- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsy Mitsahatra Ny Adin'ny ‘Fanadiovana Kabone’ Eo Amin'ny Kyrgyzstan Sy Kazakhstan

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Kazakhstan, Kyrgyzstan, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika, Vehivavy sy Miralenta
Most people can agree, there isn't anything wrong with cleaning one of these. Creative commons.

Miaiky ny ankamaroan'ny olona fa tsy misy zavatra tsy mety na mahamenatra raha mahazo vola amin'ny fanadiovana azy itony. Afatsy ireo minisitra kazakhs. Creative commons.

Nanomboka tamin'ny fanamarihana nahasadaikatra ny minisitra iray talohan'ny nidirany tao amin'ny sehatra diplaomatika, tamin'ny fanambarana tamin'ny lahatsary sy tamin'ny fanoloran'ny fanjakana mari-pankasitrahana . Fa tsy mbola vita.

Alohan'ny hitondran'ny Global Voices anao ho any amin'ny tantara ratsy eo amin'ny firenena mpirahalahy roa tonta ao Azia Afovoany Firaisana-Sovietika taloha izay nanomboka tamin'ny volana May ary efa naharitra ho telo volana izao, dia tsara ny mampahafantatra zavatra iray: na dia teo aza ny kolontsaina saika mitovy tanteraka, ny tantaram-pirenena sy ny fifandraisana anaty fiaraha-miasa iraisampirenena amin'ny ankapobeny, dia i Kazakhstan no zokiny amin'izany fifandraisana izany ary Kyrgyzstan no zandriny.

Mitovy taona ireo firenena mpirahalahy- efa ho 25 taona – fa lehibe i Kazakhstan, manana mponina avo telo heny noho i Kyrgyzstan ary manan-karena amin'ny solitany. Toy ny ankamaroan'ireo firenena lehibe, hentitra ihany koa izy ary manana fanambonian-tena, kanefa raha i Kyrgyzstan dia demokratika kokoa sy tia ady, ary firenena nandia revolisiona roa tao anatin'ny 14 taona. Ka te hanana ny teny farany hatrany.

Tahaka izao ny fizotran'ny fifamaliana farany teo amin'ny roa tonta.

1.Niteny ny minisitry ny kolontsain'i Kazakhstan fa ratsy ho an'ny ankizivavy Kyrgyz ny tsy maintsy manadio kabone ao Moskoa mba hahazoana vola.

Nanararaotra ny fotoana ahafahany mampahatsiahy ireo Kazakh ny minisitry ny fanatanjahan-tena sy ny kolontsaina Kazakh Arystanbek Mukhamediuly tamin'ny 24 May raha niteny tao amin'ny lanonam-bahoaka tao Kazakhstan- ary nanonona an'ilay Kyrgyz mpanoratra malaza Chingiz Aitmatov – fa tsy milamina tsara ny ao amin'ny ry zareo mpifanolobodirindrina aminy izay mahantra sy demaokratika kokoa.

Toy izao ny teniny, araka ny tatitry ny RFE / RL [1] :

Aitmatov wanted to prevent his people from taking […] senseless steps. And really he forecast those negative events that we have witnessed in Kyrgyzstan. When I go to Moscow, it is painful for me to see how young Kyrgyz girls have to clean public toilets there. Since there are no jobs, no prospects in their country, Kyrgyz have to leave..

Te-hanakana loatra ny vahoakany tsy hihetsika i Aitmatov […] . Efa niomana tamin'ireo zava-nitranga ratsy izay hitantsika tao Kyrgyzstan izy. Rehefa nandeha tany Moskoa aho, mafy ho ahy ny nahita ireo tovovavy Kyrgyz tsy maintsy manadio kabonem-bahoaka. Tsy maintsy mifindra monina ireo Kyrgyz satria tsy misy ny asa, tsy misy ny fanantenana ao amin'ny fireneny.

