Mozambika: “Harahi-maso Ny Olompirenena Na Andro Na Alina”, Hoy Ilay Gazety

Primeira página do jornal Canal de Moçambique. Foto: Dércio Tsandzana

Voaloham-pejin'ny Gazety Canal de Moçambique. Saripika: Dércio Tsandzana

Araka ny nolazain'ny gazety iray azo itokisana indrindra ao amin'ny firenena, ny Canal de Moçambique, dia nametrahana fakantsary fanarahamaso tanàna miisa 450 tao an-tanànan'i Maputo sy Matola, izay efa voafaritra ao amin'ny tetikasan'ny Komadim-Pirenena Misahana ny Fanodinam-Baovao, izay ahitana ny drafitry ny lazaina ho “fihainoana resaka an-telefonina” napetraky ny governemantan'i Mozambika amin'ny filazana fa fikasana “hitsikilo ny olom-pireneny”. Tahaka ny efa maka endrika sy vatana ankehitriny ny fitantarana [mg] tato amin'ny Global Voices tamin'ny volana mey teo.

Ny nampimenomenona ny gazety dia ny nanomezana – tsy nisy tolobidy- ny tetikasa tamin'ny orinasa , Msumbiji Investiment Limited, an'ny zanaky ny filoha mozamikana teo aloha, Armando Guebuza, izay nanasa kosa ny orinasa shinoa ZTE hanatontosa ny drafitra.

Tohina tamin'ny toe-draharaha i Egídio Vaz, mpamakafaka malaza ao an-toerana sady mpikatroka amin'ny tambajotra sosialy :

(…) Há mais de dois meses que temos vindo a ler notícias sobre os grandes negócios destes laboriosos filhos do herói da pátria. O meu estado de espírito piorou. Isto é mau. Mas existe uma cura para mim. ESQUECER.

(…) Roa volana mahery taty aoriana, namaky ny vaovaon'ireo orinasa goavan'ny zanaka ny maherifon'ny tanindrazana mazoto miasa aho. Niharatsy ny toe-poko. Ratsy izany. Fa  misy ny fanafodiiny ho ahy. MANADINO.

Milaza ny mety ho fiantraikan'ny fametrahana ireo fitaovana ireo i Schauque Spirou ka naka ohatra tamin'i Brezila :

Estamos a acordar aos poucos ou estamos a ser sonecados e não sabemos…mas que o Big Brother esta em ação, não parece haver dúvida… a noticia avançada pelo Canal de Moçambique sobre as câmaras de vigilância, penso que não são de se levar ao de leve: fora a “adjudicação” da mesma…
No Brasil, já se fala de indústria de multas, pois as câmaras de vigilância nas avenidas de São Paulo, são usadas para flagrar “motoristas da FORMULA1″….mas o dinheiro que geram tais multas esta a criar desconfiança dos mais avisados.

Mifoha tsimoramora isika na mbola matoritory fa tsy fantatsika izany… Saingy miasa ny Big Brother, Kely ihany ny fisalasalana … mihevitra aho fa tsy tokony hamaivanina ny vaovao navoakan'ny Canal de Moçambique momba ny fakantsary fanarahamaso,  mihevitra aho fa tsy tokony hamaivanina ihany koa ny resaka “fanolorana” [nahazoana ilay tetikasa] …
Tany Brezila, resaka indostrian'ny lamandy amin'ny araben'i São Paulo no nampiasana ny fakantsary fanarahamaso hanatrarana ireo “mpanamorin'ny FORMULA1″ … fa ny vola nateraky ny lamandy no niteraka ahiahy indrindra.

Na izany aza dia manaiky ny gazety fa afa-miteny resaka fitandroana filaminana soa aman-tsara ny fanjakana mozambikana hanamarinana ny fividianana sy ny fametrahana ireo fitaovana ireo tsy nisy tolobidy izany hoe amin'ny antony nanaovana fifampiraharahana mivantana araka ny nolazain'ny teboka f) amin'ny nrº 3 amin'ny andininy fahasivy amin'ny Lalàna Mozambikana amin'ny “fahazoana tsena”. Tsy manamarina  ny nampiasana ny orinasan'ny zanakalahin'i Armando Guebuza amin'ny fividianana ny fampitaovana kosa anefa izany noho ny mety isian'ny fifandroritana tombontsoa ara-barotra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.