika Latina, Karaiba, Etazonia, Pôrtô Rikô (Etazonia), Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna, Zon'olombelona
En este momento estamos obligadas a rescatar el espacio político cedido gracias a la manipulación perversa de los partidos antiguos y de los sirvientes que se benefician del estatus colonial y de las desigualdades. Ya hemos pagado un precio demasiado alto: asesinatos por homofobia, una colonia endeudada, violencia hacia las mujeres, medio país en pobreza, cierres de escuelas, gente sin servicios de salud. Hablemos de política, seamos políticas y políticos sin miedo y sin vergüenza porque la política no es sucia ni degradante. Lo que sí es sucio es dejar el país en manos de la politiquería que nos vendieron como única posibilidad. Nos merecemos mucho más. Y ahora mismo el país necesita mucho más para combatir los efectos de la Junta de Control Fiscal. [1]

Nankatoavin'ny mpanao lalàna Repoblikana sy Demokraty ny kabinetra mpanara-maso ny hetra, ary nataon'ny Filoha Obama sonia ho lalàna manan-kery ny 30 Jona 2016 lasa teo. Eto amin'ny sary, nikarakara lasy sivily maharitra ho mariky ny tsy fankatoavana teo anoloan'ny Lapan'ny Fitsarana Federaly ny mpanao hetsi-panoherana ao an-drenivohitra San Juan. Sary nalaina tao amin'ny pejy Facebook ho an'ny daholobe  Campamento Contra la Junta [1].

Andro manan-tantara ny 30 Jona ho an'i Pôrto Rikô, na dia andro mampalahelo aza.  Nanao sonia ny lalànan'ny fanaraha-maso, ny fitantanana sy ny fahamarinan-toerana ara-toe-karena (PROMESA) ho manan-kery tao Pôrto Rikô ny Filoha Amerikana Barack Obama, lalàna izay mametraka ny kabinetra mpanara-mason'ny hetra amin'ny alàlan'ny fahefana ankamehana ambonin'ny governemanta ao Pôrto Rikô. Mitolona amin'ny  trosa mihoatra  ny 70 miliara dôlara ny nosy, izay anisan'ny faritr'i Etazonia, ary natsangana  ny kabinetra ho karazana fepetra fanamaivanana ny vesatra.

Tsy manan-teny amin'izany ireo Pôrto Rikana. Maro no mihevitra ilay kabinetra ho toy ny fanjanahana amin'ny fomba tsotra indrindra, izay manana fahefana mihoatra noho ireo kabinetran-ketra hafa [2] hita tamin'ny zava-niseho vao haingana tao Etazonia .

Hahitana mpikambana fito notendren'ny filoha ny junta, na “kabinetra” amin'ny teny Espaniola, voafidy tamin'ny lisitra nomen'ny Kongresy ny sasany amin'izy ireo. Manana fahefana feno hanara-maso ny teti-bola, ny vola azo sy ny fiasan'ny ny governemantan'i Pôrto Rikô ny mpikambana . Efa ofisialy ny fanapahan-kevitra, ary tsy azo iverenana ilalana intsony, ary tsy hotazonina ho tompon'andraikitra ireo mpikambana  raha misy ny zavatra tsy mandeha.

Ny alin'ny 29 Jona, rehefa neken'ny Antenimieran-doholona Amerikana tamin'ny latsabato 68-30 ilay volavolan-dalàna, dia naneho ny alahelony, ny tsy fahatokisana ny hoavy, ary ny tsy fananany hery ireo mpisera amin'ny media sosialy izay nanaraka ny lamin'ny Antenimieran-doholona. Fanehoan-kerisetra kosa ny PROMESA ho an'ilay mpisera Twitter sady talen'ny fikarohana ao amin'ny Foiben'ny Toekarena Vaovao [3], Deepak Lamba-Nieves :

Fanehoana ny herisetra amin'ny fahefan'ny amperialy indray ny fifidianana ny #PROMESA [4] . Randraniny tsikelikely ny karavasy ho ampiasainy hamelezana antsika .

Nikarakara  lasy sivily maharitra ho mariky ny tsy fankatoavana avy hatrany ireo olom-pirenena  teo anoloan'ny Lapan'ny Fitsarana Federaly ao an-drenivohitra San Juan raha vao avy nanao sonia ny PROMESA ho lalàna manan-kery ny Filoha Obama.

Fijoroana hiatrika ady! “Tsy ara-dalàna io trosa io, Tsy handoa an'io izahay”

Naneho ny maha zava-dehibe ireo ezaka nataony ny media sosialy. Nanazava ny zavatra takiany izy ireo , ary nangataka ny zavatra ilainy tao amin'ny pejy Facebook , Campamento Contra La Junta [10] (Lasy Manohitra ny Kabinetra).

Ny alin'ny 3 Jolay, nandrehitra jiro avy amin'ny gropy izay mamoaka etona mônôksida teo akaikin'ny mpanao fihetsiketsehana ny mpiasa avy ao amin'ny Lapan'ny Fitsarana Federaly, efa nomanina natao handravana ny lasy sivily maharitra ho mariky ny tsy fankatoavana izany, araka ny voalazany amin'ny lahatsoratra amin'ny teny espaniola [11] ao amin'ny pejy Facebook . Samy nanery ny governemanta federaly hiantoka ny fiarovana ny mpanao hetsi-panoherana ny American Civil Liberties Union [12] (ACLU) sy ny Amnesty International [13].