Niteraka adi-hevitra be tao amin'ny media sosialy Kyrgyz ny teniny .Hoy [1] ilay Kyrgyz mpahay tantara Ainura Arzymaytova hoe :

I suppose this Kazakh official was trying to hint to his people … ‘Look what happened to Kyrgyz people after their revolutions […] It was some kind of a maneuver to distract Kazakh citizens from their problems by offering them our problems to discuss.

Heveriko fa ny tian'io manam-pahefana Kazakh io ambara amin'ny mpiray tanindrazana aminy dia… ‘Jereo ny zava-nitranga tamin'ireo olona Kyrgyz taorian'ny revolisiona […] Karazana fanodikodinana mba handrebirebena ireo Kazakh tsy hahita ny olany amin'ny alàlan'ny firesahana azy ireo momba ny olana mahazo antsika izany.

Tsy ny olana no tsy misy ao Kazakhstan amin'izao fotoana. Taorian'ny firoboroboana ara-toekarena nandritra ny folo taona tsy tapaka, nanozongozona ity firenena manana mponina 18 tapitrisa ity ny filatsahan'ny vidin-tsolika eran-tany ary niteraka fihetseham-po te hanohitra izay nitohy [2] tamin'ny fikasan'ny governemanta hanitatra ny fampanofana tany amin'ireo vahiny .

Tato anatin'ny volana maromaro, nampahatsiahy ny tantara nisy rà mandriaka vao haingana tao Kyrgyzstan ny fampitam-baovao mpanohana ny governemanta Kazakhstan raha nitombo ny hatezeram-bahoaka mba hanakiviana ireo fivoriana ara-politika – olona 500 mahery no maty tamin'ilay korontana ara-politika tao amin'ny firenena tamin'ny 2010 .

Women in Kazakhstan. Wikipedia image.

Vehivavy Kazakhstan. Sary: Wikipedia.

2. Nahatonga ny olana ara-diplomatika i Kyrgyzstan .

Ny ampitso,  nampiantso ny Masoivohon'i Kazakhstan ny minisitry ny raharaham-bahiny Kyrgyz hanazava ireo fanamarihana, nomarihana tamim-pahasosorana, araka ny Reuters [3], fa mifanaraka amin'ny fanaratsiana voarain'i Kyrgyzstan heno  tamin'ny fampitam-baovao Kazakh tao ho ao ireo fanamarihana. Kay !

3.Milaza ny fomba fijeriny momba ny fanadiovana kabone amin'ny minisitra Kazakh  ireo vehivavy Kyrgyz ao Moskoa.

 

Hoy ilay vehivavy voalohany tao amin'ny lahatsary hoe:

Oui, nous nettoyons peut-être les toilettes, mais c'est un travail honnête. Nous ne vendons pas notre corps. Nous ne faisons que nourrir nos familles et nous contribuons grandement à l'économie du Kirghizistan [par l'argent que nous envoyons]. Je tiens à dire au ministre kazakh que je ne suis pas d'accord avec ce qu'il a dit. C'est faux. Nous ne sommes pas là pour la bonne vie, mais parce que nous devons nous nourrir d'une façon ou d'une autre. En fait il y a aussi des Kazakhes parmi nous et elles nettoient aussi des toilettes. Il n'y a pas de quoi avoir honte. Nous nettoyons les toilettes et les bureaux. Depuis dix ans que je suis [à Moscou] nous avons scolarisé deux de nos filles et avec l'aide de Dieu nous pourrons refaire et moderniser notre maison. Nous nettoyons les toilettes ici mais quand nous rentrons chez nous nous sommes respectées.

