Nahaliana ny maro amin'ny Makedoniana ny fampidirana sary tamin'ny fifaninanana sary antsoina hoe “Ny Feon'ny Farihy” mampiseho fiainana dia meva, endri-tany maitso mavana ary ireo zavatra narian'olona ao amin'ny Farihy Ohrid, izay misabàka amin'i Albania sy Makedonia.
Ny fifaninanana dia nomanin'ny Fandraisana an-tanan'Olompirenena OhridSOS, izay miady amin'ny fampitsaharana ny tetikasa manimba zavatra amin'ny fanorenana tanandehibe [mg] izay ahiana hanimba ilay farihy mahafinaritra, izay farihy voajanahary lehibe indrindra ao Makedonia sady farihy antitra indrindra ao amin'ny kaontinanta eoropeana.
Asehon'ireo sary ny vorombe mangina, trondro sy hazandranomamy isan-karazany ary misy ihany koa aza fanaka an-trano ao anaty rano na amoron-drano.
Ny sary telo eto ambany dia manasongadina ireo endri-tany kanto sy mponina anaty ranon'ny farihy Ohrid izay voafidy ho mpandresy tamin'ny fifaninanana avy amin'ireo nifidy tao amin'ny Facebook.
Nanapa-kevitra ny hanome loka izay sary tian-dry zareo indrindra ihany koa ny mpikatroky ny OhridSOS. Ny mpandresy? Ny sary eto ambany manasongadina masoandro mody ahitana zozoro sy ireo vonona kilelo eo amin'ny Farihy Ohrid.