- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

#TsyMatahotraAhoNyHilazaIzany: Milaza ny Herisetra Ara-nofo Niainany Ny Vehivavy Ao Amin'ny Media Sosialy Okrainiana

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Okraina, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona, Akon'ny RuNet
Image from The Noun Project. Edited by Tetyana Lokot. [1]

Sary avy amin'ny Tetikasa Anarana (Noun Project). Namboarin'i Tetyana Lokot.

Malaza ao amin'ny ampahan'ny Facebook Okraniana ny tenirohy vaovao ‪#‎ЯНеБоюсьСказати [2]‬ (#tsy matahotra aho ny hilaza izany). Amin'ny tenirohy, nizara ny tantarany sy izay niainany momba ny sotasota ara-nofo, herisetra ara-nofo, sy ny herisetra an-tokantrano ny mpiserasera.

Natombok'ilay mpikatroka sady mpanao gazety Nastya Melnychenko, izay namoaka lahatsoratra [3] manazava ny fikasany hiloa-bava ao amin'ny Facebook tamin'ny 5 Jolay ny tenirohy, narahana flashmob avy eo.

Ao amin'ny lahatsoratra, milaza i Melnychenko fa tsapany ho ilaina ny miresaka momba ny zava-niainany manokana tamin'ny herisetra ara-nofo, satria zava-dehibe ho an'ny vehivavy izay efa niatrika herisetra toy izany ny miresaka izany ary mampahafantatra izany ho “hita maso.”

Я хочу, аби сьогодні говорили ми, жінки. Аби ми говорили про насильство, яке пережила більшість з нас. Я хочу, аби ми не оправдувалися “я йшла у спортивках серед дня, а мене все одно схопили”. Бо нам не треба оправдуватися. Ми не винні, винен ЗАВЖДИ насильник.
Я не боюсь говорити. І я не почуваюся винною.

Tiako isika vehivavy mba hiresaka androany. Mba hiresaka ny herisetra izay niainan'ny maro tamintsika. Tiako isika mba tsy hiala tsiny intsony, ary milaza hoe: “Nitafy akanjo fanaovana fanatanjahan-tena aho nandritra ny andro, ary mbola niharan'ny sotasota ihany.” Tsy mila manao fialan-tsiny isika. Tsy omena tsiny isika, ireo izay manolana antsika no tokony omena tsiny HATRANY.
Tsy matahotra ny hiteny aho. Ary tsy mahatsiaro ho meloka.

Mitantara tranga maromaro momba ny sotasota sy herisetra ara-nofo nandritra ny fiainany i Melnychenko, nanomboka tamin'izy mbola zaza 6 taona ary niharan'ny herisetra nataon'ny lehilahy havana lavitra, tamin'ny fotoana izy efa olon-dehibe ary nandrahona azy handefa lahatsary mamoafadin'izy ireo amin'ny aterineto ny olon-tiany taloha ho valifatin'ny fisarahan'izy ireo.

Nahatonga ireo mpisera Facebook marobe hafa tao Okraina ampiasa ny tenirohy [2] handefasana ny zava-niainan'izy ireo manokana momba ny herisetra ara-nofo ny lahatsoratr'i Melnychenko sy ny antsony hizara tantara.

Ny sasany namaly tamin'ny fanehoan-kevitra tamin'ny lahatsorany, ny hafa nandefa manokana. Nozaraina in-60 ny lahatsoratra voalohany ary nahazo fanehoan-kevitra mihoatra ny zato: ny sasany tamin'izy ireo nidera ny herim-pon'i Melnychenko, ny hafa nitsikera ny fisehoany, ary ny sasany nanararaotra tsotra izao.

Nizara tantara momba ny fanolanana nataon'ny vahiny na namana, fisehoana tsy mendrika ataon'ny mpampianatra, mpiara-monina na havana; mpiara-mianatra manorisory azy ireo; mpiara-miasa sy mpampiasa nanery azy ireo hanao firaisana ara-nofo; ary tranga am-polony hafa ireo vehivavy.

Mpisera iray naneho hevitra [4] fa mampivarahontsana ny mahita ny hamaroan'ny tranga raha vao nanomboka niseho ny lahatsoratra sy ny fanehoan-kevitra tamin'ny Facebook.

Від цих історій волосся стає дибки і думаєш, яке щастя, що нічого такого не сталося з тобою. А потім починаєш пригадувати того сусідського хлопчика, який намагався переконати тебе зняти трусики, і того голого незнайомця в парку, і того іншого голого в сквері, і всі оті обмацування в метро, і ту смішну поїздку в потязі, коли п'яний сусід по купе серед ночі пробував на тебе залізти…
‪#‎яНеБоюсьСказати‬, але мені моторошно від того, наскільки повсякденним є такий досвід і скільки ще є таких нерозказаних історій.

