- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nekena Ny Fanafahana Vonjimaika Ireo Anglôley Mpikatroka

Sokajy: Angola, Fahalalahàna miteny, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Tsara, Zon'olombelona
Ativistas em liberdade. Foto: Central Angola

Mpikatroka noafahana. Saripika: Central Angola [1]

Nanafaka vonjimaika ny 16 amin'ny mpikatroka angôley miisa 17 izay nosamborina tamin'ny jona 2015 – ary notsaraina tamin'ny volana marsa tamin'ity taona ity – ho nikasa hanongam-panjakana [2] ry zareo. Hiandry ny didy havoakan'ny Fitsarana Tampony, araka ny fampakarana nampidirin'ny mpisolovavan'ny fiarovana, any an-tranony avy ry mpikatroka isany. Mbola hijanona any am-ponja ihany anefa i Nito Alves noho ny heloka hafa [3] iampangana azy ary hijanona ao hatramin'ny aogositra farafahakeliny.

Vantany vao re ny didy navoakan'ny Fitsarana Tampony, dia niely tany amin'ireo sampam-pifandraisana isan-karazany izany, indrindra fa ny tao amin'ny Maka Angola [4], misy ny mpanao gazety sady mpikatroka Rafael Marques:

O Supremo Tribunal de Angola deu provimento ao ‘habeas corpus’ apresentado pela defesa dos 17 activistas condenados e a cumprirem pena desde 28 de Março por rebelião e associação de malfeitores, e ordenou a sua libertação, anunciou à Lusa o advogado Michel Francisco.

“Posso anunciar que recebi agora a chamada do Supremo a dizer que vão ser libertados. Está confirmado e vou agora assistir à saída”, disse à Lusa o advogado, aludindo à resposta ao ‘habeas corpus’ que estava por decidir desde Abril, solicitando que os activistas aguardassem em liberdade a decisão dos recursos à condenação, por rebelião e associação de malfeitores.

Nohamafisin'ny Fitsarana Tampon'i Angôla ny fangatahana fanafahana vonjimaika nataon'ny mpisolovavan'ny mpikatroka miisa 17 izay voaheloka sy am-panatontosana ny didy famonjana hatramin'ny faha-28 ny volana marsa noho ny fikomiana sy ny firaisana tsikombakomba, ary nodidiana ny famotsorana ireo voampanga, hoy ny mpisolovava Lusa lawyer Michel Francisco.

“Afa-manambara aho ankehitriny fa nahazo ny antso hilaza fa hivoaka ny didin'ny Fitsarana Tampony. Nohamafisina ary hanara-maso, “hoy izy tamin'i Lusa ilay mpisolovava, manondro ny valin'ny fangatahana fanafahana vonjimaika izay nangatahana hatramin'ny avrily, ka ahafahan'ny mpikatroka miandry an-kahalalahana ny didy fanamelohana ho nanao fikomiana sy firaisana tsikombakomba hanao ratsy.

Naneho hevitra hatrany Brezila i Venâncio Mahinga [5], mpiserasera:

Eu aqui no Brasil, Recebi essa informação com muita felicidade e Paz, saber que foi uma condenação sem procedência dos nossos irmãos, mas o mais importante é que a justiça se redimiu e o supremo reconheceu os erros e soltou os acusados. Quero expressar a todos aqueles que acreditam em uma Angola mais transparente nas leis constitucionais, #justica [6], #Paz [7] e #Liberdade [8]. A todos os artistas Angolanos, Músicos, Atores, Defensores dos direitos Humanos, Jornalistas, Advogados em Defesa dos Injustiçados, Jornalista Rafael Marques, e aqueles outros que faziam nas escondidas pra não mostrar o rosto mas faziam pela Democracia, Pessoas solidárias com esta causa, Familiares dos Rev's, e de mais. Esta vitória é de toda a nação, cidadãos Angolanos que acreditam na justiça. Deus seja louvado.

Nahazo ny vaovao tao anatin'ny hafaliana sy ny filaminana izaho aty Brezila, rehefa nahafantatra fa fiampangana tsy mendrika ireo rahalahintsika iny, saingy ny tena zava-dehibe indrindra dia navotana ny rariny ary nanaiky ny fisian'ny fahadisoana ny Fitsarana Tampony ka namela ny voampanga. Te-hiteny amin'ireo mino ny isian'i Angôlà mangarahara kokoa aho, Rariny, Fandriampahalemana ary Fahafahana. Ny artista, mpitendry hira, mpiantsehatra, mpiaro ny zon'olombelona, mpanao gazety, mpisolovavan'ny fiarovana rehetra, ny mpanao gazety Rafael Marques, ary ireo hafa rehetra miafina mba tsy hiseho tava saingy nanao izany hiarovana ny demaokrasia, ny firaisankinan'ny vahoaka amin'ity fiarovan-kevitra ity, ny fianakavian'i Rev ary ny maro hafa. Ity fandresena ity dia ho an'ny Firenena Iray manontolo, ho an'ny olom-pirenena Angoley mino ny fisian'ny rariny. Hoderaina Andriamanitra.

Niteny i Adelino Branquinho [9], mpiantsehatra sady iray amin'ireo Mozambikana mpanatontosa sarimihetsika malaza indrindra:

Será que o Supremo Tribunal de Angola, fez as contas, e apercebeu-se que, os 15+2, nao sao 17 mas sim, mais que metade da população total de Angola? Se assim foi, está de parabens o Supremo, por possuir bons matemáticos no seu elenco.

Nanao kajy ve ny Fitsarana Tampon'i Angôlà ka nahita fa ny 15 + 2 dia tsy nanome fa mihoatra noho ny atsasaky ny mponin'i Angola? Raha izany, arahabaina ny Fitsarana Tampony fa misy mahay matematika be ao aminareo.

Tao amin'ny famoahan'ny Rede Angola [10], nilaza i Marco Dos Santos [11] fa miara-dia amin'ny mpikatroka hiaro ny fahalalaham-pitenenana ny vahoaka angoley:

Finalmente os nossos irmãos/heróis vão poder estar com o povo Angolano aqui fora, para a continuação da luta contra a liberdade de expressão.

Tafavoaka hiaraka aminay vahoaka angoley ihany ireo rahalahinay maherifo, hanohy hiady [ho] amin'ny fahalalaham-pitenenana.

Maro koa ireo olona ravoravo tao amin'ny twitter raha nandre ny vaovaon'ny famotsorana:

Tolona nampihetsi-po sy feno fahasahian'ireo izay tsy nangina manoloana ny herin'i JES izay nanafaka azy ireo iny.

Nanasongadina ny “vaovao tsara” ihany koa i Madelena Sampaio, mpanao gazetin'i DW-África:

Ho avotsotra irey Angoley mpikatroka ary hiandry ny valin'ny fampakarana [ny raharaha] any an-trano

Niteny i Zenaida Machado, mpikaroka ao amin'ny Zon'olombelona ao Angola sy Mozambika:

Vaovao tsara: nanome fanafahana vonjimaika ireo mpikatroka 17 nigadra hatramin'ny marsa ny Fitsarana Tampony Angôley. Miandry ny Fanapahan-kevitra [didy] farany amin'ity raharaha ity.