Chile: Miady Amin'ny Krizy Ara-Tontolo iainana Antsoina Hoe ‘Ny Samonta Mena’

Mejillones, Chile. Foto del usuario de Flickr Marcos Escalier. Usada bajo licencia CC 2.0

Mejillones, Chile. Sary avy amin'ny Marcos Escalier mpampiasa Flickr. Fampiasàna nahazoana alàlana CC 2.0.

Hatramin'ny fiandohan'ny May tamin'ity taona ity, nisy loza vaovao momba ny tontolo iainana nihatra tamin'ny morontsirak'i Chile. Ilay tranga fantatra amin'ny anarana hoe ny “samonta mena,” hita teo aloha tao amin'ny nosy Chiloe any atsimo, ka nahafatesana salmon maherin'ny 24 tapitrisa ary karazam-biby an-dranomasina hafa an-jatony. Ankehitriny izy io efa tonga any amin'ny helo-dranon'i Mejillones, any amin'ny faritra avaratry ny firenena, izay ahitàna trondro anchois mihoatra ny telo taonina maty nivangongo nanamorona ny morontsiraka.

Anchois telo taonina tafahitsoka tao amin'ny helo-dranon'i Mejillones

Ankoatra ny anchois, nisy zava-mananaina an-dranomasina hafa karazana toy ny lion-dranomasina ihany koa tafahitsoka teny amoron-drano.

LION-DRANOMASINA 15 MATY tany Playa Grande

Na dia nolazaina aza fa ny tranga El Niño no nahatonga ny fahafatesana maro, nilaza ny manampahaizana momba ny zava-mananaina ao amin'ny Oniversiten'i Antofagasta fa “ity karazana fahafatesana trondro marobe teny amorontsiraka ity dia manambara viriosy, na bakteria niely manerana ny andiany, ny fahapoizinana noho ny zavatra misy poizina, ny fiparitahan'ny lomotra madinika, na ny fiovana mahery vaika teo amin'ny toetoetry ny ranomasina.”

Na izany aza, toy ny tany Chiloé izay niampangàn'ny mpanjono ny indostria fiompiana salmon noho ny loza ara-tontolo iainana, misy ireo tao Mejillones izay milaza ireo fahafatesana an-dranomasina ho avy amin'ny nataon'ny Corpesca, orinasa mpanjono iray miasa ao amin'ny faritra.

Nanameloka ny Corpesca izy ireo noho ny fanariana fako tsy voakarakara ka niteraka fahafatesana maro tamin'ireo trondro

Nanao horonantsary anaty rano ny mpanjono sasany, amin'ny toerana samy hafa manerana ilay helodrano, satria manahy izy ireo fa misy “trondro betsaka no maty na miala aina any amin'ireo aty lalin'ny rano eo anelanelan'ny 5 sy 20 metatra “, ary koa “fivangongoan'ny antsanga noho ny asa indostrialy” (jono). Ny mpampiasa Facebook, Juan Antonio Menares Henríquez, dia nizara lahatsary izay mampiseho ny zavatra hitany tao anaty ranomasimbe: trondro maty na aiza na aiza. Tao amin'ny YouTube, nampakatra lahatsary iray izay mampiseho trondro efa maty sy miala aina hita teo amoron-dranomasina i Diego Olmos.

Está la cagada en este planeta.

Tena simba tanteraka ity planeta ity.

Nanafintohina olona maro tao amin'ny Twitter ilay seho:

LOZA ity zava-nitranga aty Mejillones ity. Inona no afaka hivoaka avy ao, raha tsy misy afa-tsy fahafatesana sy fandotoana? Ary tsy manao na inona na inona ny manampahefana!!!

Tsy tokony hisy intsony ny fandotoana ny ranomasintsika. Endrika Chernobyl Miofo.

Tamin'ny 19 May, nametraka fitoriana tany amin'ny Brigady miadidy ny Heloka bevava momba ny Tontolo iainana ny ben'ny tanànan'i Mejillones sy ny solontena samihafa avy amin'ny mpanjono araka ny fomba nentim-paharazana, mitaky fanadihadiana mikasika ny antony nahatonga ny taham-pahafatesana avo be nanjo ny zava-mananaina an-dranomasina.

Nametraka fitoriana tany amin'ny Polisy mpanao famotorana (PDI) ny ben'ny tanàna sy ny mpanjono tany Mejillones, momba ilay fandotoana .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.