Mahatonga anao hangorovitsika sy hitsangam-bolo ireo tantara ireo any amin'ny farany, ary mihevitra ianao, fa tena lehibe satria tsy nisy nitranga taminao ny zavatra tahaka izany. Ary avy eo tadidinao ny tovolahy mpifanolo-bodirindrina aminao niezaka nanala ny patalohanao, sy ilay vahiny nitanjaka tao amin'ny zaridaina, sy lehilahy iray hafa mitanjaka ao amin'ny zaridaina hafa, ary ireo rehetra misotasota anao any anaty metro, ary ny dia hafahafa anaty fiaran-dalamby raha niezaka mikaoty anao ao anatin'ny alina ny olona mamo ao amin'ny efitra mifanila aminao…
#TsyMatahotraHilazaIzanyAho, mahatonga ahy ho maloiloy noho ity karazana zavatra iainana iombonana sy mahazatra ity ary maro amin'ireo tantara ireo no tsy voatatitra.

Novain'i Nastya Melnychenko ny lahatsoratra tatỳ aoriana ary nampiany fa noarahabaina tonga soa ihany koa ireo lehilahy te hizara ny tantarany. Namaly ny antso ary nitantara [5] ny zavatra niainany tamin'ny fahazazany ilay mpanakanto Okrainiana Eliash Strongowski .

Коли у старших класах я волонтерив на телефоні довіри, таки х історій були десятки щодня. З крутішим ґрадусом – реґулярне зґвалтування батьком чи вітчимом, чи навіть студентом на практиці в школі, дехто і про аборти від такого розповідав; історії про “по кругу” в дитячих таборах, з або без вихователем; публічне приниження за відмову – з публічним же безкарним рукоприкладством. І все це з вимогою мовчати під страхом смерти. У мене кров стигла, а для них то була буденність.

Raha niasa tamin'ny antso an-tariby fanomezam-bahaolana aho fony mpianatry ny lisea, am-polony  ny tantara tahaka izany isan'andro. Ny ratsy indrindra dia ireo naolan'ny ny ray niteraka na ny raikely, na mpianatry ny oniversite monina ao an-tsekoly, ny sasany aza nilaza mihitsy fa nanala zaza taorian'izany; tantaran'ny hoe “mandehandeha manodidina” ny lasim-pahavaratra, miaraka na tsy miaraka amin'ny fandraisana anjaran'ny mpanome toro-hevitra ao amin'ny toby; fanalam-baraka imasom-bahoaka noho ny fandavana tsy hanaiky – miaraka amin'ny herisetra imasom-bahoaka tsy misy setriny. Ary izany rehetra izany miaraka amin'ny fampanantenana mba hangina noho ny fandrahonana ho faty. Hangatsiaka ny ràko, ary ho an'ireo olona ireo, fiainana andavanandron'izy ireo izany.

Nanamarika [5] ihany koa i Strongowski fa ny fitaoman'ny namana sy ny fanabeazana ara-tsosialy dia anisan'ny antony nahatonga azy nandray anjara tamin'ny antsojay tamin'izy zatovo, na dia efa niaina fandrahonana firaisana ara-nofo tsy niriana aza izy taloha.

Що значить що нас так виховують. Дівчат – із комплексом жертви, хлопців – із комплексом насильника. Збоченців і хворих вистачає, але першопричина – у нас суспільство під це заточене.
Тому я фемініст. Тому мені не байдуже і тому про це треба говорити – голосно і без страху.

Midika izany fa nitondra izany fomba izany isika. Ny tovovavy manana fahamenarana amin'ny maha- niharam-boina, ny tovolahy manana fahamenarana amin'ny maha-mpanolana. Marobe ireo olona vetaveta sy marary saina, saingy ny antony voalohany dia maranitra amin'ny fanaovana izany ny fiarahamonintsika.
Izany no mahatonga ahy miaro hiringiriny ny vehivavy. Izany no mahatonga ahy miraharaha sy ny antony tokony hiresahantsika izany – mafy sy tsy amin-tahotra.

Efa namoaka lahatsoratra am-polony miaraka amin'ny tenirohy ireo mpisera Facebook Okrainiana, manohana ny fanentanana ary mizara ny tantaran'izy ireo na mamaly ny hafa’. Nilaza tamin'ny lahatsoratra tamin'ny Facebook [6]ireo mpikatroka sivika miaraka amin'n Fanentanana Manohitra Ny Fanavakavahana fa dingana lehibe voalohany mankany amin'ny fanovana ny zava-misy “ara-tsosialy” ny firesahana ireo olana tena manokana ireo (matetika hita toy ny fady eo amin'ny fiarahamonina Okrainiana) .

Говорити про дискримінацію, несправедливість, насильство – це перший крок до змін. Коли ми говоримо про такі речі, інші розуміють, що вони не самі, що треба захищати свої права і що жодна людина не має зазнавати утисків. Підритмуємо ‪#‎яНеБоюсьСказати‬

Dingana voalohany mankany amin'ny fiovàna ny firesahana ny fanavakavahana, ny tsy rariny, sy ny herisetra. Raha miresaka ireo zavatra ireo isika, mahatakatra ny hafa fa tsy irery izy ireo, fa tsy maintsy miaro ny zony izy ireo, ary tsy misy olona tokony hiatrika izany fanavakavahana izany. Manohana ny #TsyMatahotraHilazaIzanyAho isika.