Eny, mety hoe kabone no diovinay, kanefa asa madio izany. Tsy mivarotra ny tenanay izahay . Mamelona ny fianakavianay izahay amin'izany ary mandray anjara indrindra amin'ny toe-karen'i Kyrgyzstan [amin'ny alàlan'ny vola alefanay] Tiako ny milaza amin'ny minisitra Kazakh fa tsy manaiky ny heviny aho. Diso izany. Tsy hoe tsara akory ny fiainana eto, tsy maintsy misakafo izahay na inona na inona mitranga. Misy ihany koa ny Kazakh eto aminay raha ny marina ary manadio kabone ihany koa izy ireo. Tsy misy mahamenatra izany. Manadio kabone sy birao izahay. Folo taona no naha teto [ Moskoa anay] ary afaka nampianatra ny roa tamin'ireo zanakay vavy izahay ary noho ny fanampian'Andriamanitra, dia afaka manamboatra sy manavao ny tranonay izahay. Manadio kabone izahay eto, kanefa hajaina rehefa mody any an-trano

 4. Niala tsiny ny minisitry ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina  ary nilaza fa mivaona tamin'ny zava-misy ny filazan'ny minisitra.

Kanefa mazava ho azy….. [4]

A family in Kyrgyzstan. Wikipedia image.

Fianakaviana iray ao Kirghizistan. Sary: Wikipedia.

5.Niditra ny minisitry ny raharaham-bahinin'i Kazakhstan , satria nanomboka tsy voafehy ny raharaha.

Niteny ny minisitry ny raharaham-bahiny Kazakh, Erlan Idrissov, iray volana taty aoriana raha mbola nafana ny hatezerana tao Kyrgyzstan, tamin'ny 20 Jona :

То, что мы видели в блогосфере, это в основном эмоциональные всплески отдельных кыргызских граждан. Ни в коем случае наш министр не намеревался, не хотел, да и не мог никак умалить самый близкий нам народ Центральной Азии.

Fihetsem-po tsy voafehy ataon'ny olom-pirenena Kyrgyz sasany ihany ny zavatra hitantsika amin'ny tontolon'ny bilaogy. Tsy nandre, tsy nihevitra, na nitady, ary tsy ho afaka hanome fanafintohinana ireo olona akaiky indrindra anay eto Azia Afovoany ny minisitray

Nifarana ny disadisa, sa tsy izany? Tsia!

6. Nanome mari-boninahitra ireo Kyrgyz mpanao asam-panadiovana nanome ny heviny tsy mivilivily tamin'ilay minisitra Kazakh ny filohan'i Kyrgyzstan !


Nisaotra
noho ny “fitiavan-tanindrazana mavitrika “nananan'izy ireo ny Filoha Almazbek Atambayev izay toa nankafy ny vava nifanaovana tamin'ny fifanakalozana ara-diplaomatika.

Kyrgyz President Almazbek Atambayev. Russian presidential press service. Available for reuse. [5]

Ny filoha kirghiz Almazbek Atambayev. Avy amin'ny asa fanaovan-gazety ao amin'ny fitondram-panjakana rosiana. Azo ampiasaina.

7. Mbola tsy navelan'ny filohan'i Kyrgyzstan .

Nanao [6] fanamarihana ankolaka indray tamin'ny tenin'ny minisitry ny Kolontsaina Kazakh Atoa Atambayev tamin'ny kabariny nandritra ny lanonana iray izay nanolorana ny ” mari-pankasitrahana volamena ” an'ireo mpianatra mendrika tamin'ny 1 Jolay :

Ни в какой работе нет ничего зазорного. Лучше быть уборщицей или дворником, чем вором-министром, который ставит себя выше других. Никогда не стесняйтесь ни одной работы. Любая работа — большая честь.

Tsy misy mahamenatra na inona na inona asa atao. Aleo manao mpanampy an-trano na mpiambin-tanàna toy izay minisitra mpangalatra mihevitra ny tenany ho ambony noho ny hafa. Aza misalasala rehefa misy ny asa. Voninahitra lehibe ny asa rehetra.

8.Anjaran'i Kazakhstan indray izao

Vita ve? Tapitra?

Nihevitra [7] ilay mpisera Facebook Kazakh Rinat Balgybayev fa mbola tsy tapitra ny fifandirana:

Теперь кто-то из наших должен ответить президенту Кыргызстана что быть министром-вором вообще не зазорно

Mila ny iray amin'ny solontenantsika hamaly ny filoha Kyrgyz fa tsy misy mahamenatra ihany koa ny maha minisitra mpangalatra   …