Milaza mazava tsara ny tanjony sy ny fikasany [14] ao amin'ny pejy Facebook ho an'ny lasy sivily maharitra ho mariky ny tsy fankatoavana ny lahatsoratra iray vao haingana :

Somos un grupo de Boricuas que desde la convocatoria del ‪#‎CampamentoContraLaJunta‬ [15] el 29 de junio de 2016 adoptó la postura de resistencia pacífica en contra de la imposición del proyecto HR5278 mejor conocido como PROMESA o la Junta de Control Fiscal. Además, nos encontramos acampando en contra de la deuda, que NO reconocemos como nuestra, y el coloniaje. Queremos ser clarxs y transparentes por esa razón repetimos: SOMOS UN CAMPAMENTO DE RESISTENCIA PACÍFICA. CUALQUIER TIPO DE VIOLENCIA EJECUTADA EN EL ÁREA NO SERÁ PROPICIADA POR NINGÚN MIEMBRO DEL CAMPAMENTO.

Vondrona Boricuas (Pôrto Rikana) nahavita nitana ny hetsi-panoherana tamim-pilaminana manohitra ny hetra HR 5278, fantatra kokoa amin'ny anarana hoe PROMESA, na ny Kabinetra Mpanara-maso ny Hetra izahay nanomboka tamin'ny niandohan'ny antso hanaovana ny Lasy Manohitra ny Kabinetra ny 29 Jona 2016. Manao hetsika manohitra ny trosa ihany koa izahay, izay tsy ekenay ho anjaranay, ary koa manohitra ny fanjanahantany. Mino izahay fa mazava sy mangarahara ny tianay ambara momba izany, koa averinay: MITANA NY HETSI-PANOHERANA LASY AM-PILAMINANA IZAHAY, KOA TSY EKENAY MPIKAMBANA AO AMIN'NY LASY NA INONA NA INONA KARAZANA HERISETRA HATAO AO AMIN'NY FARITRA .

"Respect the existence, or expect resistance." Memes and digital art against PROMESA have flourished. This image was widely distributed on social media.

“Hajao ny fisiana , na misy ny fanoherana ” Niroborobo ireo hatsikana sy ny zavakanto nomerika manohitra ny PROMESA . Naparitaka tao amin'ny media sosialy ity sary ity.

Nandrisika ireo Porto Rikana [16] ny matoandahatsoratra iray navoakan'ny tranonkalam-baovao tsy miankina El Post Antillano tsy hankatò [16] na inona na inona fepetra henjana farany apetraky ny kabinetra mpanara-maso ny hetra . Afaka ary tokony hanana lafiny sy endrika maro na izany aza ny paikady tokony ampiasaina:

Siendo esta una relación entre un gobierno autoritario y despótico, y un pueblo esclavizado, es momento de medir y ponderar de forma profunda cual debe ser nuestra respuesta. Y atención, que no debe de haber una sola respuesta en específico, pues no somos un pueblo homogéneo. Somos muchos pueblos, mucha gente, muchas personas, en un solo pueblo.

Lasa fifandraisana eo amin'ny governemanta tsirefesi-mandidy sy mpanao didy jadona amin'ny olona noandevozina, ​​tonga ny fotoana mba handanjalanjana sy hisaintsainana lalina izay tokony ho valintenintsika. Ny dikan'izany dia hoe tsy tokony ho valinteny iray manokana izany, satria isika olona samihafa. Vahoaka maro sy olona maro ao amin'ny firenena iray isika.

Niantso ny rehetra ilay bilaogera sy mpikatroka feminista Amárilis Pagán Jiménez mba “hamerina indray ny tontolo politika “ [17] izay matetika mifandray amin'ny kolikoly ataon'ireo antoko politika teo aloha nifandimby nitondra nandritra ny taompolo maro :

En este momento estamos obligadas a rescatar el espacio político cedido gracias a la manipulación perversa de los partidos antiguos y de los sirvientes que se benefician del estatus colonial y de las desigualdades.  Ya hemos pagado un precio demasiado alto: asesinatos por homofobia, una colonia endeudada, violencia hacia las mujeres, medio país en pobreza, cierres de escuelas, gente sin servicios de salud.

Hablemos de política, seamos políticas y políticos sin miedo y sin vergüenza porque la política no es sucia ni degradante. Lo que sí es sucio es dejar el país en manos de la politiquería que nos vendieron como única posibilidad. Nos merecemos mucho más. Y ahora mismo el país necesita mucho más para combatir los efectos de la Junta de Control Fiscal.

Adidintsika indray amin'ny izao fotoana izao ny mitaky ny sehatra ara-politika izay efa navelantsika noho ny fanodinkodinan-tsaina nataon'ny antoko politika antitra sy ireo mpanompo azy izay nandray tombontsoa avy amin'ny satan'ny fanjanahantany sy ny tsy fitoviana. Efa nandoa ny vidiny lafo vidy loatra isika: ny famonoana nataon'ireo mpankahala pelaka, ny trosan'ny zanatany ,ny herisetra natao tamin'ny vehivavy, ao anatin'ny fahantrana ny antsasaky ny firenena, ny fikatonan'ny Sekoly, ny tsy fisian'ny servisy fitsaboana olona.

Andeha isika hiresaka politika, aoka ho politika tsy misy tahotra sy tsy misy henatra isika satria tsy maloto na manimba mihitsy ny politika. Ny mamela ny firenena ho eo am-pelatànan'ireo mpanao politika izay miseho amintsika ho vahaolana tokana no atao hoe maloto. Mendrika ny tsara kokoa isika. Ary ankehitriny mila mitolona bebe kokoa ny firenena amin'izay ho vokatry ny Kabinetra Mpanara-maso ny Hetra.