Noafahana Ilay Angôley Mpikatroka Nito Alves

Julgamento dos 17 activistas presos em Angola. Foto: MakaAngola

Nito Alves, (faharoa avy aty ankavia) nandritra ny fotoam-pitsarana tamin'ny marsa 2016. Saripika: MakaAngola (Arisiva GV)

Noafahana omaly talata (05 jolay) i Nito Alves, ary nanatevin-daharana ireo mpikatroka 16 noafahana tamin'ny herinandro (29.06), noho ny didy avy amin'ny Fitsarana Tampony, araka ny fangatahana “habeas corpus” [fanafahana vonjimaika] napetraky ny mpisolovavan'ny fiarovana.

Ny iray amin'ireo mpikatroka, Luaty Beirão, no namoaka ny vaovao tao amin'ny pejy Facebook :

ÚLTIMA HORA
Nito Alves acaba de sair da cadeia.
O activista que foi julgado sumariamente a 6 meses de prisão efectiva pelo tribunal de primeira instância por injúria aos magistrados do julgamento, por proferir as palavras “não temo pela minha vida, este julgamento é uma palhaçada” acaba de sair da cadeia e aguarda recurso do Tribunal Supremo em casa.

VAOVAO FARANY
Vao nivoaka ny fonja i Nito Alves.
Vao nivoaka ny fonja ilay mpikatroka izany nodidian'ny fitsarana ambaratonga voalohany higadra enimbolana noho ny filazana ho maniratsira ny mpitsara tamin'ny fanononana ny teny hoe “Aza matahotra ny aiko, sangy ratsy izao fitsarana izao” ary miandry ny didy avy amin'ny Fitsarana Tampony.

Ary nohamafisin'i Nito Alves izany nandritra ny antsafa nifanaovany tao amin'ny DW-África.

Efa votsotra avokoa ankehitriny ry Nito Alves sy ny tariny ary hiandry ny fanapahan-kevitry ny fampakaran'ny mpisolovavan-dry zareo ny raharaha tany amin'ny Fitsarana Tampony.

Tsara ny mampahatsiahy fa nosamborin'ny polisy tamin'ny jona 2015 noho ny antony lazaina fa “asam-piokoana sy fikasana hanongam-panjakana ny mpikatroka miisa 17. Tamin'ny mpikatroka 17, dia miandry ny fitsarana azy tany am-ponja ny 15. Niandry ny fitsarana tany an-trano kosa ny roa ambiny, izay tanora mpikatroka rehefa voaheloka higadra any am-ponja tanelanelan'ny roa ka hatramin'ny valo taona sy tapany izy rehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.