- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fifaninan-tSary Mamoaka Ny Biby Sy Zavamaniry Mahatalanjona Ao Amin'ny Farihy Ohrid Ao Makedonia sy Albania

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Albania, Makedonia, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Saripika, Tontolo_iainana, Tsidika
Marina Sadikoska

Saripika: Marina Sadikoska/OhridSOS, nahazoana alalana.

Nahaliana ny maro amin'ny Makedoniana ny fampidirana sary tamin'ny fifaninanana sary antsoina hoe “Ny Feon'ny Farihy” [1] mampiseho fiainana dia meva, endri-tany maitso mavana ary ireo zavatra narian'olona ao amin'ny Farihy Ohrid [2], izay misabàka amin'i Albania sy Makedonia.

Ny fifaninanana dia nomanin'ny Fandraisana an-tanan'Olompirenena OhridSOS [3], izay miady amin'ny fampitsaharana ny tetikasa manimba zavatra amin'ny fanorenana tanandehibe [4] [mg] izay ahiana hanimba ilay farihy mahafinaritra, izay farihy voajanahary lehibe indrindra [5] ao Makedonia sady farihy antitra indrindra [6] ao amin'ny kaontinanta eoropeana.

Asehon'ireo sary ny vorombe mangina, trondro sy hazandranomamy isan-karazany ary misy ihany koa aza fanaka an-trano ao anaty rano na amoron-drano.

Saripika: Mirza Chengich/Ohrid SOS, nahazoana alalana.

Saripika: @cvellst/Ohrid SOS, nahazoana alalana.

Saripika: @cvellst/Ohrid SOS, nahazoana alalana.

Saripika: @cvellst/Ohrid SOS, nahazoana alalana.

Saripika: Nikola Paskali/Ohrid SOS, nahazoana alalana.

Saripika: Marija Pipileva/Ohrid SOS, nahazoana alalana.

Saripika: Emil Jovanovic/Ohrid SOS, nahazoana alalana.

Saripika: Lence Danailovska/Ohrid SOS, nahazoana alalana.

Saripika: @ladybug1490/Ohrid SOS, nahazoana alalana.

Ny sary telo eto ambany dia manasongadina ireo endri-tany kanto sy mponina anaty ranon'ny farihy Ohrid izay voafidy ho mpandresy tamin'ny fifaninanana avy amin'ireo nifidy tao amin'ny Facebook.

Saripika: Mena Karanfiloska/ Ohrid SOS, nahazoana alalana.

Saripika: Emilija Karanfiloska/ Ohrid SOS, nahazoana alalana.

Saripika: Nikola Paskali/ Ohrid SOS, nahazoana alalana.

Nanapa-kevitra ny hanome loka izay sary tian-dry zareo indrindra ihany koa ny mpikatroky ny OhridSOS. Ny mpandresy? Ny sary eto ambany manasongadina masoandro mody ahitana zozoro sy ireo vonona kilelo eo amin'ny Farihy Ohrid.

Photo: Nebojsha Gelevski/ Ohrid SOS, used with permission.

Saripika: Nebojsha Gelevski/Ohrid SOS, nahazoana alalana.